Jejoo

Dans la même rubrique

Ady amin’ny herisetra : Ankizy 1 amin’ny 4 no tsy mahatsiaro tena ho voaaro eo anivon’ny sekoly

21/06/2018

« Omena endrika izay tsy azo tantaraina » ! Lohahevitra nitondrana ny famoahana ny tatitry ny fanadihadiana momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, notontosaina ny talata lasa teo izany.

 Lire la suite...

Tsy fihafiana ny manam-bady …

13/06/2018

Vehivavy aho no mizara ny efa niainako eto amin’ny Jejoo anio. Te hanoro hevitra an’ireo vehivavy toa ahy aho, izay mihevitra fa fihafiana ny tokantrano.

 Lire la suite...

Fa maninona ny vehivavy amin’izao no lasa tia mikolo ny hatsaran-tarehy ?

22/01/2018

Tao anatin’ny 20 taona teo dia nisy fivoarana be teto Madagasikara, raha ny momba ny fikoloana ny hatsaran-tarehy. Efa maro isafidianana izao ny akora fikoloana tarehy hita eny an-tsena, hatrany anatin’ireny varotra amin’ny aterineto ireny. Matoa mihamaro izy ireny dia azo heverina fa mihaliana amin’izy ireny ny vehivavy malagasy. Inona tokoa no mety ho antony ?

 Lire la suite...

MARC TATANDRAZA : Tranon-dainga, mpaka an-keriny…Mitohy ny fikarohana azy!

15/01/2018

Marobe ireo olona tohina, noho ny zavatra rehetra nataon’ilay mpitondra fivavahana antsoina hoe : Tatandraza, izay milaza ny tenany ho apôstôly.

 Lire la suite...

Mo Abudu, vehivavy nanangana televiziona azo jerena manerana an’i Afrika

10/01/2018

Vehivavy mainty hoditra isan’ny mamiratra manerana ny kaontinanta Afrikanina i Mo Abudu. Vehivavy voalohany nanangana sy mitantana televiziona matanjaka hita manerana an’i Afrika ny tenany.

 Lire la suite...

Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy Nahafa-po ny zava-bita nandritra ny 2017

29/12/2017

Taom-pahombiazana ho an’ny CNaPS ny taona 2017 raha ireo zava-bitany hampahalalana ny momba ny fiahiana ara-tsôsialy no atao jery todika. Na izany aza anefa dia tsy mijanona hatreo fa maro ireo fanatsarana kasainy atao amin’ny herintaona. Tao Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra no nampiantranoina ny fanakatonana tamim-pomba ôfisialy ny taom-piasana 2017.

 Lire la suite...

Madagascar Fashion Week Océan Indien : Manomboka anio ny fotoana, any Sainte Marie

27/12/2017

Tontosaina manomboka anio ao amin’ny hôtely Soanambo Sainte Marie, ilay hetsika ara-damaody lehibe antsoina hoe : “Madagascar Fashion Week Océan Indien”.

 Lire la suite...

Dossier

Hanova anarana: inona avy ny taratasy ilaina? aiza no haleha?

16/04/2018

Noho ny antony samy hafa dia mety tsy ho tiana ny anarana nomen’ny ray aman-dreny. Azo atao ny manova azy ireny, rehefa manao fangatahana any amin’ny filohan’ny fitsaràna ambaratonga voalohany. Atoro anao anio ny fanaovana izany.

Iza avy no azo mangataka izany?

-          Ny tompon’anarana efa feno taona sy manana karapanondro

-          Ny ray aman-drenin’ilay tompon’anarana tiana ovaina

Inona avy ireo zavatra ilaina?

-          Dika mitovy amin’ny fangatahana fanovàna anarana, mipetaka eny amin’ny fitsaràna.

-          Vavolombelona 5 miaraka amin’ny karapanondro sy fanamarinam-ponenan’ny tsirairay.

-          Ho an’ilay olona hovaina anarana : Kopia naterahana, Casier judiciaire (raha mihoatra ny 13 taona).

Nangonin’i Tian’Onja

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo