Jejoo

Dans la m麥e rubrique

Manafisaka kibo 5 minitra isan誕ndro dia ampy !

12/06/2018

Maro ny olona mihevitra fa ampy mahafisaka ny kibo ny fanaovana ォ abdominaux サ. Misy fepetra arahina anefa vao tena mandaitra izany. Ireto ary ny tsara ho fantatra

 Lire la suite...

Sady miasa no manintsana tavy

05/06/2018

Efa fahenontsika foana ny hoe : mila mampihetsi-batana mba ho salama. Torak段zany koa raha te hihena. Ny fotoana hanaovana izany kosa anefa no mametraka olana, matetika. Atoronay anao ny atao, raha te hanao fampihetseham-batana ao am-piasana. Sady ho voadoro ny kaloria amin段zay no ho salama ny vatana

 Lire la suite...

Fampiasam-batana 3 minitra isan誕ndro dia mihena ny fe

29/05/2018

Tsy tiantsika vehivavy mihitsy ny be fe. Azo atao tsara ny mampanifinify azy, amin地y alalan地y fampiasam-batana atao ao anatin地y telo minitra monja isan誕ndro ary tsy mihetsika eo ambony fandriana akory.

 Lire la suite...

Manala ny tavy eo amin地y valahana

22/05/2018

Ny tavy manodidina ny valahana sy ny kibo no sarotra esorina indrindra raha mihoatra amin地y faritra hafa amin地y vatana. Ho afaka kosa izany, raha manao fampihetseham-batana mikendry manokana ireo faritra ireo.

 Lire la suite...

Manamafy ny sandry mba tsy hiroraka

15/05/2018

Noho ny antony maro dia miha-antitra ny hoditra ka tsy voatazony intsony ny fizozorany fa lasa miitatra. Manjary toy ny miforiporitra na miroraka ny hoditra, noho izany. Ny eo amin地y sandry matetika no manao toy izany voalohany. Azo atao anefa ny misoroka ny fikentron地y hoditra, amin地y alalan地y fanamafisana ny hozatra. Ireto avy ny atao :

 Lire la suite...

Manamafy ny fe sy ny fitombenana

08/05/2018

Azonao atao ao an-trano ireto fampihetseham-batana telo ireto. Manamafy ny hoza-pe sy ny hozatry ny fitombenana izy ireto, indrindra raha ataonao matetika :

 Lire la suite...

Manala ny tavy eo ambanin地y helika

24/04/2018

Manelingelina ny maso ny tavy mivoitra kely eo ambanin地y helika. Azo atao tsara ny manala azy iny. Ireto manaraka ireto no atao

 Lire la suite...

Forme

Fihetsika 5 manala ny fanaintainan地y hatoka sy ny soroka

13/03/2018

Rehefa vizana loatra ny vatana dia mety hifanenjana ny hozatra. Anisan地y matetika voan段zany ny hozatra ao amin地y hatoka sy ny soraka, izay manaintaina tokoa. Atoronay anao ny atao mba hanalana izany havizanana ao amin地y hatoka sy soroka izany.


Fampihetseham-batana voalohany

Matory mihorirana dia aforitra ny lohalika. Aforitra koa ny kiho ary atao mifamatotra ao ambadiky ny hatoka ny tanana roa. Atao somary manery ny sofina ny hato-tanana. Miaina lalina dia akarina moramora ny kiho eo ambony, toy ny hanakatra ny tafo. Mamoaka rivotra amin’ny vava dia ampidina hanakaiky ny gorodona indray izany kiho izany. Ahetsika kely hahazo aina ny soroka dia averina indimy izay fihetsika izay. Atao toy izany koa ny lafiny ilany

 

2 Fampihetseham-batana faharoa

Ahorongorona ny servieta dia apetraka amin’ny tany. Mitsilany dia apetraka mifanandrify amin’ny antsasaky ny lamosina ilay servieta nahorongorona teo. Aforitra ny lohalika. Ny tanana kosa, atao mifampisadika ao ambadiky ny hatoka. Miaina lalina dia mamoaka rivotra amin’ny vava sady ahinjitra hihenja ny taolan-damosina. Tokony hifindrafindra toerana ilay servieta, hanotra ny ampahany amin’ny lamosina, ny soroka ary ny hatoka. Mahazo kely amin’izany koa ny kibo sy ny tratra. Miaina lalina tsara dia miverina amin’ny paozy niaingana. Averian in-3 ka hatramin’ny in-5 izay.

 

3 Fampihetseham-batana fahatelo

Mandohalika dia ipetrahana ny vodin-tongotra. Atao mahitsy tsara ny lamosina sy ny loha. Miaina lalina tsara sady ampidinina miankavia ny loha, atao mifanakaiky amin’ny soroka havia ny sofina havia. Miaina lalina tsara dia averina amin’ny paozy niaingana ny loha. Miaina lalina tsara indray dia ampidinina mankany an-kavia ihany ny loha sady mamoaka  rivotra amin’ny vava. Tsy ajanona eo amin’ny soroka intsony ny loha fa somary alefa mankany aoriana, toy ny hiezaka hanakatra ny soroka havanana. Averina amin’ny paozy niaingana dia mivadika amin’ny lafy ilany. Averina avokoa ilay fihetsika teo. Tsy adinoina ny miaina lalina tsara, mandritra izany.

 

4 Fampihetseham-batana fahefatra

Atao toy ny paozy teo ihany ny vatana. Miaina lalina tsara aloha mialohan’ny hanombohana dia mamoaka rivotra tsara amin’ny vava. Ampidinina manakaiky ny soroka ankavia ny loha. Sady mitroka rivotra amin’ny orona no alefa miankavanana ny loha, dia ahodina manoritra boribory mora dia mora. Atao mihodina intelo tahaka izany dia ahodina miankavia indray, intelo hatrany.

 

5. Fampihetseham-batana fahadimy

Mipetraka na mandohalika toy ny teo ihany. Apetraka amin’ny andaniny roa amin’ny vatana ny tanana. Sady mitroka rivotra no akarina hanakaiky ny sofina ny soroka. Mamoaka rivotra amin’ny vava dia ampidinina ny soroka. Izay fihetsika izay no averina im-10.

 

Torohevitra fanampiny :

Raha tsikaritrao dia tena manana ny toerany be ao anatin’ireo fampihetseham-batana ireo ny miaina lalina. Hanampy anao hifantoka amin’ny fampihetseham-batana izany. Mba ho afaka tanteraka ny havizanana dia ilaina ny mampitony saina ary manampy ho amin’izany mihitsy ny miaina lalina.

 

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo