Jejoo

Dans la même rubrique

Tsy fihafiana ny manam-bady …

13/06/2018

Vehivavy aho no mizara ny efa niainako eto amin’ny Jejoo anio. Te hanoro hevitra an’ireo vehivavy toa ahy aho, izay mihevitra fa fihafiana ny tokantrano.

 Lire la suite...

Hanova anarana: inona avy ny taratasy ilaina? aiza no haleha?

16/04/2018

Noho ny antony samy hafa dia mety tsy ho tiana ny anarana nomen’ny ray aman-dreny. Azo atao ny manova azy ireny, rehefa manao fangatahana any amin’ny filohan’ny fitsaràna ambaratonga voalohany. Atoro anao anio ny fanaovana izany.

 Lire la suite...

Fa maninona ny vehivavy amin’izao no lasa tia mikolo ny hatsaran-tarehy ?

22/01/2018

Tao anatin’ny 20 taona teo dia nisy fivoarana be teto Madagasikara, raha ny momba ny fikoloana ny hatsaran-tarehy. Efa maro isafidianana izao ny akora fikoloana tarehy hita eny an-tsena, hatrany anatin’ireny varotra amin’ny aterineto ireny. Matoa mihamaro izy ireny dia azo heverina fa mihaliana amin’izy ireny ny vehivavy malagasy. Inona tokoa no mety ho antony ?

 Lire la suite...

MARC TATANDRAZA : Tranon-dainga, mpaka an-keriny…Mitohy ny fikarohana azy!

15/01/2018

Marobe ireo olona tohina, noho ny zavatra rehetra nataon’ilay mpitondra fivavahana antsoina hoe : Tatandraza, izay milaza ny tenany ho apôstôly.

 Lire la suite...

Mo Abudu, vehivavy nanangana televiziona azo jerena manerana an’i Afrika

10/01/2018

Vehivavy mainty hoditra isan’ny mamiratra manerana ny kaontinanta Afrikanina i Mo Abudu. Vehivavy voalohany nanangana sy mitantana televiziona matanjaka hita manerana an’i Afrika ny tenany.

 Lire la suite...

Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy Nahafa-po ny zava-bita nandritra ny 2017

29/12/2017

Taom-pahombiazana ho an’ny CNaPS ny taona 2017 raha ireo zava-bitany hampahalalana ny momba ny fiahiana ara-tsôsialy no atao jery todika. Na izany aza anefa dia tsy mijanona hatreo fa maro ireo fanatsarana kasainy atao amin’ny herintaona. Tao Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra no nampiantranoina ny fanakatonana tamim-pomba ôfisialy ny taom-piasana 2017.

 Lire la suite...

Madagascar Fashion Week Océan Indien : Manomboka anio ny fotoana, any Sainte Marie

27/12/2017

Tontosaina manomboka anio ao amin’ny hôtely Soanambo Sainte Marie, ilay hetsika ara-damaody lehibe antsoina hoe : “Madagascar Fashion Week Océan Indien”.

 Lire la suite...

Dossier

Ady amin’ny herisetra : Ankizy 1 amin’ny 4 no tsy mahatsiaro tena ho voaaro eo anivon’ny sekoly

21/06/2018

« Omena endrika izay tsy azo tantaraina » ! Lohahevitra nitondrana ny famoahana ny tatitry ny fanadihadiana momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, notontosaina ny talata lasa teo izany.

 Firenena mbola ahitana ankizy maro iharan’ny herisetra isan-karazany mantsy i Madagasikara. Mihoatra ny 10.000 eto amintsika, isan-taona, ireo ankizy iharan’ny herisetra, raisin’ny tambajotra mpiaro ny ankizy an-tanana. Anton’ity lohahevitra ity kosa ny tsy hijanonana fotsiny amin’ny antontan’isa, fa handraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy.

Fanadihadiana voalohany

Voalohany isika eto Madagasikara no manana antontan’isa mazava momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, tamin’ny alalan’ity fanadihadiana ity. Ny ministeran’ny mponina, ny fiaihiana ara-tsôsialy ary ny fampivoarana ny vehivavy no nampanao azy ity, niarahany niasa tamin’ny ivon-toerana misahana ny antontan’isa Malagasy na ny INSTAT  ary ny UNICEF. Ny Birao iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy kosa no nanatontosa ny fanadihadiana. Nivoitra tamin’izany fa efa niharan'ny herisetra avokoa ny tanora manodidina ny 9 amin’ny 10 ary teo anivon’ny fianakaviana no nitrangan’izany. Tanora 1 amin’ny 2 ihany koa no efa niharan’ny herisetra teo amin’ny faritry ny sekoly, raha ankizy 4 amin’ny 10 no voalaza fa efa niditra teo amin’ny sehatry ny asa sahady, mialohan’ny faha-18 taonany. Olona maherin’ny 2500 moa no nanontaniana, nandritra ity fandihadiana ity, nahitana tanora, mpisehatra ara-pahasalamana, mpisehatra ara-tsôsialy, mpitandro ny filaminana…

Ny zanaka tiana tsy itsitsiana rotsa-kazo ?!

Santionany ihany ireo isa voalaza ireo, fa mahavalaketraka tokoa ny mahita ireo antontan’isa nivoitra nandritra ity fanadihadiana ity. Isan’izany ny fahafantarana fa eo anivon’ny fianakaviana no tena isehoan’ny vono sy daroka,  na sazy hafa mihatra amin’ny vatana, izay heverin’ny 65% amin’ireo nanaovana fanadihadihana fa mety, ary heverin’ny 29% amin’ireo tanora fa fomba iray azo ekena mba hametrahana ny fitsipika. “Ny zanaka tiana tsy itsitsiana rotsa-kazo”, hoy ny fitenintsika Malagasy, ka izany angamba no antony iray mahatonga ny maro tsy hihevitra fa tafiditra ao anatin’ny herisetra ny sazy mihatra amin’ny vatana. Ny teny maharary, ny ompa sy ny fanabantibantiana isan-karazany mo, dia vao mainka tsy heverin’ny maro ho herisetra, nefa dia tena mandona ny sain’ny ankizy tokoa ary mateti-piseho ao anaty tokantrano, ka raisina ho herisetra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. Na izany aza anefa dia mahatsiaro tena ho voaaro ihany ny 72% amin’ireo tanora, eo anivon’ny fianakaviany.

Sazy voarara hatramin’ny taona 1996

Ahitana io endrika herisetra iray io koa eo anivon’ny sekoly, na dia voararan’ny lalàna eto amintsika aza, nanomboka tamin’ny taona 1996, ny fampiharana sazy mihatra amin’ny vatana. Raha ity fanadihadiana ity anefa dia efa tratran’ny herisetra ara-batana miendrika sazy avokoa ny 54% tamin’ireo namaly ny fanontaniana. Eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 9 taona no tena mitranga izany karazan-tsazy izany. Efa somary nihena ihany io tarehimarika io, saingy lasa nanome vahana ny herisetra ara-tsaina kosa. Rehefa tsy mahazo mikasi-tanana ny mpianatra intsony mantsy ny mpanabe, dia lasa miainga indray ny teny maharary isan-karazany. Etsy an-daniny, ny ankizy samy ankizy ihany koa dia mifanao herisetra, na ara-batana izany, na ara-tsaina, eny, hatramin’ny herisetra ara-pananahana, izay miseho amin’ny fikitihan’ny ankizilahy ny faritra saro-pady amin’ny ankizivavy, ohatra. Ny 49% amin’ny mpiasa eny anivon’ny sekoly moa dia mandray ireny karazana herisetra ireny ho toy ny kilalao eo amin’ny samy ankizy ihany. Tsy mahatsiaro tena ho voaaro kosa ny ankizy 1 amin’ny 4, eo anivon’ny sekoly.

Voararaotra ny ankizy kely miasa

Eo amin’ny sehatry ny asa indray, izay tsy tokony mbola hidiran’ny ankizy tsy ampy taona, dia mahatratra 11% ireo nilaza ho efa tratran’ny herisetra ara-batana miendrika sazy. Isan’ireo tena misedra herisetra ara-pananahana rahateo ny ankizy kely miasa, indrindra ireo miasa an-trano. Fa ny endrika herisetra tena matetika iainan’ireo ankizy tsy ampy taona, nefa miasa, dia ny herisetra ara-bola. Tsy vitsy amin’izy ireny no tsy omena karama, na mandray karama tsy feno, na ampitomboina ny asa ampanaovina azy fa tsy araka izay nifanarahana tany am-boalohany… Matetika moa dia amoronana antony isan-karazany izy ireny, mba tsy hanomezana azy ny karama tokony horaisiny, toy ny hoe : lazaina fa nangalatra… 

Tsy maintsy misy fepetra horaisina

Tsy azo lavina fa maro dia maro ny voka-dratsy aterak’ireo karazana herisetra ireo eo amin’ny ankizy. Raha ny ara-batana dia mety haratra sy hitondra takaitra ireo ankizy ireo, hanana eo amin’ny fitomboan’ny vatany, na ny fivelaran’ny sainy sy ny fihetseham-pony ihany... Misy amin’izy ireo no mety hitondra vohoka tsy fidiny, hanana olana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, haka tahaka ny herisetra niainany ary hampihatra izany amin’ny hafa, na hamono tena sy ho fatin’ny herisetra mihatra aminy... Tsy maintsy misy, noho izany ireo fepetra tokony horaisina, hampitsaharana ny herisetra mahazo ny ankizy. Tsara tsiahivina rahateo fa nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy i Madagasikara, tamin’ny taona 1989. Manana ny lalàna N° 2007-023 ihany koa isika, tamin’ny 20 aogositra 2007, izay manambara, ao amin’ny andiny faha-67, fa ny fehezan-dalàna famaizana no ampiharina amin’ireo rehetra nahavanona herisetra tamin’ny ankizy.

Ady amin’ny herisetra, atao laharam-pahamehana

Mbola mitohy ny atrikasa handinihana ny famongorana ny herisetra atao amin’ny ankizy, fa efa nisy kosa ny soso-kevitra natolotry ny Birao iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy izay nanao ny fanadihadiana. Isan’izany ny tokony hanaovan’ny governemanta Malagasy ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny herisetra, ka hanokanana teti-bola ho amin’izany. Efa misy ihany ny ezaka, satria efa nisy fiakarana ny teti-bolam-panjakana ho an’ny sehatra sôsialy, ao anatin’ny lalàna mifehy ny teti-bola 2018. Raha 1.097 miliara Ariary izany ho an’ny taona 2014 dia nanjary 1.990 miliara Ariary, tamin’ity taona ity. Isan’ny soso-kevitra natolotra ihany koa ny amin’ny tokony handraisan’ny tanora anjara feno amin’ny ady amin’ny herisetra mahazo azy ireo sy ny fanamafisana ny fanabezana omena azy, ary ny fampahafantarana bebe kokoa ny momba ireo dingana arahina raha mahita trangana herisetra…

 

Ravaka R.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo