Jejoo

Dans la même rubrique

Fanomanana ny ririnina Hanangona fanampiana ho an’ireo sahirana ny fikambanana SOS Zazagasy

21/02/2019

Ho fiatrehana ny ririnina dia mikarakara hetsika fanangonana fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana SOS Zazagasy. Fikambanana iray miahy ireo ankizy tsy manan-kialofana moa ity fikambanana ity.

 Lire la suite...

Foodwise : Manangona ireo sakafo tsy lany eto amintsika, mba ho an’ireo ankizy sahirana sy kamboty

21/02/2019

Niova anarana ary nivadika ho Foodwise, ilay tetikasa « Manzer Partazer » izay miompana amin’ny fanangonana ireo sakafo tsy lany eny amin’ny tsena lehibe sy ny hotely, ary zaraina amin’ny ankizy sahirana.

 Lire la suite...

Fanojo, very : Hita teny Mahitsy, salama tsara

21/02/2019

Zaza very, nanaovana antso avo tato anatin’ny tambajotra Facebook ny talata alina teo, i Fanojo, ankizilahikely vao hanala BEPC amin’ity taona ity.

 Lire la suite...

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo Olona miisa 174.400 isa no hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa HIAKE

21/02/2019

Ny 8,5%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, araka ny antontan’isan’ny biraom-paritry ny fanjariantsakafo any an-toerana, tamin’ny taona 2017.

 Lire la suite...

Naolany nandritra ny 20 taona ny zana-badiny, niterahany zaza 10

12/01/2018

Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.

 Lire la suite...

Hasarotam-piaro : notifirin’ilay mpitandro ny filaminana ny vadiny

11/01/2018

Mpivady niady noho ny hasarota-piaro no tsy nahafehy tena, ka saika nifamono ho faty, tao Montréal Kanada ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Lozam-piarakodia : mpirahalahy niara-maty voafaokan’ny fiara

28/12/2017

Mpandeha an-tongotra miisa roa no indray voafaokan’ny fiarakodia, vao mangiran-dratsy tao Bayonne Frantsa, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

 Lire la suite...

Fait Divers

Hain-trano : ankizy 4 niara-namoy ny ainy tamin’ny rainy

10/01/2018

Olona 5 no indray namoy ny ainy tao Mulhouse, Haut-Rhin Frantsa vokatry fahamaizana nahazo ny trano fonenan’izy ireo.

Ankizikely avokoa ny efatra tamin’ireo namoy ny ainy ireo, izay zazalahy 11 taona, 7 taona sy 9 taona ary zazavavikely 9 taona. Niara-may kilan’ny afo niaraka tamin’izy ireo tao an-tranony ihany koa ny rain’izy ireo, izay 53 taona. Araka ny ampaham-bokatry ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia niniana natao izao fandoroana ny trano fonenan’izy ireo izao, saingy mbola tsy fantatra ny antony. Nambaran’ny mpitsabo nandray an-tanana ireto lasibatra ireto kosa fa isan’ny nanafaingana ny fahamaizan’izy ireo ny tsy fahaizana miaro tena, raha sanatria misy hain-trano.

Ambalamanasy

Efa nitrangana hain-trano niniana natao, nahalasibatra ankizikely tahaka izao ihany koa, tao amin’ny fokontany Ambalamanasy Toamasina. Raha tsiahivina dia tany amin’ny volana mey tany no nisehoan’ny loza. Tamin’izay indray dia zazalahikely mirahalahy 14 taona sy 12 taona no nijanona irery tao an-trano, raha lasa namonjy alim-bavaka ny ray aman-drenin’izy ireo. Ilay zazalahikely 12 taona no nahatsikaritra fa nisy nanipy afo tao ambonin’ny tafo ravinala, ary namofona solika ny afo rehefa niredareda. Afaka nitsoaka sy tafaporitsaka vetivety izy, saingy ilay zokiny 14 taona kosa dia efa nisy azon’ny afo kely ihany ny masony sy ny molony mbamin’ny tanany, vao voavonjin’ny mpamonjy voina.

Torohevitra

Isan’ny mitarika haingana ny fahafatesan’ny ankizy iharan’izay fahamaizana ao an-tokantrano ny tsy fahaizana miaro tena. Torohevitra vitsivitsy tokony ampiharina sy ampianarina ny ankizy ireto, raha sendra misy fahamaizana ao an-trano :

-          Tony sy milamina tsara foana, mba hahafahan’ny saina miasa faran’izay haingana.

-          Miantso vonjy sy manaitra ny manodidina ary mamoaka haingana ny ankizikely, ny vehivavy, ny olona manana fahasembanana

-          Ezahina vonoina ny foiben’ny herinaratra mba hisorohana ny fipoahana sy ny « court-circuit ».     

-          Mijanona eo ivelan’ny trano rehefa tafavoaka, mba hanomezana fanampim-panazavana ho an’ny mpamonjy voina

Raha sanatria tsy tafavoaka ao anaty trano may :

-          Akatona ny varavarana misy ny foiben’ny afo, mba tsy hiparitahany.

-          Tobasana rano ny varavarana

-          Mitafy lamba lena ary miondrika amin’ny tany mba tsy ho sempotry ny setroka

-          Tapenana lamba mando ny orona sy ny vava

-          Raha mandeha na mifindra toerana dia mandady

-          Tsy mandray herinaratra na fitaovana misy ifandraisana amin’ny herinaratra.

 

 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo