Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no loko tsara ampiarahina amin’ny maitso?

28/01/2019

Misy ireo mankafy ny loko maitso nefa sahirana mitady izay loko tsara ampiarahina aminy. Andeha ho jerentsika ireo loko mety sy tsara ampiarahin’ny maitso.

 Lire la suite...

Mahay manaingo trano kelikely

21/01/2019

Rehefa kelikely ny trano, dia tsy maintsy zaraina ho ao anatin’ny efitra iray avokoa na ny efitra fandriana na ny efitra fandraisam-bahiny. Ny fomba hanasarahina azy no mety manahirana saingy mora atao kosa rehefa miainga amin’ny zavatra tsotra.

 Lire la suite...

Mahay misafidy « coussins » mety amin’ny trano

14/01/2019

Fitaovana kely mitondra loko vaovao ho an’ny efitrano fandraisam-bahiny ny « coussins ». Ahoana anefa ny fomba hisafidianana azy mba hamoaka ilay endrika tena katsahina amin’ny efitrano?

 Lire la suite...

Ny fomba fanaingoana hazonoely miloko fotsy

17/12/2018

Tsy dia mahazatra loatra ny maro ny mividy ireny hazonoely miloko fotsy ranoray ireny. Tafiditra ao anatin’ireo hazonoely lamaodin’ity taona 2018 ity anefa izy ireny ka ho an’ ireo nisafidy ny hiova kely dia toy izao ny fomba fanaingoana azy :

 Lire la suite...

Haingon-databatra tsotra fa tsara, ho an’ny Noely

10/12/2018

Raha toa ka tsy afaka manokana vola be ho amin’ny fanaingoana ny latabatra mandritra ny Noely dia misy kosa ireo zavatra tsara ananana mba hampivoaka azy. Tsy sarotra tadiavina nefa izany akory.

 Lire la suite...

Ireo fomba fanaingo trano lamaody amin’ity noely 2018 ity

03/12/2018

Efa miditra ao anatin’ny ambiansy amin’ny fetin’ ny noely isika ankehitriny. Andeha ho jerena ny hiaka farany amin’ireo fomba fanaingo ny trano ka samy haka izay tandrify sy mety aminy ny tsirairay.

 Lire la suite...

Zaridaina hafa kely

26/11/2018

Aingam-panahy kely foana, nalaina avy amin’izay kojakoja ananana dia efa azo hamoronana haingon-jaridaina mahafinaritra ny maso.

 Lire la suite...

Déco

Seza efa ela niasana, andao omena endrika vaovao !

05/11/2018

vaovao ireo seza efa ela tao an-trano, raha toa ka efa somary mankaleo ny mahita azy. Mbola azo atao tsara mihitsy ny manome endrika hafa sy mahafinaritra azy ireny, sady tsy lafo akory ny manamboatra azy.

 

 


Azo omena aina 1.      Lokoina

Mialohan’ny hanamboarana azy dia diovina aloha ilay seza. Kikisana amin’ireny “papier vert” ireny ilay seza, ka rehefa vita izay dia avela ho maina. Lokoina araka izay hitiavana azy. Na atao samy hafa aza ny lokon’ny lamosiny sy ny fipetrahana, maninona moa ?!

2.      Fonosina

Misy ireo lamban-tseza efa be mpivarotra eny an-tsena eny, saingy somary manahirana ihany ny mitady azy ireny. Mba hifanaraka kokoa amin’ny endrika sy loko ampiasaina ao an-trano dia tsara raha mividy lamba manokana mihitsy. Zairina manokana ny lamban’ny lamosina ary ilay “coussin” kosa, asiana tadiny mba ho azo afatotra amin’io lamosin-tseza io.

3.      Atao fitoeram-boninkazo

Rehefa tsy azo amboarina sy hipetrahana intsony ilay seza dia azo ovaina ho fitoeram-boninkazo. Lokoina ihany mba hanintona ny maso ny mijery azy. Raha lehibe ilay seza dia lavaka antonona an’ilay tavim-boninkazo ihany no amboarina eo afovoany. Tsy atao tratan’ ny orana kosa ny toerana hametrahana azy, sao ho vasoka aloha loatra indray ilay lokony.

 

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo