Jejoo

Dans la même rubrique

Teny mamy ho an’i Neny

22/05/2019

Ankalazaina amin’ny alahady ho avy izao ny fetin’ny reny, izay andro hahatsiarovana manokana ireo nahitana masoandro. Ireto avy àry ireo teny mamy sy firarian-tsoa ho an’i Neny amin’io fetiny io, avy amin’ireo ankizikely sendra ny gazety Jejoo …

 Lire la suite...

Manazatra ny zaza hampiasa « pot » …

09/05/2019

Dingana sarotra lalovana ny mamolaka ny zaza hanao maloto amin’ny « pot » kely sahaza azy, ho an’ny ray aman-dreny sasantsany. Inona àry no hatao raha sahirana amin’izay dingana izay, ary inona ny teknika arahina mba hampiravona ny olana ?

 Lire la suite...

Coton-tige : Tsy azo ampiasaina intsony !

03/05/2019

Fitaovana madinika tsy tapaka ao an-tokantranon’ireo manana zazakely ny « coton-tige », mba hanadiovana ny sofiny na ny orony.

 Lire la suite...

Zaza manaikitra, inona no atao?

09/04/2019

Rehefa tafaraka misangisangy iny, na koa rehefa sorena ny zazakelinao dia tsikaritrao fa manaikitra izy.

 Lire la suite...

Ankizy manao raharaha…zaza hahomby rehefa lehibe

21/03/2019

Rehefa asain’i Neny manao raharaha sy manampy azy ny ankizy ao an-tokantrano ao dia kamokamo sy mihisatra indraindray.

 Lire la suite...

Fantaro ireo akora mitarika “allergie” eo amin’ny zazakely

19/02/2019

Efa betsaka ireo karazana akora fampiasa amin’ny zazakely miparitaka eo amin’ny tsena ho an’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Hampandroana zaza, hanorana sy hanamandinanana ny hoditry ny zazakely… . Misy ihany anefa ny tsara ho fantatra, mba hiarovana ny zanakao tsy ho tratran’ny tohina avy amin’ireny karazana akora ireny.

 Lire la suite...

Fantaro ireo akora mitarika “allergie” eo amin’ny zazakely

05/02/2019

Efa betsaka ireo karazana akora fampiasa amin’ny zazakely miparitaka eo amin’ny tsena ho an’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Hampandroana zaza, hanorana sy hanamandinanana ny hoditry ny zazakely… . Misy ihany anefa ny tsara ho fantatra, mba hiarovana ny zanakao tsy ho tratran’ny tohina avy amin’ireny karazana akora ireny.

 Lire la suite...

Maman

“Sirop” natoraly ho an’ireo zaza mikoha-dava

07/08/2018

Manelingelina ny ankizikely sady tsy mampahazo aina azy ireo ny kohaka. Raha maina ny kohaka dia mila hamaky tratra sady manelingelina be mihitsy. Raha masaka indray anefa ilay izy dia mandrirotra sy manentsina ireo taova.


 Ireto karazana “sirop” natoraly ireto dia hanampy an’ireo Neny manana zanaka taizan-kohaka rehefa mangatsiaka toy izao ny andro. Ny zaza maherin’ny herintaona ihany no azo omena azy ireto.

Sirop amin’ny tongolo, ho an’ny kohaka

Tena miasa be amin’ny fanasitranana ny olana eo amin’ny taovam-pisefoana sy ny lalan-drivotra ny tongolobe. Voasana sady tetehina boribory manify ny tongolobe miisa 6. Atao ao anaty vilia jobokely dia mamiana amin’ny tantely in’efatry ny sotro fihinanana. Afangaro tsara dia atao amin’ny evo-drano mahamay tsara (bain marie). Saronana ary avela hahazo hafanana eo, mandritra ny ora roa. Tantavano avy eo ary iny ranony iny no omena ny zaza mikohaka. 1 sotro fihinanana isaky ny adin’ny roa na adin’ny telo no omena azy. Azo tahirizina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 24 ora.

Voasarimakirana + tantely + sakamalaho, ho an’ny tenda

Raha somary mangidihidy ny tenda, misy lelo mipotsaka kely foana ny orona, vizambizana… dia ity fangaro ity andramana : 

Akora ilaina :

  • Voasarimakirana 1
  • Tantely 4 sf
  • Sakamalaho 1
  • Dité maitso.

 

Fikarakarana

Silahana boribory manify aloha ny voasarimakirana. Atokana ao anaty “bocal” kely avy eo. Silahana manify madinika ihany koa ny sakamalaho dia akambana amin’ireo voasarimakirana. Arotsaka ao avy eo ny tantely 4 sf. Somary afangaro kely izy rehetra dia saronana amin’izay ilay “bocal” mba hihidy tsara. Apetraka ao anaty vata fampangatsiahana avy eo ary avela ao mandritra ny 24 ora. Fangaro somary madinty sy miraikidraikitra no azonao eo.

 

Fampiasana azy

Maka 1 sotro fihinanana amin’ilay fangaro dia atao ao anaty kaopy efa misy vovoka dite maitso kely. Tapohana rano avy nangotraka avy eo izany dia aroina tsara ary sotroina iny rano 1 kaopy iny. Raha vao mangidihidy ny tenda, manomboka misy lelo kely ny zaza, mareforefo sy tsy mahazaka andro mangatsiaka sy mivadibadika, dia azo omena an’ity fangaro ity avy hatrany. Mety ho an’ny olon-dehibe koa izy ity fa tsy mety ho an’ny zaza latsaky ny 1 taona.

 

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo