Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no atao raha te ho mpanao gazety?

20/05/2019

Azo lazaina ho isan’ireo asa tena mafy ny fanaovan-gazety. Ny tena hataon’ny mpanao gazety mantsy dia mikaroka sy manamarina ny zava-misy mba ho zaraina amin’ny mpanara-baovao.

 Lire la suite...

Te ho “mannequin” : Inona avy no atao?

13/05/2019

Sady asa no fialam-boly ny asan’ny mpilatro. Tombony lehibe azon’ireo tanora amin’izany ny fifaneraserana amin’ny karazan’olona samihafa.

 Lire la suite...

“Esthéticienne” : ny fahaizana misariaka sy mandray olona no tena ilaina

06/05/2019

Asa tena mahafinaritra ny fikarakarana endrika amam-bika. Amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny fikarakarana ny hoditra sy fanomezana torohevitra ho an’ireo

 Lire la suite...

“Psychologue” : asa mifotora amin’ny fahaizana mihaino ny hafa

15/04/2019

Sekoly ambony iray ihany no mbola mamoaka « psychologues » eto Madagasikara.

 Lire la suite...

Ireo fianarana arahina raha te ho “chefs cuisiniers”

08/04/2019

Sady asa no zavatra ankafizina ny asan’ny “chefs cuisiniers”. Azo lazaina ho ara mihitsy ity asa fikarakarana sakafo ity.

 Lire la suite...

Hotesse de l’air… asa nofinofisin’ny ankizivavikely

01/04/2019

Nofinofin’ny ankizivavikely rehetra izany ho lasa mpanamory ara-barotra izany. Asa mafy kanefa tena ahitana tombontsoa toy ny fitetezana toerana samihafa izany. Ny fahaizana tenim-pirenea no tena ilaina voalohany amin’izany. Toetra tokony hanana kosa ny fahaizana misariaka sy ny hamafisan-tsaina.

 Lire la suite...

Mionja, Chic by Fabiola : « Mpivarotra yaourt no niantombohako…»

18/02/2019

Raha vao miteny hoe, Chic By Fabiola dia rtoa Mionja avy hatrany no ao an-tsain’ny maro. Tsy tongatonga tamin’izany toerana izany anefa izy, raha niresadresaka taminay fa nandalo sedra maro ary niady mafy tamin’ny fiainana. Nambarany fa ny fikirizana sy risi-po tsy hanaiky ho resin’ny fiainana ary indrindra ny fitahian’Andriamanitra no isan’ireo lakile nahatafita azy. Zarainy amin’ireo mpamaky Jejoo anio izany…

 Lire la suite...

Vie pro

Mbolatiana Ranaivo : Vavitokana mpilalao “voiture radiocommandée” eto Madagasikara

20/06/2018

I Mbolatiana Ranaivo, andriambavilanitra voalohany eto Madagasikara, amin’ny filalaovana an’ireny « voiture radiocommandée » na voiture RC ireny indray, no mivahiny eto amin’ny Jejoo androany.

Niresadresaka taminay mikasika ny Rallye radiocommandée ity andriambavilanitra ity ary nizara ireo mampiavaka ny RC amin’ny taranja rallye sy ny fomba nidirany tao anatin’ity tontolo ity…

 

Jejoo : Iza moa izany Mbolatiana Ranaivo izany ?

Mbolatiana Ranaivo : Mbolatiana Ranaivo dia tovovavy voalohany sy tokana mpanamory  Rallye radiocommandée (RC)  eto Madagasikara. Mpikambana ao anatin’ny Team Tia RC, izay fikambananan’ireo mpankafy ny RC eto Madagasikara, niforona tamin’ny taona 2017. Vavitokan’ny Team Tia RC sy manerana ireo klioba eto Madagasikara i Mbolatiana Ranaivo, kanefa kosa tena tia an’ity taranja ity ary milalao amin-kahalalahana izany.

 

Jejoo : Inona marina moa izany  “Voiture Radiocommandée” ?

Mbolatiana Ranaivo : Ny  RC dia avy amin’ny hoe RadioCommandée, “Voiture Radiocommandée”, izany hoe : fiarakely baikoina. Tena fiara mihitsy ilay izy, fa tsy tahaka ireny kilalao ireny. Mitovy tanteraka amin’ny fiara rehetra ny ao anatiny, fa amin’ny endriny nakelezina  fotsiny, no maha samy hafa azy. Ny fiarakely RC dia ampahafolon’ny haben’ny fiara mahazatra. Tsy familiana, araka izany no anamoriana azy, fa amin’ny alalan’ny fibaikoana avy ety ivelany. Misy karazany roa  ny RC. Misy ny  RC Thermique, izay mandeha amin’ny lasantsy, ary ny RC électrique, izay mandeha amin’ny vatoharatra. Ny Rallye RC ihany koa dia lalaovina amin’ny “piste” kely.

 

Jejoo : Ahoana no nahatonga anao ho liana sy ho tia an’ity taranja ity ?

Mbolatiana Ranaivo : Ny fiarahana tamin’ny namana tia an’ilay taranja no nahatonga ahy ho tia azy ity. Nijery “competition” dia voadona ny fo ka tafaroboka ihany koa. Izaho koa dia mpankafy spaoro mekanika ary tia hafainganam-pandeha, ka izay indrindra ny antony nitiavako azy ity dieny voalohany. Ny tombony anankiray amin’izy ity koa dia azonao entina izay fiara tianao. Ny ahy izao dia peugeot 208 T16 no entiko. Ankoatra ireo, tsy mandany vola betsaka ny RC ary tsy atahorana hampidi-doza mahafaty ihany koa.

 

Jejoo : Toy ny ahoana izany vehivavy manao RC zany?

Mbolatiana Ranaivo : Betsaka ireo gaga mahita ahy milalao an’ity fiarakely ity. Raha ny mahazatra dia tovolahy na ankizilahikely no milalao fiarakely, ary any amin’ny taranja “rallye” vao ahitana tovovavy milalao. Ny fahitako azy nefa dia taranja anankiray tsy anavahana mpilalao izy ity : ao ny tanora, ny antitra, ny lehilahy... ka nahoana koa moa raha manao ny vehivavy e? Ilay izy rahateo tena mahafinaritra. Tsy araka ny maha-kilalao azy fa rehefa mitondra RC ianao dia toy ny mitondra « rallye » ihany koa. Manala rarin-tsaina tanteraka ihany koa ny RC.

 

 

Jejoo : Aiza ho aiza isika eto Madagasikara, raha ny RC no resahina?

Mbolatiana Ranaivo : Efa mivoatra be isika  eto Madagasikara  raha  resaka RC. Mahay manamory isika, eny fa na ireo ankizy aza. Efa maharaka tsara ny any ivelany koa isika raha ny endrika fiara ary efa manana marika sy maodely maro. Ny olana kely dia isika tsy maintsy manafatra ny piesy rehetra ilaina. Tombony ho antsika Malagasy koa ny fahaizantsika mankafy rehefa milalao an’ity taranja ity, ary tsy mba mitaky zavatra be dia be rehefa hifaninana, fa rehefa sahy sy te hanandrana dia manao.

 

Jejoo :  Rahoviana ary ny fotoana ho an’ireo te hijery RC ?

Mbolatiana Ranaivo : 2 herinandro lasa teo izay no nanatanterahanay Team Tia RC ny lalao Tia RC Tour. Tsy diso anjara anefa ireo mba te hijery sy hankamamy izany satria ho avy indray ny Team gojanga amin’ny 30 jona izao, izay hatao any Mahajanga. Ho avy koa, ao aorian’izay, ny dingana fahatelo hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja RC, amin’ny 5 aogositra izao.

 

Isaorana i Mbolatiana Ranaivo nivahiny teto amin’ny Jejoo.

 

 

Ando

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo