Fait Divers
Lozam-piarakodia : mpirahalahy niara-maty voafaokan’ny fiara
28/12/2017
Mpandeha an-tongotra miisa roa no indray voafaokan’ny fiarakodia, vao mangiran-dratsy tao Bayonne Frantsa, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.
Araka ny fantatra dia mpirahalahy izy ireo, 36 taona sy 28 taona, ary dia nindaosin’ny fahafatesana, raha saika hamonjy ny alahady farany alohan’ny noely, tao Saint-Pée-sur-Nivelle. Tovolahy 21 taona kosa no namily ny fiara nandona azy mirahalahy ary fantatra ihny koa fa nahenoana fofona alikaola sy mbola mamomamo izy no namely. Dia izao nitera-doza mahatsiravina izao ! Nosamborina ary ho henoina eny amin’ny fitsarana any an-toerana amin’ity herinandro ity moa io mpamily io.
Imerintsiatosika
Tany Imerintsiatosika indray dia telo lahy no namoy ny ainy, noho ny lozam-piarakodia. Tao Ambatomanga no nisehoan’ny loza ary izy telo mirahalahy ireto no nitondra ny fiara. Nirimorimo mafy izy ireo, antony niteraka ny loza. Maty teo no ho eo ilay mpamily sy ilay tovolahy iray teo anilany, raha teny amin’ny hopitaly kosa vao nanary aina ilay tovolahy fanintelony. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahalalana fa mpirahalahy ny roa tamin’izy ireo ary tanora mbola latsaky ny 30 taona avokoa izy telo lahy.
Torohevitra hisorohana ny lozam-piarakodia amin’izao vanim-potoan’ny fety izao
Amin’ny ankapobeny dia noho ny tsy fitandremana ataon’ireo tanora no miteraka ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Raha tsy noho ny fandraisana zava-pisotro mahamamo diso tafahoatra, dia noho ny fisetrasetrana tsotra izao. Ny tokony atao :
Ø Tsy mamily miitsy rehefa nandray alikaola
Ø Tsy manao fihetsika mitera-doza : mandray finday, mamaky gazety, misakafo, mifoka sigara,…
Ø Hamarinina foana ny fiara : arahahina ny toromariky ny mpanamboatra fiara ary soloina izay piesy ahiana hitera-doza…
Ø Hajaina ny lalàna mifehy ny fifamivoizana, tsy misetrasetra rehefa mamily ary hajaina ihany koa ny elanelana tokony hampisaraka amin’ny fiara eo anoloana
Ø Manaja ny hafainganam-pandeha voafaritra fa tsy manovaova fandeha eny am-pandehanana
Ø Jereo matetika “retroviseurs”
Ø Malina hatrany isaky ny misy fiolanana, tetezana, fiakarana, fidinana… ary mijery any aloha sy aoriana, havia sy havanana foana, rehefa hiditra na handalo amin’ireny