Jejoo

Dans la même rubrique

Fanomanana ny ririnina Hanangona fanampiana ho an’ireo sahirana ny fikambanana SOS Zazagasy

21/02/2019

Ho fiatrehana ny ririnina dia mikarakara hetsika fanangonana fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana SOS Zazagasy. Fikambanana iray miahy ireo ankizy tsy manan-kialofana moa ity fikambanana ity.

 Lire la suite...

Foodwise : Manangona ireo sakafo tsy lany eto amintsika, mba ho an’ireo ankizy sahirana sy kamboty

21/02/2019

Niova anarana ary nivadika ho Foodwise, ilay tetikasa « Manzer Partazer » izay miompana amin’ny fanangonana ireo sakafo tsy lany eny amin’ny tsena lehibe sy ny hotely, ary zaraina amin’ny ankizy sahirana.

 Lire la suite...

Fanojo, very : Hita teny Mahitsy, salama tsara

21/02/2019

Zaza very, nanaovana antso avo tato anatin’ny tambajotra Facebook ny talata alina teo, i Fanojo, ankizilahikely vao hanala BEPC amin’ity taona ity.

 Lire la suite...

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo Olona miisa 174.400 isa no hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa HIAKE

21/02/2019

Ny 8,5%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, araka ny antontan’isan’ny biraom-paritry ny fanjariantsakafo any an-toerana, tamin’ny taona 2017.

 Lire la suite...

Naolany nandritra ny 20 taona ny zana-badiny, niterahany zaza 10

12/01/2018

Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.

 Lire la suite...

Hain-trano : ankizy 4 niara-namoy ny ainy tamin’ny rainy

10/01/2018

Olona 5 no indray namoy ny ainy tao Mulhouse, Haut-Rhin Frantsa vokatry fahamaizana nahazo ny trano fonenan’izy ireo.

 Lire la suite...

Lozam-piarakodia : mpirahalahy niara-maty voafaokan’ny fiara

28/12/2017

Mpandeha an-tongotra miisa roa no indray voafaokan’ny fiarakodia, vao mangiran-dratsy tao Bayonne Frantsa, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

 Lire la suite...

Fait Divers

Hasarotam-piaro : notifirin’ilay mpitandro ny filaminana ny vadiny

11/01/2018

Mpivady niady noho ny hasarota-piaro no tsy nahafehy tena, ka saika nifamono ho faty, tao Montréal Kanada ny sabotsy lasa teo.


Niahiahy an-ramatoa vadiny ho mampirafy azy amin’ny lehilahy hafa mantsy ny mpitandro ny filaminana iray, ka dia nambanany tamin’ny basy io vadiny io. Rehefa raikitra ny fifamaliana dia sorena loatra ity rangahy ka nahatifitra an’ilay ramatoa teo amin’ny sandriny havanana. Tsy ahiana ny ain’ilay ramatoa, saingy mbola marefo ny fahasalamany.

Tao Toliara

Tsy mifanalavitra tamin’izay koa ilay nitranga tao Toliara tamin’ny volana aogositra lasa teo. Noloaran’ny lehilahy iray tamin’ny antsy sy zava-maranitra ny mason’ny vadiny, izay vehivavy iray vao 25 taona no noloaram-badiny, vokatry ny hasarotam-piaro. Nahian’ny vadiny ho mampirafy azy sy mamoaka vola ivelan’ny tokantrano ity vehivavy ity, antony nampiharany herisetra mafy toy izany. Tsy maty anefa io vehivavy io ka afaka nitory tamin’ny zavatra nihatra taminy.

Torohevitra

Mety hamono fitiavana sady mety hanimba ny natsangana rehetra ny hasarotam-piaro tsy voafehy ao anatin’ny iray minitra. Ny vahaolana tsara indrindra eo amin’ny mpivady miaina izany dia ny miezaka mifehy azy io. Amin’ny fotoana tena tsy azo ialana  kosa dia mila mahay mifehy tena sy manindry fo, mba tsy hiteraka olana hafa izany avy eo. Omeo fahalalahana koa ny vady mba tsy hahatsiaro ho voafehy mafy sy te hitroatra. Vahaolana mahomby koa ny fifanajana ny maha-olona. Ankoatra ireo, raha hita fa karazan’olona tena mahavita zava-doza noho ny hasarotam-piaro ny vadinao, dia aleo misintaka sy mangina ary tsy manamarin-tena, ka miandry azy ho tony tanteraka vao miresaka. Mety ho vahaolana hisorohana ny loza ateraky ny hasarotam-piaro koa ny fisarahan-toerana, fisarahana efitrano, … mandrapilamin’ny toe-draharaha.

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo