Jejoo

Dans la même rubrique

Fanomanana ny ririnina Hanangona fanampiana ho an’ireo sahirana ny fikambanana SOS Zazagasy

21/02/2019

Ho fiatrehana ny ririnina dia mikarakara hetsika fanangonana fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana SOS Zazagasy. Fikambanana iray miahy ireo ankizy tsy manan-kialofana moa ity fikambanana ity.

 Lire la suite...

Foodwise : Manangona ireo sakafo tsy lany eto amintsika, mba ho an’ireo ankizy sahirana sy kamboty

21/02/2019

Niova anarana ary nivadika ho Foodwise, ilay tetikasa « Manzer Partazer » izay miompana amin’ny fanangonana ireo sakafo tsy lany eny amin’ny tsena lehibe sy ny hotely, ary zaraina amin’ny ankizy sahirana.

 Lire la suite...

Fanojo, very : Hita teny Mahitsy, salama tsara

21/02/2019

Zaza very, nanaovana antso avo tato anatin’ny tambajotra Facebook ny talata alina teo, i Fanojo, ankizilahikely vao hanala BEPC amin’ity taona ity.

 Lire la suite...

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo Olona miisa 174.400 isa no hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa HIAKE

21/02/2019

Ny 8,5%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, araka ny antontan’isan’ny biraom-paritry ny fanjariantsakafo any an-toerana, tamin’ny taona 2017.

 Lire la suite...

Naolany nandritra ny 20 taona ny zana-badiny, niterahany zaza 10

12/01/2018

Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.

 Lire la suite...

Hasarotam-piaro : notifirin’ilay mpitandro ny filaminana ny vadiny

11/01/2018

Mpivady niady noho ny hasarota-piaro no tsy nahafehy tena, ka saika nifamono ho faty, tao Montréal Kanada ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Hain-trano : ankizy 4 niara-namoy ny ainy tamin’ny rainy

10/01/2018

Olona 5 no indray namoy ny ainy tao Mulhouse, Haut-Rhin Frantsa vokatry fahamaizana nahazo ny trano fonenan’izy ireo.

 Lire la suite...

Fait Divers

Lozam-piarakodia : mpirahalahy niara-maty voafaokan’ny fiara

28/12/2017

Mpandeha an-tongotra miisa roa no indray voafaokan’ny fiarakodia, vao mangiran-dratsy tao Bayonne Frantsa, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

Araka ny fantatra dia mpirahalahy izy ireo, 36 taona sy 28 taona, ary dia nindaosin’ny fahafatesana, raha saika hamonjy ny alahady farany alohan’ny noely, tao Saint-Pée-sur-Nivelle. Tovolahy 21 taona kosa no namily ny fiara nandona azy mirahalahy ary fantatra ihny koa fa nahenoana fofona alikaola sy mbola mamomamo izy no namely. Dia izao nitera-doza mahatsiravina izao ! Nosamborina ary ho henoina eny amin’ny fitsarana any an-toerana amin’ity herinandro ity moa io mpamily io.

Imerintsiatosika

Tany Imerintsiatosika indray dia telo lahy no namoy ny ainy, noho ny lozam-piarakodia. Tao Ambatomanga no nisehoan’ny loza ary izy telo mirahalahy ireto no nitondra ny fiara. Nirimorimo mafy izy ireo, antony niteraka ny loza. Maty teo no ho eo ilay mpamily sy ilay tovolahy iray teo anilany, raha teny amin’ny hopitaly kosa vao nanary aina ilay tovolahy fanintelony. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahalalana fa mpirahalahy ny roa tamin’izy ireo ary  tanora mbola  latsaky ny 30 taona avokoa izy telo lahy.

Torohevitra hisorohana ny lozam-piarakodia amin’izao vanim-potoan’ny fety izao

Amin’ny ankapobeny dia noho ny tsy fitandremana ataon’ireo tanora no miteraka ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Raha tsy noho ny fandraisana zava-pisotro mahamamo diso tafahoatra, dia noho ny fisetrasetrana tsotra izao. Ny tokony atao :

Ø  Tsy mamily miitsy rehefa nandray alikaola

Ø  Tsy manao fihetsika mitera-doza : mandray finday, mamaky gazety, misakafo, mifoka sigara,…

Ø  Hamarinina foana ny fiara : arahahina ny toromariky ny mpanamboatra fiara ary soloina izay piesy ahiana hitera-doza…

Ø  Hajaina ny lalàna mifehy ny fifamivoizana, tsy misetrasetra rehefa mamily ary hajaina ihany koa ny elanelana tokony hampisaraka amin’ny fiara eo anoloana

Ø  Manaja ny hafainganam-pandeha voafaritra fa tsy manovaova fandeha eny am-pandehanana

Ø  Jereo matetika “retroviseurs”

Ø  Malina hatrany isaky ny misy fiolanana, tetezana, fiakarana, fidinana… ary mijery any aloha sy aoriana, havia sy havanana foana, rehefa hiditra na handalo amin’ireny

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo