Jejoo

Dans la mÍme rubrique

Fahadisoana 4 tsy tokony atao intsony

15/01/2019

Misy fomba fiheverana malaza izay manao hoe : tsy misy vehivavy tsy liana aminíny firaisana ara-nofo, fa ny lehilahy tsy mahay mampianoka no misy.

 Lire la suite...

Mifampijery anaty maso, mampitombo ny fahafinaretana

14/01/2019

Matetika ny mpifankatia no mitady hevitra sarotra, mba hanomezana tsiro miavaka ny firaisana ara-nofo. Isaníizany ny fitadiavana paozy miala aminíny mahazatra. Tsy voatery anefa, fa misy mahatsara azy ny fomban-drazana : afaka mifampijery anaty maso. Mitondra fahafinaretana hafa mantsy io fifampijerena anaty maso io, mandritra ny fifampizarŗníny olon-droa :

 Lire la suite...

Fanapahan-kevitra 3 manatsara ny fiainam-pananahana

08/01/2019

Rehefa miandoha ny taona dia miezaka mandray fanapahan-kevitra tsara, na mametraka tanjona sy vina hotratrarina ny ankamaroaníny olona.

 Lire la suite...

Firaisana ara-nofo : Manana ny tsirony koa ny fahazarana !

18/12/2018

Rehefa miresaka firaisana ara-nofo, dia mazŗna ny fitadiavana izay fomba hahatsara kokoa hatrany aníizany no tena omen-danja. Voateny foana, ao anatiníizany, fa ilaina ny manovaova ny fahazarana, mba tsy hankaleo. Adino, fa misy vokany tsara ihany koa ny fahazarana...

 Lire la suite...

Lehilahy manolana ny vadiny, tsy azo avela fotsiny aminíizao !

27/11/2018

Nomarihina ny 25 novambra lasa teo ny andro eran-tany ho famongorana ny herisetra atao aminíny vehivavy, ary ao anatiníny 16 andro, manomboka eo aminíio daty io hatraminíny 10 desambra,

 Lire la suite...

Misy faritra 3 tsy ampoizina mampientana ny lehilahy !

20/11/2018

Aminíny ankapobeny, ny faritry ny taovam-pananahaníny lehilahy avy hatrany no kitihantsika vehivavy, rehefa te hanaitra ny lehilahy.

 Lire la suite...

Savaranonando, azo atao tsisy tanana !

13/11/2018

Tsy ny vehivavy ihany akory no mila aníilay savaranonando, fotoana natao hanaingana ny filŗna sy hampiakatra tsara ny mari-pana, mialohaníny tena firaisana ara-nofo.

 Lire la suite...

Sexo

Vehivavy ampy torimaso, mazoto miray kokoa

30/10/2018

Maro dia maro ireo voalaza fa voka-tsoa azo avy aminíny fahampianíny torimaso sy ny kalitaoníizany.

 

 

Fikarohana vao nivoaka vao haingana kosa no nanampy tombontsoa iray hafa, azo avy amin’ny fatoriana tsara. Araka ny nambaran’ny manam-pahaizana amerikanina, avy ao amin’ny oniversiten’i Floride tokoa mantsy, dia mahatsara ny fiainam-pananahana ny fahampian’ny torimaso…

Mitombo ny filàna sy ny fahafinaretana

Araka ny nambaran’ny Dr Laurie Mintz, manam-pahaizana momba ny firaisana ara-nofo, dia mampitombo kokoa ny tahan’ny filàna ara-nofo ny fahampian’ny torimaso. Mahalafatra kokoa ny fahafinaretana azo mandritra izany ihany koa, ny fanana torimaso ampy sy ara-dalàna. Nohazavainy fa teo am-pandinihana an’ireo olona tonga manatona azy, noho ny olana ara-nofo, no nahatsikaretany an’izany ary avy eo dia nohalalininy manokana ny momba ny fifandraisan’ny torimaso sy ny fiainam-pananahana.

Lasa mielanelana

Porofo anankiray tsy azo lavina noraisin’ity manam-pahaizana momba ny firaisana ara-nofo ity ny an’ireo renim-pianakaviana. Ao aloha ireo vao tera-bao, izay mbola tsy manana faniriana ara-nofo noho ny harerahana taorian’ny fiterahana sy noho ny tsiry mpanentana mbola mikorontana, fa eo ihany koa ny tsy fahampian-torimaso vokatry ny fitaizana. Tsy ireo reny vao tera-bao ihany no lasa manana olana eo amin’ny fiainam-pananahana, izay miseho amin’ny fielanelanan’ny fotoana hanaovana firaisana ara-nofo, fa ny ray aman-dreny maro mihitsy, noho ny hareraham-batana sy ny fiasan-tsaina, izay mitarika tsy fahalavorarian’ny torimaso.

Mikorontana ny tsiry mpanentana

Araka ny fanazavana ara-tsiantifika dia mampiakatra ny tsiry mpanentana atao hoe : “cortisol”, izay avoakan’ny vatana rehefa tratran’ny rarin-tsaina, ny tsy fahampian’ny torimaso. Ny « cortisol » anefa dia mampihena ny tahan’ny « testosterone ». Ity tsiry mpanentana ity indray no tomponandraikitry ny faniriana ara-nofo, na eo amin’ny lehilahy, na eo amin’ny vehivavy. Tsikaritr’ilay manam-pahaizana momba ny firaisana ara-nofo ary fa isaky ny ora iray azon’ny vehivavy amin’ny torimaso, dia miakatra 14% ny fahazotoany miray ara-nofo. Araka izany, raha toa ka manana olana eo amin’ny filàna, dia jereo ihany hoe : ampy ve ny torimasonao ?!

 

Fytia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo