Jejoo

Dans la même rubrique

CEPE Vonona ny fotodrafitrasa, vonona ny kilonga!

31/08/2020

Hotanterahina rahampitso Talata fiandohan’ny volana Septambra ny fanadinam-panjakana CEPE taona 2020 ho an’Antananarivo sy Antsiranana.

 Lire la suite...

COVID-19 : Voaaro kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy ?

18/08/2020

Araka ny nambaran’ny « Santé publique France », nandritra ny fisian’ny valanaretina covid-19, dia ny lehilahy no betsaka sy mora voan’ny covid-19 kokoa, mihoatra amin'ny vehivavy. Mitombina marina ve izany ? Toy izao ny fanazavana azo tao amin’ny « bulletin de santé publique France », ny 9 aprily lasa teo.

 Lire la suite...

Ireo fahazarana atao any an-tsekoly, mba tsy hampiparitaka ny Coronavirus Covid-19 any an-tsekoly : Fadio ny mizara “gouter”, mifampindrana «stylo »,…

11/06/2020

Toeram-pianarana miisa 4 eny Alakamisy Fenoarivo ankoatra ny oniversite pôliteknika eny Vontovorona no voakasik’ilay valan’aretina Coronavirus izay niparitaka teny an-toerana.

 Lire la suite...

Ady amin’ny herisetra : Ankizy 1 amin’ny 4 no tsy mahatsiaro tena ho voaaro eo anivon’ny sekoly

21/06/2018

« Omena endrika izay tsy azo tantaraina » ! Lohahevitra nitondrana ny famoahana ny tatitry ny fanadihadiana momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, notontosaina ny talata lasa teo izany.

 Lire la suite...

Tsy fihafiana ny manam-bady …

13/06/2018

Vehivavy aho no mizara ny efa niainako eto amin’ny Jejoo anio. Te hanoro hevitra an’ireo vehivavy toa ahy aho, izay mihevitra fa fihafiana ny tokantrano.

 Lire la suite...

Hanova anarana: inona avy ny taratasy ilaina? aiza no haleha?

16/04/2018

Noho ny antony samy hafa dia mety tsy ho tiana ny anarana nomen’ny ray aman-dreny. Azo atao ny manova azy ireny, rehefa manao fangatahana any amin’ny filohan’ny fitsaràna ambaratonga voalohany. Atoro anao anio ny fanaovana izany.

 Lire la suite...

Fa maninona ny vehivavy amin’izao no lasa tia mikolo ny hatsaran-tarehy ?

22/01/2018

Tao anatin’ny 20 taona teo dia nisy fivoarana be teto Madagasikara, raha ny momba ny fikoloana ny hatsaran-tarehy. Efa maro isafidianana izao ny akora fikoloana tarehy hita eny an-tsena, hatrany anatin’ireny varotra amin’ny aterineto ireny. Matoa mihamaro izy ireny dia azo heverina fa mihaliana amin’izy ireny ny vehivavy malagasy. Inona tokoa no mety ho antony ?

 Lire la suite...

Dossier

MARC TATANDRAZA : Tranon-dainga, mpaka an-keriny…Mitohy ny fikarohana azy!

15/01/2018

Marobe ireo olona tohina, noho ny zavatra rehetra nataon’ilay mpitondra fivavahana antsoina hoe : Tatandraza, izay milaza ny tenany ho apôstôly.


Ny zava-niseho farany teo izao dia nilaza ireo mpanaraka azy sy mpiray tsikombakomba aminy fa maty izy, nalevina tamin’ny 25 desambra ary vao tamin’ny faran’ny herinandro teo indray no nolazaina fa nitsangana tamin’ny maty. Ny tena nampimenomenona ny olona dia toa tsy mba nosamborina mihitsy izy, nefa manao fandrebirebena saim-bahoaka tsotra izao, mizara lainga sy fitaka. Vokatr’ireo fanontaniana maro miantefa amin’ny mpitandro ny filaminana ary, dia namoaka fanambarana tao anaty Facebook ny zandarimariam-pirenena, fa efa nisy tokoa, hatramin’ny taona 2017 lasa iny, ny fitadiavana an’ity Marc Tatandraza ity, noho ny fandikan-dalàna maro nataony tamin’ny faritra maromaro teto amintsika. Nitsoaka sy niafina foana anefa izy, ka mbola tsy hitan’ny zandary ny misy azy hatramin’izao ary angatahan’izy ireo fanampiana amin’ny olona mety mahalala izay iafenany. Efa nisy fisamborana olona roa mpiray tsikombakomba taminy, tamin'ny fakana an-keriny zaza tsy ampy taona miisa 12 avy tany Mananara avaratra sy Soanierana Ivongo, ary nentiny nankany Bekily, tamin’ny taon-dasa. Efa migadra ao amin’ny fonjan’Ambovombe androy izy ireo. Rehefa nokarohina kosa ny marina, momba ilay voalaza fa fahafatesany sy fandevenana azy tany Bekily, dia fantatra fa tsy nisy fanambarana fahafatesana, na fangatahan-dalana hanao fandevenana natao mihitsy ary tsy tany Bekily izany mihitsy akory aza izy.  

Mira

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo