Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no atao raha te ho mpanao gazety?

20/05/2019

Azo lazaina ho isan’ireo asa tena mafy ny fanaovan-gazety. Ny tena hataon’ny mpanao gazety mantsy dia mikaroka sy manamarina ny zava-misy mba ho zaraina amin’ny mpanara-baovao.

 Lire la suite...

Te ho “mannequin” : Inona avy no atao?

13/05/2019

Sady asa no fialam-boly ny asan’ny mpilatro. Tombony lehibe azon’ireo tanora amin’izany ny fifaneraserana amin’ny karazan’olona samihafa.

 Lire la suite...

“Esthéticienne” : ny fahaizana misariaka sy mandray olona no tena ilaina

06/05/2019

Asa tena mahafinaritra ny fikarakarana endrika amam-bika. Amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny fikarakarana ny hoditra sy fanomezana torohevitra ho an’ireo

 Lire la suite...

“Psychologue” : asa mifotora amin’ny fahaizana mihaino ny hafa

15/04/2019

Sekoly ambony iray ihany no mbola mamoaka « psychologues » eto Madagasikara.

 Lire la suite...

Ireo fianarana arahina raha te ho “chefs cuisiniers”

08/04/2019

Sady asa no zavatra ankafizina ny asan’ny “chefs cuisiniers”. Azo lazaina ho ara mihitsy ity asa fikarakarana sakafo ity.

 Lire la suite...

Hotesse de l’air… asa nofinofisin’ny ankizivavikely

01/04/2019

Nofinofin’ny ankizivavikely rehetra izany ho lasa mpanamory ara-barotra izany. Asa mafy kanefa tena ahitana tombontsoa toy ny fitetezana toerana samihafa izany. Ny fahaizana tenim-pirenea no tena ilaina voalohany amin’izany. Toetra tokony hanana kosa ny fahaizana misariaka sy ny hamafisan-tsaina.

 Lire la suite...

Mionja, Chic by Fabiola : « Mpivarotra yaourt no niantombohako…»

18/02/2019

Raha vao miteny hoe, Chic By Fabiola dia rtoa Mionja avy hatrany no ao an-tsain’ny maro. Tsy tongatonga tamin’izany toerana izany anefa izy, raha niresadresaka taminay fa nandalo sedra maro ary niady mafy tamin’ny fiainana. Nambarany fa ny fikirizana sy risi-po tsy hanaiky ho resin’ny fiainana ary indrindra ny fitahian’Andriamanitra no isan’ireo lakile nahatafita azy. Zarainy amin’ireo mpamaky Jejoo anio izany…

 Lire la suite...

Vie pro

Mirado, efa tsy tokan-tena intsony…

18/01/2018

Nindrana ny hiran'i Ludger Andrianjaka, fony izy mbola 7 taona tany ho any, no nahitana sy nahafantarana ny talentan'i Mirado Ravohitrarivo voalohany. Folo taona taty aoriana, tamin'ny taona 2007, dia niakatra sehatra irery izy, tetsy amin'ny CC ESCA Antanimena. Babo taminy avy hatrany ny tanora, izay nankafy ny hira natolony. Isan'ny nanintona teny aminy rahateo ny hatsaran'ny endriny, izay nampientam-po tovovavy maro mihitsy…


Namoaka raki-kira roa

Ny taona 2007 ihany i Mirado dia efa namoaka ny raki-kirany voalohany, izay nahitana hira 10 tao anatiny. Nisongadina avokoa ireo hirany ireo, raha tsy hitanisa afa-tsy "Tena tiako ianao", "Ilay hatsaranao" sy ny "Satriko foana", niarahany nihira tamin'i Colombes izay nivoaka tao amin'ilay fifaninanan-kira Pazzapa. Namokatra raki-tsary ho an'ireo hirany sasantsasany, tao anatin'ity raki-kira voalohany ity izy, ny taona 2008, toa an'i "Ho avy tsy ela", "Trano bongo"... Nivoaka kosa ny raki-kirany faharoa tamin’ny taona 2009, izay nahitana hira 10. Taorian'izay dia nangingina i Mirado teo amin'ny sehatry ny mozika. Nanohy ny fianarana mahakasika ny fanamoriana fiara-manidina izy nandritra izany fotoana izany. Nandray an-tanana ihany koa ny raharaham-pianakaviana, araka ny fifampiresahana nataon'ny Jejoo taminy sy efa nozaraina teto ihany.

Hiverina indray

Tsy nanary ny mozika anefa i Mirado, na dia teo aza izany, fa talenta ao anatiny no sady ankafiziny ihany koa izany. Hiverina hiaka-tsehatra indray izy, ka ny 4 febroary ho avy izao no hifampizara sehatra amin'i Tovo J'Hay. Nanamarihany ny fiverenany ny famokarana raki-tsary miisa roa, hatramin'ny voalohan'ity taona ity. Vao telo andro izao no nozarainy tao anaty tambazotra Facebook ny rohy ahafahana mijery ny raki-tsarin'ilay hira mitondra ny lohateny hoe : "Ny alokao", mba hiarahan'ireo mpankafy mihira aminy sahady amin'io seho io. Hanomboka amin'ny 3 ora tolakandro ity seho handraisan’i Mirado anjara ity, izay hotanterahina etsy amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.

Raha mbola betsaka ny nametra-panontaniana ny amin'ny fiainam-pitiavan'i Mirado dia efa tsy tokan-tena intsony ny tovolahy amin'izao fotoana.

 

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo