Jejoo

Dans la même rubrique

Teny mamy ho an’i Neny

22/05/2019

Ankalazaina amin’ny alahady ho avy izao ny fetin’ny reny, izay andro hahatsiarovana manokana ireo nahitana masoandro. Ireto avy àry ireo teny mamy sy firarian-tsoa ho an’i Neny amin’io fetiny io, avy amin’ireo ankizikely sendra ny gazety Jejoo …

 Lire la suite...

Manazatra ny zaza hampiasa « pot » …

09/05/2019

Dingana sarotra lalovana ny mamolaka ny zaza hanao maloto amin’ny « pot » kely sahaza azy, ho an’ny ray aman-dreny sasantsany. Inona àry no hatao raha sahirana amin’izay dingana izay, ary inona ny teknika arahina mba hampiravona ny olana ?

 Lire la suite...

Coton-tige : Tsy azo ampiasaina intsony !

03/05/2019

Fitaovana madinika tsy tapaka ao an-tokantranon’ireo manana zazakely ny « coton-tige », mba hanadiovana ny sofiny na ny orony.

 Lire la suite...

Zaza manaikitra, inona no atao?

09/04/2019

Rehefa tafaraka misangisangy iny, na koa rehefa sorena ny zazakelinao dia tsikaritrao fa manaikitra izy.

 Lire la suite...

Ankizy manao raharaha…zaza hahomby rehefa lehibe

21/03/2019

Rehefa asain’i Neny manao raharaha sy manampy azy ny ankizy ao an-tokantrano ao dia kamokamo sy mihisatra indraindray.

 Lire la suite...

Fantaro ireo akora mitarika “allergie” eo amin’ny zazakely

19/02/2019

Efa betsaka ireo karazana akora fampiasa amin’ny zazakely miparitaka eo amin’ny tsena ho an’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Hampandroana zaza, hanorana sy hanamandinanana ny hoditry ny zazakely… . Misy ihany anefa ny tsara ho fantatra, mba hiarovana ny zanakao tsy ho tratran’ny tohina avy amin’ireny karazana akora ireny.

 Lire la suite...

Fantaro ireo akora mitarika “allergie” eo amin’ny zazakely

05/02/2019

Efa betsaka ireo karazana akora fampiasa amin’ny zazakely miparitaka eo amin’ny tsena ho an’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Hampandroana zaza, hanorana sy hanamandinanana ny hoditry ny zazakely… . Misy ihany anefa ny tsara ho fantatra, mba hiarovana ny zanakao tsy ho tratran’ny tohina avy amin’ireny karazana akora ireny.

 Lire la suite...

Maman

Reny tokan-tena : Ahoana no handrindrana ny fiainana ?

28/08/2018

Ny ray sy reny no mifameno miara-mitaiza ny zanaka, raha ny tokony ho izy. Noho ny antony maro samihafa anefa, dia mety voatery hitaiza irery ny ankizy ny reny. Ahoana ary no handaminana ny fiainana andavanandro sy hamitana an’izay adidy izay raha toa ka tokan-tena ilay reny ?


 

Tsy miseho ho mafy  be

Rehefa mandamina ny fandaharam-potoana dia tiana ampidirina ao anatin’ny andro iray daholo ny zavatra rehetra azo atao. Ekeo anefa fa tsy ho vita izany. Tsy ho voaenjikao avokoa ny asa, ny adidy rehetra, ny raharaha ao an-trano sy ny ankizy, fa tsy maintsy misy mandefitra ary ahemotra ho amin’ny ampitso.

 

Ny laharam-pahamehana ihany aloha

Alaharo araky ny maha-maika azy ny zavatra rehetra. Raiso an-tsoratra ny hariva , izay tena tsy azo iodivirana, momba ny asa sy ny ankizy, tokony hatao ny ampitso. Rehefa voarindra ireo dia ampidiro tsikelikely amin’izay ny ambiny rehetra

 

Amin’ny alina no manao raharaha

Ny tena tsara dia entina ny hariva ny laoka ho amin’ny ampitso maraina sy ny ampitso atoandro. Raha azo atao dia ketrehina iny alina iny ihany koa, mba tsy ho voatery hifoha maraina be loatra ny ampitso. Raha azonao atao dia mangalà olona hanao ny sasa-lamba sady mipasoka izany, mba ahafahanao mifantoka amin’ny fanaraha-maso ny fianaran’ny ankizy.

 

Mizara andraikitra

Tsy ny reny irery no tomponandraikitra amin’ny fanabeazana sy ny fitaizana ny ankizy. Raha mbola velon’aina soa aman-tsara ny ray, dia ifandrimbonana foana izany, na tsy miara-miaina intsony aza. Raha tsy azo ianteherana intsony kosa ny raim-pianakaviana, dia mba ihantana ny raibe, na renibe, ohatra, indrindra raha tena mbola kely ny ankizy. Ianao ihany no mamaritra izay andraikitra azon’ireo manodidina anao sahanina. Rehefa lehibebe ny ankizy dia azo ampanaovina raharaha, izay sahaza azy ireo. Sady fizarana ny asa ao an-trano izany no fampandraisana andraikitra azy ireo ihany koa.

 

Maman’i Pouni

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo