Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no atao raha te ho mpanao gazety?

20/05/2019

Azo lazaina ho isan’ireo asa tena mafy ny fanaovan-gazety. Ny tena hataon’ny mpanao gazety mantsy dia mikaroka sy manamarina ny zava-misy mba ho zaraina amin’ny mpanara-baovao.

 Lire la suite...

Te ho “mannequin” : Inona avy no atao?

13/05/2019

Sady asa no fialam-boly ny asan’ny mpilatro. Tombony lehibe azon’ireo tanora amin’izany ny fifaneraserana amin’ny karazan’olona samihafa.

 Lire la suite...

“Esthéticienne” : ny fahaizana misariaka sy mandray olona no tena ilaina

06/05/2019

Asa tena mahafinaritra ny fikarakarana endrika amam-bika. Amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny fikarakarana ny hoditra sy fanomezana torohevitra ho an’ireo

 Lire la suite...

“Psychologue” : asa mifotora amin’ny fahaizana mihaino ny hafa

15/04/2019

Sekoly ambony iray ihany no mbola mamoaka « psychologues » eto Madagasikara.

 Lire la suite...

Ireo fianarana arahina raha te ho “chefs cuisiniers”

08/04/2019

Sady asa no zavatra ankafizina ny asan’ny “chefs cuisiniers”. Azo lazaina ho ara mihitsy ity asa fikarakarana sakafo ity.

 Lire la suite...

Hotesse de l’air… asa nofinofisin’ny ankizivavikely

01/04/2019

Nofinofin’ny ankizivavikely rehetra izany ho lasa mpanamory ara-barotra izany. Asa mafy kanefa tena ahitana tombontsoa toy ny fitetezana toerana samihafa izany. Ny fahaizana tenim-pirenea no tena ilaina voalohany amin’izany. Toetra tokony hanana kosa ny fahaizana misariaka sy ny hamafisan-tsaina.

 Lire la suite...

Mionja, Chic by Fabiola : « Mpivarotra yaourt no niantombohako…»

18/02/2019

Raha vao miteny hoe, Chic By Fabiola dia rtoa Mionja avy hatrany no ao an-tsain’ny maro. Tsy tongatonga tamin’izany toerana izany anefa izy, raha niresadresaka taminay fa nandalo sedra maro ary niady mafy tamin’ny fiainana. Nambarany fa ny fikirizana sy risi-po tsy hanaiky ho resin’ny fiainana ary indrindra ny fitahian’Andriamanitra no isan’ireo lakile nahatafita azy. Zarainy amin’ireo mpamaky Jejoo anio izany…

 Lire la suite...

Vie pro

Pitsana : Manambady Karàna, manohana azy tanteraka ny vadiny

21/12/2017

Vao mahita azy dia mahatsikaritra fa tena pitsana tokoa i Pitsana. Kelikely izay izy faihany koa, tena sariaka ! Tafahaona taminy ny gazety Jejoo ka niresadresaka momba ny antony nisafidianany hilalao sarimihetsika izy no sady nizara ampahany amin’ny fiainany andavanandro.



Jejoo: Iza marina moa i Pitsana ?

Pitsana: Randriamampianina Harimanitra no tena anarako. Ny “Michaëlla” dia anarana vao nampidiriko tao anaty kôpiako fa tsy nomen’ny ray amandreniko ahy. Efa manambady aho fa mbola tsy niteraka ary ilay vadiko ao anaty horonan-tsarimihetsika “Pitsana” iny ihany no vadiko ivelan’ny horonan-tsary. Tany amin’ny taona 2015 izahay no natao mariazy, taorian’ny fialan-tsasatra nataoko tany Maorisy. Tia mahandro sakafo aho ary tia mijery fahitalavitra, satria tsy dia mivoaka ny trano firy. Mankafy “nounours” koa aho ary tena manana betsaka mihitsy.

Jejoo: Mitovy amin’iny any anaty horonan-tsary iny ve ny tena toetranao ?

Pitsana: Izaho aloha tsy  mora tezitra e ! Mitovy amin’i Pitsana ihany.

Jejoo: Manambady Karàna ianao, tsy mametraka olana ve izany amin’ny filalaovana sarimihetsika?

Pitsana: Tiany koa ilay izy ka tsy misy olana mihitsy. Manohana ahy aza izy amin’ny zavatra ataoko.

Jejoo: Manao ahoana tokoa izany manambady Karàna ?

Pitsana: Tsy satria manambady karana aho akory dia migadra ato an-trano tsy afaka mivoaka sy tsy manao na inona na inona. Mamela ahy hanao izay tiako izy, afaka miaraka amin’ny namako aho, mandeha mivoaka araka izay tiako, misafidy ny akanjo tiako. Tena mitovy amin’ny manambady lehilahy gasy, fa tsy voafehin’ny fombafomba Karàna. Izy aza manomboka miala tsikelikely amin’ilay fomba ary efa mivavaka any amin’ny fiangonana katôlika miaraka amiko.

Jejoo: Manao ahoana indray kosa ianao sy ny lamaody?

Pitsana: Tia solomaso be mihitsy aho. Manana karazany maro aho ary tsy maintsy misy solomaso miisa 3 any anaty poketrako rehefa mivoaka aho. Arakaraky ny toerana haleha mantsy no hiovako solomaso. Matetika koa aho no manary azy ireny, fa tsy mividy amin’ireny lafo be ireny koa anefa. Any Maorisy koa, be dia be mihitsy ny safidy amin’ny solomaso sady mora, dia any aho matetika no mividy.  Ny poketra no tena vidiako lafo ary “de marque” avokoa ny ahy ireny, miaraka amin’ny kiraro. Ireo kiraro avo vodin-tongotra no tena tiako, fa any an-dafy aho no mividy satria “pointure 33” ka any no tena betsaka. Raha sendra mahita eto moa aho ka tiako dia vidiako avy hatrany.

Jejoo: Farany, hafatra kely ho an’ny mpamaky ny Jejoo…

Pitsana: Mahereza foana fa aza miverin-dalana na inona na inona sedra. Tiavo foana ihany koa ny zavatra atao.

Rinahsoa

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo