Jejoo

Dans la même rubrique

Avy niteraka : Ny atao mba hahafisaka ny kibo …

03/10/2018

Fikambanan’ny tavy, fihoaran’ny hoditra, ary hozatra niitatra nandritra ny vohoka, no mampibontsina ny kibon’ny vehivavy avy niteraka. Mahatonga ny endrik’ilay kibo ho toy ireny mbola mitondra zaza ireny foana izany, raha tazanina.

 Lire la suite...

Reny tokan-tena : Ahoana no handrindrana ny fiainana ?

28/08/2018

Ny ray sy reny no mifameno miara-mitaiza ny zanaka, raha ny tokony ho izy. Noho ny antony maro samihafa anefa, dia mety voatery hitaiza irery ny ankizy ny reny. Ahoana ary no handaminana ny fiainana andavanandro sy hamitana an’izay adidy izay raha toa ka tokan-tena ilay reny ?

 Lire la suite...

Ireo fomba hanosehana ny fihetsehan-jaza

25/08/2018

Rehefa manakaiky ny daty vinavinaina hahaterahan’ny vehivavy mitondra vohoka, dia efa mihainohaino sy miandry ny fihetsehan-jaza izy. Raha toa aza ka dify izany daty izany dia tsy maintsy manatona mpitsabo. Ho an’ireo vehivavy fahiny, miandry ny andro hahaterahana dia ireto no fomba ataony hanafainganana ny fahatongavan’ny zaza, raha sendra tara izany…

 Lire la suite...

Hitondra zazakely any an-dranomasina : aza adino ireto kojakoja ireto …

24/08/2018

Rehefa vanim-potoan’ny fialan-tsasatra toy izao dia misafidy ny ho any an-dranomasina ny ankamaroan’ny olona. Anisan’ny tena entina makarivotra any ny ankizy madinika.

 Lire la suite...

Renymampinono, fantaroireto

14/08/2018

Mandritranyenim-bolanaaoaorian’nyfahaterahana no tsymaintsyomenanonon-drenytsymisyfangaronynyzazamenavava.

 Lire la suite...

“Sirop” natoraly ho an’ireo zaza mikoha-dava

07/08/2018

Manelingelina ny ankizikely sady tsy mampahazo aina azy ireo ny kohaka. Raha maina ny kohaka dia mila hamaky tratra sady manelingelina be mihitsy. Raha masaka indray anefa ilay izy dia mandrirotra sy manentsina ireo taova.

 Lire la suite...

Ireo tombontsoa sy voka-dratsin’ny « tétine »

24/07/2018

Mampitony ny zazakely ary mampandry saina azy, ireny “tétine” fanao eo am-bavany ireny, rehefa tena zatra izy. Ao Frantsa manokana dia ny 70%-n’ny zaza no miondana “tétine”. Tahaka ny zavatra rehetra anefa dia misy voka-dratsiny koa izy ireny. Mialohan’ny hanomezana azy ho an’ny zazakely, noho izany, dia mila mamantatra ny tombontsoa sy ny voka-dratsy azo avy amin’ny “tétine” ny ray aman-dreny.

 Lire la suite...

Maman

Mila fahaizana ny manasa akanjon-jazakely

31/07/2018

Tsy mitovy amin’ny fanadiovana lamba lehibe ny fanalana ny loto amin’ny akanjon-jazakely, na tasy avy amin’ny ronono izany, na avy amin’ny sakafo voapotsitra, na ivy…


 Mila fitandremana sy fahaizana manokana ny fanaovana azy, ho an’ny fahasalaman’ilay zaza vao teraka sy ho fikajiana an’ilay fitafiana mba hateza ihany koa. Raha mbola azo atao dia aleo ny tena ihany no manasa ny akanjon-jazakely.

Tsy mampiasa akora mahery

Sasana amin’ny tanana fa tsy ampidirina amin’ny masinina fanasan-damba ny akanjon-jazakely sy ny taty ary rano matimaty no tsara ampiasaina. Tsy avy dia tobahana amin’ny rano matimaty anefa, fa alona mialoha dia kosehina amin’ny tanana avy eo. Rehefa mifidy ny akora fanasana ilay lamba dia fadio ireo ahitana singa  “javel”. Tsy mahazo mampiasa akora mampalefaka lamba ihany koa, satria mety hanimba ny hodi-jazakely sarotiny izy ireny. Ny tena tsara dia savony tsotra, tsy misy hanitra sady tsy be asidra no ampiasaina. Tsy dia tsara koa ny vovo-tsavony.

Manala tasina ronono

Sarotra esorina sady mety hahakomavoka ny lokon’akanjon’ny zazakely ny tasina ronono. Izao no fanadiovana azy ireny : lomana amin’ny rano mangatsiaka mandritra ny 10 minitra, ary avy eo dia hosorana « savon de Marseille » sady kosehina malefaka amin’ny tanana. Avela hilona kely indray, mandritra ny ora iray, dia kobanina tsara.

Manala tasina sakafo voapotsitra amin’ny tatin’ivy

Rehefa mihinana ireny sakafo voapotsitra sy “petit-pot” maro karazana ireny ny zazakely dia misy tasy kely ny akanjony, na ny tatin’iviny. Ny fanadiovana azy : asio alikaola 90° ny vovon-dandihazo dia apetapetaho eo amin’ilay tasy. Rehefa vontovonto kely dia kobano amin’ny rano misy “javel”. Kobanina amin’ny rano mangatsiaka indray avy eo. Tandremo tsara fa izay nodiovina tamin’io akora misy “javel” io dia tsy azo atao mikasika mivantana amin’ny hodi-jazakely.

Manala tasina maloto amin’ny taty

Vontosana ranon-tsavony malefaka efa natokana ho an’ny lamban-jazakely ny lamba vita amin’ny hasy. Iny avy eo no apetapetaka amin’ireo tasina fivalanan-drano na fivalanana tsy mety afaka eo amin’ny taty, efa avy nokosehina tanana. Raha efa izay dia alona mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra ao anaty koveta kely efa nasiana rano matimaty. Raha efa izay dia kobanina.

 

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo