Jejoo

Dans la même rubrique

Fanomanana ny ririnina Hanangona fanampiana ho an’ireo sahirana ny fikambanana SOS Zazagasy

21/02/2019

Ho fiatrehana ny ririnina dia mikarakara hetsika fanangonana fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana SOS Zazagasy. Fikambanana iray miahy ireo ankizy tsy manan-kialofana moa ity fikambanana ity.

 Lire la suite...

Foodwise : Manangona ireo sakafo tsy lany eto amintsika, mba ho an’ireo ankizy sahirana sy kamboty

21/02/2019

Niova anarana ary nivadika ho Foodwise, ilay tetikasa « Manzer Partazer » izay miompana amin’ny fanangonana ireo sakafo tsy lany eny amin’ny tsena lehibe sy ny hotely, ary zaraina amin’ny ankizy sahirana.

 Lire la suite...

Fanojo, very : Hita teny Mahitsy, salama tsara

21/02/2019

Zaza very, nanaovana antso avo tato anatin’ny tambajotra Facebook ny talata alina teo, i Fanojo, ankizilahikely vao hanala BEPC amin’ity taona ity.

 Lire la suite...

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo Olona miisa 174.400 isa no hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa HIAKE

21/02/2019

Ny 8,5%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, araka ny antontan’isan’ny biraom-paritry ny fanjariantsakafo any an-toerana, tamin’ny taona 2017.

 Lire la suite...

Hasarotam-piaro : notifirin’ilay mpitandro ny filaminana ny vadiny

11/01/2018

Mpivady niady noho ny hasarota-piaro no tsy nahafehy tena, ka saika nifamono ho faty, tao Montréal Kanada ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Hain-trano : ankizy 4 niara-namoy ny ainy tamin’ny rainy

10/01/2018

Olona 5 no indray namoy ny ainy tao Mulhouse, Haut-Rhin Frantsa vokatry fahamaizana nahazo ny trano fonenan’izy ireo.

 Lire la suite...

Lozam-piarakodia : mpirahalahy niara-maty voafaokan’ny fiara

28/12/2017

Mpandeha an-tongotra miisa roa no indray voafaokan’ny fiarakodia, vao mangiran-dratsy tao Bayonne Frantsa, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

 Lire la suite...

Fait Divers

Naolany nandritra ny 20 taona ny zana-badiny, niterahany zaza 10

12/01/2018

Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.


Tao anatin’ny 20 taona ngarangidina no nanamparan’ity raikely ity ny habibiany tamin’ilay zazavavy ary niterahany 10 mihitsy izy io. Indray mandeha ihany io tovovavy io no niteraka zaza tokana, fa nisy ny kamban-droa sy ny kamban-telo niverimberina. Fony izy bevohoka voalohany dia nanafina izay rain-janany tamin-dreniny. Nony bevohoka fanin-droany sy ny manaraka amin’izay dia fantatr’ilay reniny fa ilay dadakeliny ihany no nanolana azy. Maty rahona sy niharan’ny herisetra izy mianaka, taorian’izay, ka tsy sahy nitory an’ity rangahy ity mihitsy. Taty aoriana, maty namono tena noho ny hamafin’ny herisetra nanjo azy ary tsy nahazaka intsony ny zava-misy ilay ramatoa vadin’ilay rangahy. Nalahelo sady sorena mafy vokatr’izany ilay tovovavy voaolana ka nitory an’ilay raikeliny. Efa 34 taona moa izy io amin’izao fotoana izao.

 

Zaza 13 taona, niterahan’ny dadakeliny koa

Tsy any am-pitan-dranomasina ihany no ahitana trangam-panolanana ataon’ny raikely amin’ny zana-bady tahaka izao. Isan’ireo mbola mitana ny sain’ny maro ilay zazavavikely vao 13 taona monja, voaolan’ny raikeliny nandritra ny herintaona ary bevohokany ihany koa. Raha ny fantatra dia tsy nisy nahatsikaritra fihetsika hafahafa teo amin’izy mianaka akory ny iray trano, nandritra io herintaona io, ka izay no tsy namantarana ny zava-misy. Taty aoriana, narary mafy nitolefika teo ambony fandriana ilay zaza ary nisehoan’aretina tany amin’ny taovam-pananahana no sady mandoa lava. Teny amin’ny tobim-pahasalamana vao raiki-tahotra sy namboraka ny marina ilay zaza.

 

Azo fantarina

Azo tombanana avy ety ivelany ny zaza mety ho voaolan’ny ao an-trano, na ny olona akaiky azy : mitaintain-dava sy mailomailo ; matahotra olona tsy mitovy fananahana aminy ; mahalala mikasika ny firaisana ara-nofo na ny herisetra ;  mivalan-drano matetika na tsy mahatana fivoahana ; mivoraka ny haben’ny vatany ; milaza ho mararirary kibo ; misy tsiranoka mandeha ; mandeha rà tsy mijanona… Ankoatra ireo, mety ho lasa be resaka be izy, na lasa zara raha miteny.

 

Torohevitra sy vahaolana ho an’ireo reny nanan-janaka vavy voaolana

1.      Tohanana sy ampiana izy ary tazonina ny tsiambaratelony : entano izy mba hamoaka izay rehetra ao am-pony ary mitonia tanteraka fa aza mandray fanapahan-kevitra mihitsy aloha, mba tsy hiparitahan’ny resaka ataony aminao. Ampio izy hanala ny vesatra rehetra ao am-po mba hahafahany manasitrana ny fahavoazana ao an-tsainy.

2.      Ampio izy hanaiky ny zava-misy : sarotra be ity dingana ity, kanefa miainga eto ny fahasitranana. Ekena ny fahavoazana nanjo, saingy atao izany mba hanitsiana ny ho avy sy hanasaziana izay meloka, mba tsy hanaovany ny toy izany amin’ny zazavavy hafa indray. Mila fotoana maharitraritra ity dingana ity, satria ny saina no ampiasaina eto.

3.      Miatrika ny fiainana amin’izay : olom-baovao tanteraka, tsy lavon’ny fahavoazana nanjo azy ; tsy miahiahy ny hafa intsony, fa mailo fotsiny ; miomana hanana fiainam-baovao rehefa tonga ny fotoana hidirana eo amin’ny sehatry ny tokantrano. 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo