Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo legioma sy voankazo 3 ampiarahana, mamotika tavy!

10/12/2018

Raha tsy manan-kevitra ianao ny amin’ireo voankazo sy legioma tsara ampiarahina hanaovana “smoothie” dia atoronay anao ireto karazany roa ireto, izay mora mampihena tokoa noho ireo tombontsoa azo avy amin’ireo akora mandrafitra azy.

 Lire la suite...

Ireo sakafo mampihena

03/12/2018

Fantatrao ve fa misy ny sakafo tsara ampiarahina mba hahatonga azy ireo handoro kaloria sy hampihena haingana kokoa ? Ireto ny santionany amin’izany, ka tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Mihena 60 kilao noho ny fampiasana ny tambajotram-pifandraisana

26/11/2018

Misy akony amin’ny fiainan’ny mpampiasa azy, ny tambajotram-pifandraisana. Tsy voatery ho ratsy foana anefa izany fa mety hitondra izay mahasoa ihany koa.

 Lire la suite...

“Avoine” sy “citron” atao “jus” : 5 andro dia mihena 5 kilao

05/11/2018

Mahery vaika ny fiasan’ity zava-pisotro iray ity ary mety hampihena hatrany amin’ny 5 kilao mihitsy, ao anatin’ny herinandro monja. Mitroka tavy mantsy izy ity. Araho ange e !

 Lire la suite...

Avoine no atao sakafo maraina, raha te hihena

15/10/2018

Ny sakafo maraina no sakafo lehibe indrindra ao anatin’ny tontolo androary efa voamarin’ireo imatihanina momba ny fomba fisakafo, na ny “nutritionnistes” izany.

 Lire la suite...

Fahazarana 5 mila atao, raha te hihena vetivety

08/10/2018

Fihetsika kely fotsiny no atao dia mandoro kaloria betsaka kokoa ny vatana. Voaporofo ara-tsiansa rahateo izany satria efa nanaovana andrana. Ireto avy ny tsara atao raha te hihena tokoa…

 Lire la suite...

“Smoothie” amin’ny vahona sy mananasy, mampihena haingana

24/09/2018

Raha atambatra ny mananasy sy ny vahona dia manafaingana ny fampihenan-tena ny otrikaina entiny. Azo atao “smoothie” izy ireo. Atoro anao ny tokony hatao.

 Lire la suite...

Minceur

« Guacamole » tsy mampatavy

13/03/2018

Araka ny nampahafantarina anao tao anatin’ny fandaharana “taiza vatana” tao amin’ny Top Radio 102.8, dia indro ny fomba iray azo hihinanana ny zavoka, hampihenana ny lanja.

« Guacamole »

Karazana saosy azo anomezana tsiro ny sakafo sasany ny “guacamole”. Maivana ary tsy ahiana hampitombo lanja ity karazany iray atolotra anao ity.

Akora ilaina :

·         Zavokà masaka tsara 2

·         Tongolo madinika kely (échalotte), 1

·         Tongolo gasy, hasiny 1

·         Voasarimakirana 1

·         Sira

·         Dipoavatra

Fikarakarana :

Potsehina tsara amin’ny sotrorovitra ny zavokà ary kendrena tsy hisy hitambaingana mihitsy. Afangaro aminy avy eo ny ranom-boasarimakirana. Tetehina madinika ny tongolo kely sy ny tongolo gasy, rehefa voavaofy. Tetehina madinika kely ihany koa ny voatabia. Afangaro ao anaty lovia jobo amin’izay ireo akora rehetra ireo, asiana sira sy dipoavatra. Apetraka ao anaty vata fampangatsiahana, raha mbola tsy aroso.

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo