Jejoo

Dans la même rubrique

Bobongolo, mando lava… toy izao ny fanalana azy !

10/12/2018

Ratsy ho an’ny fahasalamana ny bobongolo. Miteraka karazana aretina sy fikorontanana amin’ny vatana izany. Mba hisorohana izany dia tsara raha sokafana hatrany ny varavarana sy varavarankely mba hidiran’ny rivotra sy ny masoandro. Raha efa misy bobongolo kosa anefa ao an-tranonao dia ireto misy fomba hanadiovana azy.

 Lire la suite...

Ambonin’akanjo maivana, nozairina tao an-trano

13/11/2018

Mafana ny andro izao. Andeha hanjaitra ambonin’akanjo maivamaivana mba tsy handaniam-bola be amin’ny fividianana izany.

 Lire la suite...

Volomaso misoritra tsara, “crayon” ihany no hanaovana azy…

23/10/2018

Manome endrika ny maso ny volomaso ambony rehefa tsara soritra. Tsotra kely ny fanamboarana izany soritra izany, na dia tsy manana ireo fitaovana rehetra aza fa “crayon cil” fotsiny no ampiasaina.

 Lire la suite...

Mamadika T-shirt ho akanjo tohitena

21/08/2018

Raha mila akanjo tohitena, nefa tsy nahatondra izany any am-panaovana vakansy any, dia aza mikoropaka ! Ny T-shirt anananao dia azo avadika ho akanjo tohitena fohy, tsy misy tanany, na irony antsoina hoe : “robe bustier” irony.

 Lire la suite...

Manaingo maso ho « œil charbonneux »

27/07/2018

Tena lamaody ny « smoky eyes » amin’izao fotoana, izany hoe : manjamaso miloko matroka. Tafiditra ao anatin’izany ny loko mainty, volon-davenona, maitso matroka, sns.

 Lire la suite...

Tennis « personnalisé », ianao irery no manana azy

05/06/2018

Lamaody be ny tennis kely tsotra amin’izao. Ankoatra ny maha-maivamaivana azy mantsy dia mety anaovana amin’ny akanjo rehetra izy itony, na zipo, na akanjo tohitena na pataloha ary mety amin’ny karazan-taona rehetra ihany koa.

 Lire la suite...

Vao maraina dia miiratra ny endrika…izao atao

16/03/2018

Noho ny havizanana, ny rarin-tsaina sns dia mety ho maloka ny hodi-tava, amin’ny maraina vao mifoha iny. Izany indrindra no tsara hanatanterahana an’ireto torohevitra 5 ireto, fa hanazavana ny endrika izany.

 Lire la suite...

Trucs et astuces

Manalava volo haingana, amin’ny tongolo

24/05/2018

Misy akora natoraly afaka manalava ny volo ao anatin’ny fotoana fohy. Anisan’ny tena mahomby amin’izany ny fampiasana tongolo. Araho ange fa tena tsotra ny fanaovana azy e !

 


 

Akora ilaina

-          Ranona tongolo : 1 sf

-          Vovon-dandihazo  kely

 

Fanaovana azy

Vontonsana ranona tongolo ny vovon-dandihazo. Raha efa izay dia petapetahana amin’io vovon-dandihazo io ny hodi-doha manontolo ho vonto tsara. Orina mandritra ny minitra vitsy avy eo ilay hodi-doha. Avela hilona 15 mn izay vao kobanina. Atao isaky ny avy manasa loha, amin’ilay volo mbola mando iny.

 

 Ny antony mampandaitra ity paipaika ity ?

Mandrisika ny fitsirian’ny volo, mampahazo aina nefa manatsara koa ny fikorianan’ny rà ny tongolo. Manaraka izay dia mamaha ireo karazan’aretina na olana hita amin’ny hodi-doha ihany koa izy, toy ny anga-drano, fa indrindra, mampitombo ny anzima amin’ny volo, izay  tompon’antoka amin’ny fitsirian’ny volo. Mahatanora lalandava ny hodi-doha koa ny tongolo ary misoroka ny volo tsy hanify sy tsy ho tapatapaka. Ny singana “souffre” entiny no tena mampitsiry ny volo sola sy mampalava azy haingana.

 

Tian’Onja

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo