Jejoo

Dans la même rubrique

Ady amin’ny herisetra : Ankizy 1 amin’ny 4 no tsy mahatsiaro tena ho voaaro eo anivon’ny sekoly

21/06/2018

« Omena endrika izay tsy azo tantaraina » ! Lohahevitra nitondrana ny famoahana ny tatitry ny fanadihadiana momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, notontosaina ny talata lasa teo izany.

 Lire la suite...

Hanova anarana: inona avy ny taratasy ilaina? aiza no haleha?

16/04/2018

Noho ny antony samy hafa dia mety tsy ho tiana ny anarana nomen’ny ray aman-dreny. Azo atao ny manova azy ireny, rehefa manao fangatahana any amin’ny filohan’ny fitsaràna ambaratonga voalohany. Atoro anao anio ny fanaovana izany.

 Lire la suite...

Fa maninona ny vehivavy amin’izao no lasa tia mikolo ny hatsaran-tarehy ?

22/01/2018

Tao anatin’ny 20 taona teo dia nisy fivoarana be teto Madagasikara, raha ny momba ny fikoloana ny hatsaran-tarehy. Efa maro isafidianana izao ny akora fikoloana tarehy hita eny an-tsena, hatrany anatin’ireny varotra amin’ny aterineto ireny. Matoa mihamaro izy ireny dia azo heverina fa mihaliana amin’izy ireny ny vehivavy malagasy. Inona tokoa no mety ho antony ?

 Lire la suite...

MARC TATANDRAZA : Tranon-dainga, mpaka an-keriny…Mitohy ny fikarohana azy!

15/01/2018

Marobe ireo olona tohina, noho ny zavatra rehetra nataon’ilay mpitondra fivavahana antsoina hoe : Tatandraza, izay milaza ny tenany ho apôstôly.

 Lire la suite...

Mo Abudu, vehivavy nanangana televiziona azo jerena manerana an’i Afrika

10/01/2018

Vehivavy mainty hoditra isan’ny mamiratra manerana ny kaontinanta Afrikanina i Mo Abudu. Vehivavy voalohany nanangana sy mitantana televiziona matanjaka hita manerana an’i Afrika ny tenany.

 Lire la suite...

Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy Nahafa-po ny zava-bita nandritra ny 2017

29/12/2017

Taom-pahombiazana ho an’ny CNaPS ny taona 2017 raha ireo zava-bitany hampahalalana ny momba ny fiahiana ara-tsôsialy no atao jery todika. Na izany aza anefa dia tsy mijanona hatreo fa maro ireo fanatsarana kasainy atao amin’ny herintaona. Tao Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra no nampiantranoina ny fanakatonana tamim-pomba ôfisialy ny taom-piasana 2017.

 Lire la suite...

Madagascar Fashion Week Océan Indien : Manomboka anio ny fotoana, any Sainte Marie

27/12/2017

Tontosaina manomboka anio ao amin’ny hôtely Soanambo Sainte Marie, ilay hetsika ara-damaody lehibe antsoina hoe : “Madagascar Fashion Week Océan Indien”.

 Lire la suite...

Dossier

Tsy fihafiana ny manam-bady …

13/06/2018

Vehivavy aho no mizara ny efa niainako eto amin’ny Jejoo anio. Te hanoro hevitra an’ireo vehivavy toa ahy aho, izay mihevitra fa fihafiana ny tokantrano.

16 taona taorian’ny mariazinay dia nisaraka am-pifaliana izahay mivady.  19 taona aho no nanam-bady, nasain’ny ray aman-dreniko niakatra teto an-drenivohitra hatao raharaha amin’ny tovolahy iray tanindrazana aminay avy eny Andrefandrefana eny ihany, saingy efa nihary ela teto Antananarivo. Iray volana mialohan’ny mariazy vao nihaona izahay, nifampizara fiainana fotsiny tsotra izao, nefa olona mbola tsy hitako sady tsy fantatro akory. Izahay rahateo dia olona mpankatoa ray aman-dreny, ka na izaho na izy dia samy niezaka ny hifaly tao anatin’ilay fanambadiana namboarina.

 

5 taona taorian’ny mariazy no nanomboka nikasi-tanana ahy izy. Nafeniny ahy koa ny momba ny resa-bola fa vady mpanatanteraka baiko sy mpikarakara no asako ao an-trano ary zara raha mba afaka mivoaka. Efa im-betsaka aho no nitaraina tamin’ny ray aman-dreny sy ireo rafozako ary efa nanomboka dingana ho amin’ny fisaraham-panambadiana. Ny hany valin-teny sy torohevitra azoko dia ny hoe : “ny tokantrano fihafiana” ; “ny ankizy jerena” , “ mandefera” !  Dia tena ny ankizy tokoa sisa no niraisanay. Leo tanteraka aho, ary izy koa dia hitako fa mihafihafy sy voatery mandeha ivelan’ny tokantrano. Raha iny izahay avy nivavaka iny kosa dia hoy aho mantsy azy : nivavaka isika androany, navelako avokoa ny helokao ary mandehana amin’ny fahalalahana. “Fa ahoana ? ” hoy izy. Namaly aho : “Na izaho na ianao dia samy tsy sambatra ao anatin’ity tokantranontsika ity. Andao hojerentsika mivantana ny fiainana fa tsy hiolanolana sy ho sarontsaronana foana intsony”. Nangina izy, tsy niteny. Tsy nikasi-tanana ahy intsony koa.

 

Telo volana tao aorian’izay izy no nilaza tamiko fa hanorim-piainana vaovao, hanararaotra ny andro sisa izahay, miaraka amin’izay olona tena tia anay. Samy nisampana ny lalanay. Ny ankizy koa aza dia tsapanay fa mivelatra sy mahazo aina kokoa, raha mitaha amin’ilay mahita anay miady lava, ka manjary miferinaina sy tratran’ny rarintsaina. …

Dia hoy aho amintsika vehivavy mikasa ny hanambady  : ny hoe manambady dia tsy famalifaliana na fisaorana ny ray aman-dreny nanabe, tsy satria efa mandroso taona aho, tsy hoe : lasa alohako ny zandriko, tsy hoe : efa nanambady avokoa ny olon-tiako teo aloha. Fandrika be koa ny hoe : noho ny antony arak’asa no tsy maintsy hanambadiana haingana be. Tsy hoe : mahatsiaro irery koa dia ny fanambadiana no vahaolana. Antony iray ihany no tokony hanambadiana, dia ny fananana hetaheta hiaraka sy hizaka olona iray, noho ny fitiavana azy. Rehefa mandeha ny taona dia mety hihalefy ny fitiavana, fa ny firaisan-tsaina kosa dia mamelona ny fitiavana mandrakariva.

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo