Jejoo

Dans la même rubrique

Ny fomba fisakafo arahina, raha voan’ny goty…

18/09/2018

Na efa voan’ny goty na ho fisorohana fotsiny dia tsara ny manamboatra ny fomba fisakafo. Ireto avy ny tsara ho fantatra

 Lire la suite...

Torohevitra ara-tsakafo ho an’ireo diabetika

11/09/2018

Ho an’ny diabeta sokajy faharoa na “diabète type II” dia ampy hifehezana azy ny fanamboarana ny fomba sakafo. Tsy maintsy misy kosa anefa ny fepetra tsara arahina. Anisan’izany ireto manaraka ireto :

 Lire la suite...

Ampy tsara ve ny rano sotroinao isan’andro ?

04/09/2018

Averimberina foana fa tokony hisotro rano 1,5 litatra isan’andro ny olona iray raha te ho salama. Nandiso izany filazana izany anefa ny matihanina momba ny fahasalamana iray antsoina hoe “Sandra Bekkari”…

 Lire la suite...

Ny sakafo maraina idealy

28/08/2018

Ny sakafo maraina no sakafo voalohany raisin’ny vatana hiatrehany ny tontolo andro. Tsy tokony dinganina mihitsy izy io. Atoro anao ny sakafo maraina lafatra indrindra ho an’ny vatanao

 Lire la suite...

Sakafo 10 sarotra levonina, tsy azo hanina amin’ny alina…

21/08/2018

Raha vao tsy mizotra tsara ny fandevonan-kanina amin’ny alina dia hikorontana ny torimaso. Olana maro anefa no aterak’izany faharatsian’ny torimaso izany. Ho fisorohana izany dia fantaro fa misy karazana sakafo tsy tokony hanina mihitsy amin’ny hariva.

 Lire la suite...

Mahandro “haricots verts” matsiro sady mahasalama

14/08/2018

Legioma mahasalama ny « haricots verts ». Ahitana azy betsaka eny an-tsena amin’izao fotoana izao, ka tsara araraotina. Misy ny tsara ho fantatra mahakasika azy ireny, indrindra ny fomba fandrahoana azy, mba tsy ho very fotsiny ireo otrikaina entiny.

 Lire la suite...

Lentilles atao solon’ny vary, mampihena ny siramamy ao anaty ra

07/08/2018

Araka ny fanadihadiana nataon’ny ekipana manam-pahaizana kanadianina iray dia mahasalama kokoa ny manolo ny ovy sy ny vary fotsy amin’ny « lentilles ».

 Lire la suite...

Diététique

Te hitazona lanja ? Safidio ny ora hisakafoanana !

13/03/2018

Toy ny maha-zava-dehibe ny sakafo hanina dia zava-dehibe ihany koa ny ora hisakafoanana. Antoky ny fahasalamana izany no sady mahatonga ny lanja ho voatazona ara-dalàna. Arakarak’io ora hisakafoanana io, noho izany, no mety hampihena na hampitombo ny habe.

 

Ireo ora hihinanana raha te hampihena tena

 

Raha ny fikarohana nataon’ny orinasa momba ny fampihenam-batana « Forza Supplements », dia misy ora 3 tokony arahina tsara, raha te hampihena vatana. Ny sakafo maraina, ohatra, dia tokony hanina amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 7 ora sy 11 minitra maraina. Eo anelanelan’ny amin’ny 12 ora sasany sy amin’ny 1 ora folakandro kosa, na amin’ny 12 ora sy 38 minitra tsy diso, ny sakafo atoandro. Ary ny sakafo hariva indray dia eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora sy amin’ny 6 ora sasany hariva ihany.

 

Adin’ny 3 alohan’ny hatoriana

 

Isan’ireo nodinihin’ireo manam-pahaizana ao anatin’io orinasa io ny antony mampitombo ny kalôrian’ny vatana. Raha toa ka kely loatra ny sakafo hanina amin’ny maraina dia voasarika hitsaingotsaingoka mandritra ny tontolo andro. Raha mihoatra ny amin’ny 6 ora sasany hariva hatramin’ny 10 ora alina kosa ny sakafo hariva, dia ho kely ny kalôria arian’ny vatana, ka lasa mora mihangeza. Farany, tokony sakafo maivana no hanina amin’ny hariva ary tsy maintsy hanina adin’ny 3 mialohan’ny hatoriana izany.

 

Ora fisakafoanana idealy, ho an’ireo te hitazona lanja

 

·         Maraina : Eo anelanelan’ny amin’ny 7 hatramin’ny 8 ora maraina no idealy. Tsy mihoatra ny amin’ny 10 ora kosa anefa ary 30 minitra aorian’ny fifohazana, fara-fahaloany.

·         Sakafo Atoandro : Eo anelanelan’ny amin’ny 12 ora sasany hatramin’ny 2 ora folakandro no idealy. Tsy tokony atao mihoatra ny amin’ny 4 ora hariva. Mielanelana adin’ny efatra aorian’ny sakafo maraina.

·         Sakafo hariva : Eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora hariva hatramin’ny 9 ora alina no idealy. Tsy atao taran’ny amin’ny 10 ora, na mihoatra ihany koa. Hanina adin’ny 3 mialohan’ny hatoriana.

 

Nelly-Bri

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo