Jejoo

Dans la même rubrique

Ady amin’ny herisetra : Ankizy 1 amin’ny 4 no tsy mahatsiaro tena ho voaaro eo anivon’ny sekoly

21/06/2018

« Omena endrika izay tsy azo tantaraina » ! Lohahevitra nitondrana ny famoahana ny tatitry ny fanadihadiana momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, notontosaina ny talata lasa teo izany.

 Lire la suite...

Tsy fihafiana ny manam-bady …

13/06/2018

Vehivavy aho no mizara ny efa niainako eto amin’ny Jejoo anio. Te hanoro hevitra an’ireo vehivavy toa ahy aho, izay mihevitra fa fihafiana ny tokantrano.

 Lire la suite...

Hanova anarana: inona avy ny taratasy ilaina? aiza no haleha?

16/04/2018

Noho ny antony samy hafa dia mety tsy ho tiana ny anarana nomen’ny ray aman-dreny. Azo atao ny manova azy ireny, rehefa manao fangatahana any amin’ny filohan’ny fitsaràna ambaratonga voalohany. Atoro anao anio ny fanaovana izany.

 Lire la suite...

Fa maninona ny vehivavy amin’izao no lasa tia mikolo ny hatsaran-tarehy ?

22/01/2018

Tao anatin’ny 20 taona teo dia nisy fivoarana be teto Madagasikara, raha ny momba ny fikoloana ny hatsaran-tarehy. Efa maro isafidianana izao ny akora fikoloana tarehy hita eny an-tsena, hatrany anatin’ireny varotra amin’ny aterineto ireny. Matoa mihamaro izy ireny dia azo heverina fa mihaliana amin’izy ireny ny vehivavy malagasy. Inona tokoa no mety ho antony ?

 Lire la suite...

MARC TATANDRAZA : Tranon-dainga, mpaka an-keriny…Mitohy ny fikarohana azy!

15/01/2018

Marobe ireo olona tohina, noho ny zavatra rehetra nataon’ilay mpitondra fivavahana antsoina hoe : Tatandraza, izay milaza ny tenany ho apôstôly.

 Lire la suite...

Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy Nahafa-po ny zava-bita nandritra ny 2017

29/12/2017

Taom-pahombiazana ho an’ny CNaPS ny taona 2017 raha ireo zava-bitany hampahalalana ny momba ny fiahiana ara-tsôsialy no atao jery todika. Na izany aza anefa dia tsy mijanona hatreo fa maro ireo fanatsarana kasainy atao amin’ny herintaona. Tao Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra no nampiantranoina ny fanakatonana tamim-pomba ôfisialy ny taom-piasana 2017.

 Lire la suite...

Madagascar Fashion Week Océan Indien : Manomboka anio ny fotoana, any Sainte Marie

27/12/2017

Tontosaina manomboka anio ao amin’ny hôtely Soanambo Sainte Marie, ilay hetsika ara-damaody lehibe antsoina hoe : “Madagascar Fashion Week Océan Indien”.

 Lire la suite...

Dossier

Mo Abudu, vehivavy nanangana televiziona azo jerena manerana an’i Afrika

10/01/2018

Vehivavy mainty hoditra isan’ny mamiratra manerana ny kaontinanta Afrikanina i Mo Abudu. Vehivavy voalohany nanangana sy mitantana televiziona matanjaka hita manerana an’i Afrika ny tenany.



Mpandraharaha

Afrikanina teraka tao Londres tamin’ny taona 1964 i Mosunmola Abudu na i Mo Abudu. Niverina tao Nizeria, fihaviany, izy sy ny ray aman-dreniny, fony izy 7 taona ary tao an-toerana ihany izy no namita ny fianarany. Teo amin’ny sehatry ny asa indray dia efa nahavita 20 taona, nitazona ny toerana maha- “Directrice des Ressources Humaines” tao amin’ny Vondron’orinasa Exxon Mobil I i Mo Abudu. Ny taona 2006 dia niala tamin’io asany io izy ary nanangana ny orinasany manokana, izay televiziona matanjaka azo jerena manerana an’i Afrika, dia ny EbonyLife TV. Izy  no vehivavy afrikanina voalohany nanangana sy nitantana orinasa lehibe, fahita eran’i Afrika.

Nahita fahombiazana

Ankoatra ny maha filoha mpanorina sy tale jeneralin’ny EbonyLife TV an’i Mo Abudu dia mamokatra sy manentana fandaharana ao amin’ity orinasany ity koa izy. Efa mpanentana fandaharana tany amina’ny haino aman-jery hafa sy lanonana koa izy teo aloha, antony hitazonany ny famokarana fandaharana. Izy rahateo aza moa dia efa voafantin’ny gazety boky Forbes, ho isan’ireo vehivavy afrikanina nahita fahombiazana indrindra.

Mahatoraka ny an’ny amerikanina

Tsy mitsahatry ny miroborobo ny orinasan’i Mo Abudu. Vao tsy ela, voahosotra ho tambajotra lehibe ao amin’ny  “Black entertainment et Lifestyle”  eto Afrika ny Ebony Life TV. Mamokatra fandaharana voamarina fa tsara kalitao indrindra, maharitra 1 000 ora isan-taona izy ireo. Isan’ireo fahitalavitra be mpijery indrindra amina firenena 49 manerana an’i Afrika koa anefa. Nanomboka ny taona 2014 dia nanokatra ny EbonyLife Films ihany koa i Mo Abudu. Ny EbonyLife Films no namoaka ny “The wedding party”, izay horonan-tsary nampidi-bola be indrindra ho an’ny firenena Nizerianina, mihoatra noho ireo famokarana horonan-tsary avoakan’ireo mpamokatra amerikanina.

 

Nangonin’i Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo