Jejoo

Dans la même rubrique

Herintaona izay no nisaraka izahay rehefa nivady nandritra ny 10 taona sy niteraka zazavavy iray, 4 taona.

11/12/2018

Maditra ny vadiko. Tsy mody matetika izy, tsy mamelona, … Tapakevitra hanohy ny fiainako sy hitady izay mahasoa an-janako aho. Inona no hatao hibanjinana izany ?

 Lire la suite...

Niteraka tamin’ny rafivaviko ny vadiko…

10/12/2018

Sedra isan’ny mafy indrindra atrehi’nny vehivavy sy ny tokantranony, ny fampirafesana ataon’ny vadiny. Fa vao mainka mavesatra izany, raha niterahany mihitsy ilay rafy. Inona no atao manoloana izany ? Andao ezahina hovahana ny olana…

 Lire la suite...

Lehilahy 42 taona aho, manambady ary manan-janaka 2.

07/12/2018

Efa in-droa no nisaraka tamiko ilay vadiko, fa niverina ho azy ihany ary noraisiko noho ireo zaza.

 Lire la suite...

Te handoro ny tavy haingana be, araho ity “regime” ity

06/12/2018

“Regime” mampihena haingana be saingy somary sarotsarotra arahina ity entina aminao ity. Mety ho an’ny olona mila mihena haingana izy ity. Mila miomana ara-tsainia kosa anefa.

 Lire la suite...

Mihena 3 kilao mialohan’ny Krismasy…azo atao tsara!

05/12/2018

20 andro sisa dia higadona ny fetin’ny Krismasy. Mbola azo atao ny mampihena tena mialohan’ny fety, raha manomboka dieny izao. Tsy maintsy mahay mifehy tena kosa anefa. Mila miezaka be ihany koa, manaraka ireto torohevitra manaraka ireto. Mety ho very hatramin’ny 3 kilao ianao, raha tena maharitra.

 Lire la suite...

Ireo fahagagana 6 ataon’ny ravintsara

04/12/2018

Ahitana voka-tsoa maro be ny ravintsara. Manana fahafahana miady amin’ny mikraoba izy ity ka manasitrana ny fery. Miady amin’ny homamiadana sy ny diabeta ihany koa izy ary tena tsara ho an’ny taovam-pandevonan-kanina.

 Lire la suite...

Efa vita vaksiny, mbola mety ho voan’ny kitrotro ve ?

03/12/2018

Antony iray mampihanaka ny aretina kitrotro ny tsy fanatonana mpitsabo avy hatrany raha vantany vao misy fambara hafahafa eo amin’ny marary.

 Lire la suite...

Beauté

Ireo fomba iadiana amin’ny kentrona

13/03/2018

Rehefa mipoitra ny kentrona dia saika mihazakazaka mamafa izany daholo ny vehivavy. Alohan’ny hampiasana akora manaisotra azy ireny anefa dia mila fantarina ireo antony nahatonga azy, ny akora mifanaraka amin’ny hoditra, ny fihetsika tokony atao, …


Eo amin’ny maso sy ny molotra

Tsy mitovy ny fisehon’ny kentrona eo amin’ny hoditry ny vatana. Ireo faritra azon’ny masoandro foana dia mora mikentrona kokoa noho ireo takontakona. Ireo faritra ipoiran’ny kentrona voalohany kosa dia ny manodidina ny maso sy ny manodidina ny molotra. Marefo sady manify mantsy ny hodi-maso no sady io faritra io koa no mihetsika indrindra amin’ny vatana isan’andro. Eo amin’ny faha-25 taona eo no manomboka hita soritra tsikelikely ny firorahan’ny hodi-maso. Ny kentrona vokatry ny fihetsika atao, noho ny fihetseham-po kosa, no hita manodidina ny maso. Ny hoditra manamorona ny molotra indray dia eo amin’ny faha-30 taona no manomboka tazana mikentrona.

 

Inona no mahatonga ny kentrona ?

Betsaka ny antony mitarika ny kentrona. Ny fahanteran’ny hoditra kosa anefa no isan’ny voalohany amin’izany. Mety ho avy amin’ny fomba fiaina (tsy ampy torimaso, mifoka sigara, misotro  alikaola, …) , avy amin’ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana, na efa manaranaka mihitsy, no mahatonga ny hoditra ho antitra aloha loatra, na ho antitra taraiky kokoa. Manimba hoditra haingana be ihany koa ny masoandro ary mitarika ny fahanterany. Noho izany dia ilaina ny mampiasa  “écran solaire”, na akora miaro ny hoditra amin’ny masoandro, isan’andro. Tsy azo adinoina anefa fa loharanona vitamina D ihany koa ny masoandro, izay ilain’ny vatana. Noho izany, ilaina ny mivoaka amin’ny masoandro, saingy tsy maintsy ferana no sady arovana ny tarehy.

 

Inona no atao ?

Eo amin’ny faha-25 taona no atomboka ny ady amin’ny kentrona, fa tsy andrasana hihanaka be izy ireo vao hokolokoloina ny hoditra. Araka izany, sorohina aloha ny fipoirany. Ireto avy ny atao :

 

-          20 taona : Mihamaina tsikelikely ny hoditra. Diovy sy amandino, maraina sy hariva.

-          30 taona : Mihamarefo ny hodi-tava. Manao “gommage” isa-kerinandro mba hanalana ny sela maty sy hanavaozana ny hoditra. Amandinina tsara ny faritry ny maso.

-          40 taona : Manomboka mihamanify ny takolaka, misy kentrona madinika koa. Mampiasa “soin anti-rides” amin’izay ary manao maska isa-kerinandro. Atomboka tsikelikely ny “crème de nuit”.

-          50 taona : Matoy tanteraka ny tarehy ka mitsabo ireo lesoka no atao. Manafina ny kentrona, ny tasy…  Mampiasa “serum hydratant” + “crème du jour” mifanaraka amin’ny tarehy foana.  Tsy adino ny « crème de nuit ».



Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo