Jejoo

Dans la même rubrique

Teny mamy ho an’i Neny

22/05/2019

Ankalazaina amin’ny alahady ho avy izao ny fetin’ny reny, izay andro hahatsiarovana manokana ireo nahitana masoandro. Ireto avy àry ireo teny mamy sy firarian-tsoa ho an’i Neny amin’io fetiny io, avy amin’ireo ankizikely sendra ny gazety Jejoo …

 Lire la suite...

Manazatra ny zaza hampiasa « pot » …

09/05/2019

Dingana sarotra lalovana ny mamolaka ny zaza hanao maloto amin’ny « pot » kely sahaza azy, ho an’ny ray aman-dreny sasantsany. Inona àry no hatao raha sahirana amin’izay dingana izay, ary inona ny teknika arahina mba hampiravona ny olana ?

 Lire la suite...

Coton-tige : Tsy azo ampiasaina intsony !

03/05/2019

Fitaovana madinika tsy tapaka ao an-tokantranon’ireo manana zazakely ny « coton-tige », mba hanadiovana ny sofiny na ny orony.

 Lire la suite...

Zaza manaikitra, inona no atao?

09/04/2019

Rehefa tafaraka misangisangy iny, na koa rehefa sorena ny zazakelinao dia tsikaritrao fa manaikitra izy.

 Lire la suite...

Ankizy manao raharaha…zaza hahomby rehefa lehibe

21/03/2019

Rehefa asain’i Neny manao raharaha sy manampy azy ny ankizy ao an-tokantrano ao dia kamokamo sy mihisatra indraindray.

 Lire la suite...

Fantaro ireo akora mitarika “allergie” eo amin’ny zazakely

19/02/2019

Efa betsaka ireo karazana akora fampiasa amin’ny zazakely miparitaka eo amin’ny tsena ho an’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Hampandroana zaza, hanorana sy hanamandinanana ny hoditry ny zazakely… . Misy ihany anefa ny tsara ho fantatra, mba hiarovana ny zanakao tsy ho tratran’ny tohina avy amin’ireny karazana akora ireny.

 Lire la suite...

Fantaro ireo akora mitarika “allergie” eo amin’ny zazakely

05/02/2019

Efa betsaka ireo karazana akora fampiasa amin’ny zazakely miparitaka eo amin’ny tsena ho an’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Hampandroana zaza, hanorana sy hanamandinanana ny hoditry ny zazakely… . Misy ihany anefa ny tsara ho fantatra, mba hiarovana ny zanakao tsy ho tratran’ny tohina avy amin’ireny karazana akora ireny.

 Lire la suite...

Maman

Avy niteraka : Ny atao mba hahafisaka ny kibo …

03/10/2018

Fikambanan’ny tavy, fihoaran’ny hoditra, ary hozatra niitatra nandritra ny vohoka, no mampibontsina ny kibon’ny vehivavy avy niteraka. Mahatonga ny endrik’ilay kibo ho toy ireny mbola mitondra zaza ireny foana izany, raha tazanina.

  Tsy azo ataotao foana nefa ny mikitika na mitady vahaolana hampihenana haingana io kibo io. Misy ny  fepetra arahina, sao vao mainka hanimba azy izany, ka haharatsy tanteraka ny bika. Torohevitra avy amina “coach sportif”, izay notanterahina reny avy niteraka, ireto entina aminao ireto.

Arindra ny fisakafoana

Tsy mitombina izany hoe : vao teraka andro vitsy monja, dia ho fisaka sahady ny kibo. Na izany na tsy izany aza nefa, miankina amin’ny zavatra hanina sy ny fomba fihetsika ihany koa, ny mety hiverenan’ny vatana amin’ny laoniny, toy ny taloha, na hahazoany bika vaovao. Mila mizatra misakafo amin’ny ora mitovy ary atao ora raikitra ihany koa ny tohan’aina. Ialao ny fiheverana fa afaka mihinan-kanina foana sy tsy mijanona, satria mampinono.

Amboarina ny fihetsika

Herinandro na folo andro ao aorian’ny fiterahana, rehefa somary modimody ny aina,  dia afaka manamboatra fihetsika amin’izay : rehefa hipetraka, hitsangana, na hihetsika, na koa hampinono, dia atao mikolo ny kibo izany. Ialao ny fihetsika tsy mivaky loha, ka avy dia mivoretaka amin’izay atao rehetra. Ny atao : ampiasaina ny hoza-kibo. Miezaka manetsika moramora sy tsikelikely azy, rehefa miaina, rehefa mandeha an-tongotra, na mivezivezy ao an-trano. Manafisaka kibo tsikelikely izany.

Tsy manao “régime” mihitsy

Aza misaina kely akory an’izany hanao “régime” izany mihitsy, na te ho fisa-kibo tahaka ny inona aza. Ny “régime” dia manjanaka ny saina hifidifidy izay harapaka. Rehefa mampinono anefa, dia alavirina mihitsy izany hifehy kibo noho ny  bika izany. Ny zaza no atao an-tsaina, ka hanina avokoa izay fantatra fa mahasoa azy. Tadidio ihany koa fa tsy tokony ho latsaky ny 1.800 Kaloria isan’andro ny sakafo hanin’ny reny mampinono.

Manao fampihetseham-batana moramora

Azo atao ny manao fampihetseham-batana, saingy tsy ireny mahery setra ireny akory, fa amin’ny alalan’ny fihetsika madinika ao an-trano ihany. Ahetsika moramora ihany koa ny hozatry ny lamosina, rehefa zatra tsara ny an’ny kibo. Averimberina sy atao fahazarana ao an-trano izany, rehefa matory ny zazakely.

Maman’i Pouni

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo