Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo sakafo 5 be manezioma

28/05/2019

Araka ny hafatry ny mpiasan’ny fahasalamana dia tokony mila manezioma 300 hatramin’ny 400 mg isn’andro ny olon-dehibe raha 10 ka hatramin’ny 30 mg kosa izany ho an’ny ankizy.

 Lire la suite...

Ny atao mba tsy hihinan-kena be loatra

21/05/2019

Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana ny fihinanan-kena diso betsaka loatra. Tsy mety koa anefa ny mifady azy tanteraka satria mila ny fer sy zinc ary ny vitamine B12 entiny ny vatana mba ho entiny miasa. Ahoana ny atao mba ihinanana azy amin’ny fatra antonony tsara. Atoronay anao :

 Lire la suite...

Sakafo 10 be “fer”, misoroka havizanana lalina

14/05/2019

Raha vao tsy ampy « fer » ny vatana dia mety ho tratry ny havizanana lalina, mihamarefo ny hery fiarovana ; mahavoa ny “anémie” koa ny tsy fahampiana azy.

 Lire la suite...

Sakafo matsiro fa tsy matavy …izao atao

07/05/2019

Sakafo tsy matavy sy be menaka loatra ihany no mahasalama sady vahaolana amin’ny hatavezana diso tafahoatra.

 Lire la suite...

Sakafo 10 manala sy misoroka ny rarin-tsaina

02/04/2019

Fahavalon’ny fahasalaman’ny vatana ny rarin-tsaina na ny « stress ». Mitarika ny vatana hahazo fahazaran-dratsy ara-tsakafo mantsy ny toe-po miovaova.

 Lire la suite...

Ny marina sy tsara ho fantatra momba ny ranom-boasarimankirana

26/03/2019

Tsy iadian-kevitra fa mitondra otrik’aina mahasoa sady mahasalama ho an’ny vatana ny voasarimankirana. Marobe kosa ny hevitra re mahakasika azy sy ny fomba isotroana azy. Iza amin’ireny no diso ary iza no marina ? Mamaly ny matihanina amin’ny fomba fisakafo iray.

 Lire la suite...

Fo, tsinay, aty…koloin’ny labiera avokoa!

19/03/2019

Nanaovan’ny mpikaroka siantifika fanadihadiana ny labiera izahana raha misy tombontsoa azo avy aminy na tsia.

 Lire la suite...

Diététique

Toy ny ahoana izany sakafo voalanjalanja ?

30/10/2018

Voaresaka matetika ny hoe tokony hisakafo voalanjalanja tsara ny olona tsirairay mba ho salama. Toy ny ahoana marina anefa izany ?

 

 

Rehefa noana vao mihinana

Isaky ny hisakafo, dia tokony hanontany tena  hoe  : tena noana marina ve sa te hitsakotsako fotsiny.

Mahandro sakafo

Mba ho azo antoka fa voalanjalanja ny sakafo hanina dia tsara raha ianao mihitsy no mahandro sy mikarakara azy.

Mihinana milamina tsara

Sarotra levonina ny sakafo hohanina ao anaty rotoroto. Aleo mitombina tsara rehefa hisakafo.

Ovaovaina ny karazan-tsakafo

Mba hahazoan’ny vatana otrikaina feno dia ovaovay foana ny karazan-tsakafo hohanina.

Fadio ny sakafo be kaloria

Aleo tsy mihinana sakafo be siramamy sy be menaka kanefa tsy mitondra otrikaina mineraly, vitamina ary “fibres”. Tena ilaina ny “fibres” satria manamora ny fiasan’ny tsinay sy ny taova fandevonan-kanina.

Mihinana voankazo sy legioma foana

Ny legioma sy ny voankazo no feno vitamina sy otrikaina ary “fibres”. Ampidiro amin’ny sakafo hohanina foana izy ireo isan’andro.

Tsy atao ambanin-javatra ny proteina

Tsy maintsy misy proteina ny sakafo vao antsoina hoe, voalanjalanja. Ahazoana proteina ohatra ny trondro, atody ary hena na voamaina sy soja.

Ilaina ihany ny gliosida

Ny gliosida no toy ny solika ho an’ny vatana. Tsy ilay karazany mora levona kosa anefa fa ireo izay ela vao levona toy ny “cereales”, ny vary, ny mofo feno otrikaina ary ny voamaina.

Mila menaka koa

Mila menaka koa ny vatana. Ny sakafo misy « oméga 3 » no tena mety ho an’ny fahasalamana. Ahitana azy ny menaka colza, ny trondro matavy toy ny thon, saumon ary sardines, ny voan-javatra toy ny noix.

Misotro rano tsara

Tokony hisotro rano tsy misy siramamy 1,5 litatra isan’andro farafahakeliny ny olona iray. Ivelan’izay ny ranom-boankazo misy siramamy izay tokony ho ferana koa.

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo