Jejoo

Dans la męme rubrique

Vovon-kafe dorana, mampadositra moka…

25/03/2019

Tsy zakan’ny moka ny fofon’ny vovon-kafe dorana. Mialoha ny hanidiana trano dia dory ny vovon-kafe ary avelao hiparitaka manerana ny trano ilay fofona. Voajanahary ity ody moka ity ka tsy misy hatahorana ho an’ny fahasalamana mihitsy mihoatra amin’ireo akora vidiana vita.

 Lire la suite...

Verana solomaso kiaka… andramo ity

22/03/2019

Samy manadio ny vinaingitra sy ny “liquide vaisselle” ka manala ny karazana loto sy tasy rehetra amin’ny verana solomaso. Mamerina toy ny vaovao mihitsy aza ireto akora ireto ka mandaitra raha ampiasaina amin’ny verana solomaso kiaka.

 Lire la suite...

Lamba sarotra pasohana… mampiasŕ vovon-katsaka

21/03/2019

Misy ny karazana lamba izay tena sarotra pasohana. Mba hanamora izany ka hampitsotra haingana ny lamba dia azo ampiasaina ny vovon-katsaka. Araho ary ireto dingana ireto.

 Lire la suite...

Marary kibo sy mivalana… andramo ny ranom-bary

18/03/2019

Rehefa tratry ny areti-kibo sy ny fivalanana dia tena ilain’ny vatana ny rano. Ny ranom-bary dia isan’ny tena mandaitra amin’izany satria ankoatra ny maha rano azy dia mitondra ireo karazan’otrik’aina ilain’ny vatana ihany koa izy ity.

 Lire la suite...

Manasitrana kohaka ny sôkôla…

14/03/2019

Ahitana singa antsoina hoe : “théobromine”, izay manasitrana ny kohaka ao anatin’ny sôkôla. Ankoatra izay anefa dia manamandina ny tenda ihany koa ity zava-mamy iray ity ka mampitony ny kohaka. Raha sendra mikohaka ary ianao dia araho ireto.

 Lire la suite...

Mitsabo hodi-potsy ny karaoty

13/03/2019

Ny hodi-potsy dia afaka sitranina amin’ny akora natoraly. Tsy dia faheno loatra kanefa dia tena mandaitra amin’izany ny karaoty. Andramo ary ity fikarakarana ity.

 Lire la suite...

Ny atao mba tsy hiraikitra amin’ny lapoaly ny trondro…

11/03/2019

Rehefa tsy hay ny manendy trondro dia miraikitra amin’ny lapoaly ka potipotika tanteraka izy ireny.

 Lire la suite...

Astuces

Tamotamo + diloilo kôkô : mahafotsy botsiaka ny nify

16/03/2018

Isan’ny miteraka fifaliana ny mahita tsiky mamiratra, ravahan’ny nify fotsy botsiaka. Noho ny antony maro samihafa anefa dia misy ihany no manana nify tsy toy izay, fa na izany somary mavomavo na matro-doko. Mba hananana nify fotsy mangatsakatsaka ary dia ampiasao ny tamotamo hanadiovana azy !

Akora ilaina

-          Vovoka tamotamo : 1sk

-          Diloilo kôkô tsy mifangaro 1sf

Fikarakarana azy

Afangaro ny diloilo kôkô sy ny tamotamo, tsy mijanona raha tsy mahazo paty malama tsara. Angalana kely ny paty azo teo atao amin’ny borosinify ary ikosehana ny nify mandritra ny 2 mn. Atao intelo isan’andro.

 Voka-tsoa azo

Betsaka mpanala arafesina (antioxidant) miady amin’ny mikraoba sy bakteria, manala fanaintainana ary indrindra mahasalama ny ati-vava ny tamotamo. Araka izany dia miady amin’ny olimanara sy ny fivontosan’ny hihy ary ny fanaintainan’ny nify izy. Mamotsy sy manamafy ny nify ihany koa izy.  Ny diloilo kôkô koa kosa dia manamafy io ady amin’ny bakteria io ary manala ireo tainify manamavo sy manamatroka ny nify.

Tian’Onja

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo