Jejoo

Dans la même rubrique

Papier alu, azo hamotsiana nify

07/12/2018

Antony maro no mety hampivadika ny lokon’ny nify ho mavo. Mety ho vokatry ny fifohana sigara izany, ny fihinanana sakafo misy akora simika be loatra, ny fihinanana fanafody, … . Ny famonosana ny nify amin’ny “papier aluminium” dia mamerina ny lokony ho fotsy tsara.Voamarin’ny mpitsabo nify mihitsy izy ity fa mandaitra ary tsy misy atahorana mihitsy satria natoraly tanteraka.

 Lire la suite...

Mba tsy haniry vetivety ny volo…sira sy citron ampiasaina

06/12/2018

Efa misy eny amin’ireo mpivarotra akora fikarakarana vatana ny akora misoroka ny fanirin’ny volo isa-karazany amin’ny vatana, haingana loatra. Voasarimakirana anefa dia mahasolo izany soa aman-tsara ary raha averina matetika izany dia tena hielanelana be ny fotoana fiaratana. Tena mandaitra izy ity na ho an’ireo izay mampiasa hareza, na “cire”, na “crème dépilatoire”, sns.

 Lire la suite...

Ny vahaolana, raha tsentsin-dava ny “fausse septique”

05/12/2018

Ny fandefasana taratasy any anatin’ny lavapiringa “fausse septique” no isan’ny manentsina azy. Raha sendran’izay olana izay dia ity atoronay anao ity ny paipaika azo atao mba hamahana izany.

 Lire la suite...

Tsy hierotra intsony ianao manomboka izao …

04/12/2018

Tena manelingelina ny manodidina ny olona miesona rehefa matory. Ity zava-pisotro vita amin’ny legioma sy voankazo ity dia tena mora karakaraina kanefa tena mandaitra hialana amin’izany.

 Lire la suite...

Vovon-katsaka sy ronono, manasitrana aretin-kibo

03/12/2018

Na dia heverina ho mavesatra aza ny ronono dia azo hampitoniana ny aretin-kibo koa, raha ampiarahina amin’ny koba katsaka. Azo omena tsara ny ankizy ihany koa izy ity raha sendra marary kibo izy na sendran’ny fivalanana.

 Lire la suite...

Ny atao mba ho toy ny vaovao hatrany ny mofo dipaina

30/11/2018

Raha tsy hay ny mitahiry ny mofo dipaina, dia mety ho lasa mafy loatra izy na halemy loatra ihany koa. Mba hitahirizana azy toy ny vaovao hatrany dia azo arahina ireto paipaika ireto.

 Lire la suite...

Ranjo tratran’ny “crampes” matetika : savony no vahaolana …

29/11/2018

Amin’ny alina, rehefa maka aina ny vatana vao tena miseho ny « crampes » eo amin’ny ranjo. Maro ny antony mety mahatonga izany toy ny aretina mitaiza, ny rarin-tsaina, ny harerahana, sns. Mitarika tsy fahampiana manezioma ireo ka izay no mahatonga ny “crampes”. Tena manimba ny torimaso izay ilain’ny vatana sy ny saina izy io. Ny savony dia afaka misoroka izany.

 Lire la suite...

Astuces

“Spiruline”, azo anesorana ny mony

08/03/2018

Entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy mampatanjaka, no tena antom-pisian’ny “spiruline”. Azo ampiasaina hanalana mony sy hanatsarana ny hodi-tava ihany koa anefa ity karazana lomotra ity, rehefa ampiasaina ho maska.

Akora ilaina

-          Yaourt tsy mamy : 2sk

-          Vovoka spiruline : 2sk

-          Tantely : 1sk

 

Fanamboarana sy fampiasana azy

Atambatra ny fangaro rehetra, aroina tsara mba hitambatra. Raha efa izay dia ahosotra amin’ny tarehy maina sy efa avy nodiovina mialoha. Alona 15 mn na andrasana ho maina dia kobanina amin’ny rano matimaty. Tokony tsy hangirana intsony ny tarehy ary koa tsy dia ho tazana  loatra ireo tsimetimety eo aminy, rehefa avy manao ny maska.

 

Fanamarihana

Mety, na ho an’ny hoditra matavy, na ho an’ny hoditra makiana, ity maska ity, fa ny hoditra misy mony no tena tsara indrindra ampiasana azy satria manafina ireo tsimetimety amin’ny hoditra izy. Tena mety hitsaboana ny mony vokatry ny fahamaotinana na ny fikorontanan’ny tsirim-panentana mantsy ny “spiruline”, hoy ny mpikaroka. Miady amin’ny fahanterana ihany koa ny “spiruline” ary manala ny bongo sy mangana eo ambany maso. Marihina fa tsara foana ny manandrana ampahany kely amin’ny tarehy rehefa manao maska, na akora natoraly toy izao aza no ampiasaina, sao sanatria tsy mahazaka ny hoditra.

 

Tian’ Onja

 

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo