Jejoo

Dans la même rubrique

Teny mamy ho an’i Neny

22/05/2019

Ankalazaina amin’ny alahady ho avy izao ny fetin’ny reny, izay andro hahatsiarovana manokana ireo nahitana masoandro. Ireto avy àry ireo teny mamy sy firarian-tsoa ho an’i Neny amin’io fetiny io, avy amin’ireo ankizikely sendra ny gazety Jejoo …

 Lire la suite...

Manazatra ny zaza hampiasa « pot » …

09/05/2019

Dingana sarotra lalovana ny mamolaka ny zaza hanao maloto amin’ny « pot » kely sahaza azy, ho an’ny ray aman-dreny sasantsany. Inona àry no hatao raha sahirana amin’izay dingana izay, ary inona ny teknika arahina mba hampiravona ny olana ?

 Lire la suite...

Coton-tige : Tsy azo ampiasaina intsony !

03/05/2019

Fitaovana madinika tsy tapaka ao an-tokantranon’ireo manana zazakely ny « coton-tige », mba hanadiovana ny sofiny na ny orony.

 Lire la suite...

Zaza manaikitra, inona no atao?

09/04/2019

Rehefa tafaraka misangisangy iny, na koa rehefa sorena ny zazakelinao dia tsikaritrao fa manaikitra izy.

 Lire la suite...

Ankizy manao raharaha…zaza hahomby rehefa lehibe

21/03/2019

Rehefa asain’i Neny manao raharaha sy manampy azy ny ankizy ao an-tokantrano ao dia kamokamo sy mihisatra indraindray.

 Lire la suite...

Fantaro ireo akora mitarika “allergie” eo amin’ny zazakely

19/02/2019

Efa betsaka ireo karazana akora fampiasa amin’ny zazakely miparitaka eo amin’ny tsena ho an’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Hampandroana zaza, hanorana sy hanamandinanana ny hoditry ny zazakely… . Misy ihany anefa ny tsara ho fantatra, mba hiarovana ny zanakao tsy ho tratran’ny tohina avy amin’ireny karazana akora ireny.

 Lire la suite...

Fantaro ireo akora mitarika “allergie” eo amin’ny zazakely

05/02/2019

Efa betsaka ireo karazana akora fampiasa amin’ny zazakely miparitaka eo amin’ny tsena ho an’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Hampandroana zaza, hanorana sy hanamandinanana ny hoditry ny zazakely… . Misy ihany anefa ny tsara ho fantatra, mba hiarovana ny zanakao tsy ho tratran’ny tohina avy amin’ireny karazana akora ireny.

 Lire la suite...

Maman

Ireo fomba hanosehana ny fihetsehan-jaza

25/08/2018

Rehefa manakaiky ny daty vinavinaina hahaterahan’ny vehivavy mitondra vohoka, dia efa mihainohaino sy miandry ny fihetsehan-jaza izy. Raha toa aza ka dify izany daty izany dia tsy maintsy manatona mpitsabo. Ho an’ireo vehivavy fahiny, miandry ny andro hahaterahana dia ireto no fomba ataony hanafainganana ny fahatongavan’ny zaza, raha sendra tara izany…


 

Manao fanatanjahantena

Tsy ilay mamizana be akory no atao, fa dia an-tongotra lavidavitra, lomano, “yoga” na “pilates” no ampiasain’izy ireo hanafainganana ny fihetsehan-jaza. Ny tena idealy indrindra aza, araka ny nambaran’izy ireo, dia ny miray ara-nofo.

Mandady

Ny tanana, ny lohalika na ny tongotra no mipetaka amin’ny tany eto. Io fipetraka io, araka ny fanazavan’ireo vehivavy fahiny, dia manosika ny zaza hisava lalana. Azo averimberina im-betsaka, araka izay hitiavana azy.

Mitingitingina

Sady mandeha no mitingitingina. Tsara kokoa raha misy olona mitazona eo am-panaovana an’ity fihetsika ity sao mianjera.

“Balle caoutchouc”

Manamafy ny hozatry ny lamosina, ny fitombenana ny “balle en caoutchouc”. Manampy ny zazakely amin’ny fikarohana ny lalana hivoahana ihany koa izany. Mipetraka eo ambonin’ilay “balle” dia  efa mety. Na koa iankinanana ilay “balle” ka ny tongotra ihany no mitazona mipetaka amin’ny tany.

Otra

Tsy maintsy olona manam-pahaizana amin’izany anefa no manao ny otra. Saropady be mihitsy mantsy  ny vatan’ny vehivavy bevohoka sy ilay zaza ao an-kibony.

“Reflexologie”

·         Potserina mafy ny faritra iray eo alohan’ny vody tongotra. Tsy atao marary. Fantatra fa manalefaka ny fanaintainana re rehefa miteraka ihany koa io faritra io ankoatra azy manosika ny fihetsehan-jaza

·         Potserina ny afovoan’ny ankihiben’ny tanana 2 ary tazonina mandritra ny minitra vitsy.

·         Potserina ny faladia, anelanelan’ny ankihiben-tongotra sy ny fanondron-tongotra. Somary malefaka io faritra io rehefa tsapaina.

Nelly-Bri

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo