Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no atao raha te ho mpanao gazety?

20/05/2019

Azo lazaina ho isan’ireo asa tena mafy ny fanaovan-gazety. Ny tena hataon’ny mpanao gazety mantsy dia mikaroka sy manamarina ny zava-misy mba ho zaraina amin’ny mpanara-baovao.

 Lire la suite...

Te ho “mannequin” : Inona avy no atao?

13/05/2019

Sady asa no fialam-boly ny asan’ny mpilatro. Tombony lehibe azon’ireo tanora amin’izany ny fifaneraserana amin’ny karazan’olona samihafa.

 Lire la suite...

“Esthéticienne” : ny fahaizana misariaka sy mandray olona no tena ilaina

06/05/2019

Asa tena mahafinaritra ny fikarakarana endrika amam-bika. Amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny fikarakarana ny hoditra sy fanomezana torohevitra ho an’ireo

 Lire la suite...

“Psychologue” : asa mifotora amin’ny fahaizana mihaino ny hafa

15/04/2019

Sekoly ambony iray ihany no mbola mamoaka « psychologues » eto Madagasikara.

 Lire la suite...

Ireo fianarana arahina raha te ho “chefs cuisiniers”

08/04/2019

Sady asa no zavatra ankafizina ny asan’ny “chefs cuisiniers”. Azo lazaina ho ara mihitsy ity asa fikarakarana sakafo ity.

 Lire la suite...

Hotesse de l’air… asa nofinofisin’ny ankizivavikely

01/04/2019

Nofinofin’ny ankizivavikely rehetra izany ho lasa mpanamory ara-barotra izany. Asa mafy kanefa tena ahitana tombontsoa toy ny fitetezana toerana samihafa izany. Ny fahaizana tenim-pirenea no tena ilaina voalohany amin’izany. Toetra tokony hanana kosa ny fahaizana misariaka sy ny hamafisan-tsaina.

 Lire la suite...

Mionja, Chic by Fabiola : « Mpivarotra yaourt no niantombohako…»

18/02/2019

Raha vao miteny hoe, Chic By Fabiola dia rtoa Mionja avy hatrany no ao an-tsain’ny maro. Tsy tongatonga tamin’izany toerana izany anefa izy, raha niresadresaka taminay fa nandalo sedra maro ary niady mafy tamin’ny fiainana. Nambarany fa ny fikirizana sy risi-po tsy hanaiky ho resin’ny fiainana ary indrindra ny fitahian’Andriamanitra no isan’ireo lakile nahatafita azy. Zarainy amin’ireo mpamaky Jejoo anio izany…

 Lire la suite...

Vie pro

Rakotomena Juliette : asa fanasoavana ny fampianarana

13/07/2018

Vehivavy mpanabe sady mpitantana sekoly no vahiny entin’ny Jejoo amin’ny mpamaky amin’izao toe-draharaha mampafana ny resaka fanabeazana eto amin’ny firenena izao.

Rtoa Rakotomena Juliette, mpampianatra ny taranja frantsay an-taonany maro teny amin’ny liseam-panjakana ary mpitantana ny sekoly tsy miankina eny Antanetibe Ivato no mifampizara aminao, manodidina ny tontolon’ny fanabeazana sy ireo fitakian’ny mpanabe misy eto amintsika amin’izao fotoana izao.

Jejoo : Mme Rakotomena Juliette, mpampianatra misotro ronono

Mme Rakotomena Juliette : Efa ho 5O taona latsaka kely no nisahana ny asa maha mpampianatra rtoa Juliette Rakotomena. Mbola vao 10 taona aho dia efa nampianatra ireo ankizikely sy mpiray tanàna tamiko tamin’izany. Rehefa nisondrotra kilasy ambonimbony aho dia nampianatra ireo ankizy nila izany. Taty aoriana, raha vao nahavita ny fianarako teny amin’ny sekoly ambony aho, dia nisafidy ny hanao ny asana mpampianatra ho anton-draharaha raikitra, ka hifantoka sy hanolo-tena feno ho amin’izany. Tsy mbola nanao asa ankoatra ny mpampianatra aho. Tao anatin’izay 50 taona latsaka izay dia nampianatra teny amin’ny sekolim-panjakana maro aho, hatrany amin’ny faritra. Ho an’ny teto an-drenivohitra dia singaniko ny LMA izay tsy nijanonako ho mpampianatra fotsiny, fa nahatafiditra ahy hatrany amin’ny hetsika ara-java-kanto sy sosialy, toy ny teatra teo anivon’ny ATALMA.

Jejoo : 50 taona nampianarana ianao, ny fahitanao ny fivoaran’ny fanabeazana eto amintsika ?

 Mme Rakotomena Juliette: Tany amin’ny taona 1973 tany dia ny olana ara-pitaovana no tena nampijaly tamin’ny fampitana ny fampianarana. Tsy ampy ny fitaovana, tsy tsara ny foto-drafitrasa. Voatery ny mpampianatra no mamorona izay fitaovana ilainy sy ampiasainy, … fa ny mpianatra kosa anefa dia liam-pahaizana avokoa. Amin’izao taona 2018 izao kosa indray, sarotra ny mampita fahalalana amin’ny tanora noho ny fanatontoloana, fa eo ihany koa ny hoe, lasa kilalao ny fampitaovana. Tambazana fampitaovana ny sekoly sasany, hahazoana takalo na zavatra ambadika. Ankoatra ireo, lasa fitaovana sy tsy afa-bela amin’ny raharaha politika ny fampianarana. Adino tanteraka sady toa odian-tsy jerena ny hoe, manana zo hianatra ny ankizy, ka mila atao laharam-pamehana ny tontolon’ny fanabeazana.

Jejoo : Ny hevitrao àry manoloana an’izao fitakiana ataon’ny mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana izao ?

Mme Rakotomena Juliette: Tena ara-drariny ny fitakian’ny mpampianatra am-perinasa ankehitriny. Voahosihosy ny hasina maha-pampianatra raha ireo zo takiany ankehitriny ireo, no tsy voaefa aminy. Ambany dia ambany ireo tambiny omena ny mpampianatra ary tena mampiseho tanteraka fa sahirana ny mpampianatra. Izany fahasahiranan’ny mpampianatra izany, no mahatonga ny ankamaroan’ireo miasa eny amin’ny sekolim-panjakana misakelika fampianarana eny amin’ny sekoly tsy miankina satria tena ambany ny zo atolotry ny fanjakana.

Jejoo : Olona toy ahoana no tokony hisahana izany asa maha mpampianatra izany ?

Mme Rakotomena Juliette: Olona mahatsapa tena fa tena nateraka ho mpampianatra, mahatsiaro fa manana fahaizana tokony ho zaraina. Ireo no fepetra fototra. Ary raha hampianatra amin’izao vaninandro izao indray dia miampy hoe, olona mahay mikirakira sy mahay infôrmatika ; olona manana “document” betsaka ary tia manavao izany ; ary ny fahatelo dia olona tia manao fiofanana, mba hahafahany manatevina hatrany ny efa ananany. Ho an’ny vehivavy te hampianatra dia mbola miampy ireo fepetra ireo : manana fon-dreny, mahay mitady vahaolana, ary vonona hanohana ireo ankizy raisiny, hampianarina. Raha te hanao mpampianatra dia mila mahatsiaro hoe manana fanomezam-pahasoavana amin’io asa io;  mahazo fahafinaretana rehefa mampianatra ; mahay an’ilay asa sady tia izany.

Jejoo : Ny torohevitrao ho an’ireo mpampianatra ela nihetezana, te hanangana ny sekoliny

Mme Rakotomena Juliette:  Tsy ny hahazo vola sy hitady tombony no atao an-tsaina, fa ny hanao asa fanasoavana. Tsy azo atao ny mitrosa, mamorona ny tsy misy, fa ny eo an-tanana no ampiasaina, ary ny saina no miketrika. Raha mbola tsy manana na inona na inona, dia manàna faharetana, ary manangona ho enti-manana, boky, antontan-taratasy… . Rehefa mijoro ny sekoly, aza araraotina ny mpanabe mampianatra ao amin’ny sekolinao satria izy ireo no mampiroborobo hahazoana ny vokatra tsara. Fitiavana an’ilay asa sy fananana an’ilay sekoly no atao lehibe, na vitsy aza ireo mpianatra ao. Averiko ihany, raha tsy manana vola eo am-pelatanana dia aleo aloha manangona satria asa tsy natao hahazoana tombony ny fampianarana fa asa manome fahafinaretana. Manodidina ny 400 eo ireo mpianatra tantanako eto amin’ny sekoly Crescendo Antanetibe Ivato amin’izao. 8 taona no niorenan’ny sekoly.

Isaorana rtoa Rakotomena Juliette, mpampianatra sady talen’ny sekoly tsy miankina Crescendo, Antanetibe Ivato, de la petite section aux terminales. Fifandraisana : 032 02 582 17

Ando

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo