Jejoo

Dans la même rubrique

Bobongolo, mando lava… toy izao ny fanalana azy !

10/12/2018

Ratsy ho an’ny fahasalamana ny bobongolo. Miteraka karazana aretina sy fikorontanana amin’ny vatana izany. Mba hisorohana izany dia tsara raha sokafana hatrany ny varavarana sy varavarankely mba hidiran’ny rivotra sy ny masoandro. Raha efa misy bobongolo kosa anefa ao an-tranonao dia ireto misy fomba hanadiovana azy.

 Lire la suite...

Ambonin’akanjo maivana, nozairina tao an-trano

13/11/2018

Mafana ny andro izao. Andeha hanjaitra ambonin’akanjo maivamaivana mba tsy handaniam-bola be amin’ny fividianana izany.

 Lire la suite...

Volomaso misoritra tsara, “crayon” ihany no hanaovana azy…

23/10/2018

Manome endrika ny maso ny volomaso ambony rehefa tsara soritra. Tsotra kely ny fanamboarana izany soritra izany, na dia tsy manana ireo fitaovana rehetra aza fa “crayon cil” fotsiny no ampiasaina.

 Lire la suite...

Manaingo maso ho « œil charbonneux »

27/07/2018

Tena lamaody ny « smoky eyes » amin’izao fotoana, izany hoe : manjamaso miloko matroka. Tafiditra ao anatin’izany ny loko mainty, volon-davenona, maitso matroka, sns.

 Lire la suite...

Tennis « personnalisé », ianao irery no manana azy

05/06/2018

Lamaody be ny tennis kely tsotra amin’izao. Ankoatra ny maha-maivamaivana azy mantsy dia mety anaovana amin’ny akanjo rehetra izy itony, na zipo, na akanjo tohitena na pataloha ary mety amin’ny karazan-taona rehetra ihany koa.

 Lire la suite...

Vao maraina dia miiratra ny endrika…izao atao

16/03/2018

Noho ny havizanana, ny rarin-tsaina sns dia mety ho maloka ny hodi-tava, amin’ny maraina vao mifoha iny. Izany indrindra no tsara hanatanterahana an’ireto torohevitra 5 ireto, fa hanazavana ny endrika izany.

 Lire la suite...

Efa adinonao tanteraka ve ny olon-tianao taloha ?

15/03/2018

Efa nisaraka ianareo, efa vita hatreo ny fiarahana, nefa indraindray, toa mbola mahatsiaro azy ihany ianao, mbola malahelo azy mihitsy aza, na koa tsy fantatrao mazava ny fihetseham-ponao momba an’ilay olon-tianao taloha. Ataovy ity fitsapana ity dia ho fantatrao mazava izany. Isao izay betsaka indrindra azonao, na A, na B, na D, na E. Omena anao amin’ny alakamisy izao ny valiny.

 Lire la suite...

Trucs et astuces

Mamadika T-shirt ho akanjo tohitena

21/08/2018

Raha mila akanjo tohitena, nefa tsy nahatondra izany any am-panaovana vakansy any, dia aza mikoropaka ! Ny T-shirt anananao dia azo avadika ho akanjo tohitena fohy, tsy misy tanany, na irony antsoina hoe : “robe bustier” irony.

 

 

 

1.      T-Shirt iray monja no ilaina fa tokony ho lehibe noho ny akanjo fanaonao ny habeny.

2.      Ampidirina ilay T-shirt fa ampidinina hatreo amin’ny tratra ny vozony.

3.      Aforitra mankeo amin’ny tratra havia ny tanan’ilay T.shirt havanana ary mifamadika amin’izay kosa ny tanany havanana.

4.      Ireo ihany no dingana arahina dia mahazo akanjo tohitena, toa ilay sary fahasivy.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo