Jejoo

Dans la même rubrique

Naolany nandritra ny 20 taona ny zana-badiny, niterahany zaza 10

12/01/2018

Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.

 Lire la suite...

Hasarotam-piaro : notifirin’ilay mpitandro ny filaminana ny vadiny

11/01/2018

Mpivady niady noho ny hasarota-piaro no tsy nahafehy tena, ka saika nifamono ho faty, tao Montréal Kanada ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Hain-trano : ankizy 4 niara-namoy ny ainy tamin’ny rainy

10/01/2018

Olona 5 no indray namoy ny ainy tao Mulhouse, Haut-Rhin Frantsa vokatry fahamaizana nahazo ny trano fonenan’izy ireo.

 Lire la suite...

Lozam-piarakodia : mpirahalahy niara-maty voafaokan’ny fiara

28/12/2017

Mpandeha an-tongotra miisa roa no indray voafaokan’ny fiarakodia, vao mangiran-dratsy tao Bayonne Frantsa, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

 Lire la suite...

Naolany nandritra ny 20 taona ny zana-badiny, niterahany zaza 10

26/12/2017

Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.

 Lire la suite...

Zaza vao teraka, nariana teny amin’ny fitoeram-pako

22/12/2017

Zaza vao teraka efa tsy misy aina intsony no nisy nahita, teny amina toby fanariam-pako iray tao Saint-Pol-sur-Mer, faritra avaratr’i Frantsa, ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Hasarotam-piaro : notifirin’ilay mpitandro ny filaminana ny vadiny

19/12/2017

Mpivady niady noho ny hasarota-piaro no tsy nahafehy tena, ka saika nifamono ho faty, tao Montréal Kanada ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Fait Divers

Zaza vao teraka, nariana teny amin’ny fitoeram-pako

20/12/2017

Zaza vao teraka efa tsy misy aina intsony no nisy nahita, teny amina toby fanariam-pako iray tao Saint-Pol-sur-Mer, faritra avaratr’i Frantsa, ny sabotsy lasa teo.


Tovolahikely iray 13 taona, saika handeha hanatitra fako, no nahatsikaritra ity zazamenavava ity nifono lamba tao. Niantso ireo olona manodidina avy hatrany izy ary mandrapiandry ny mpamonjy dia niezaka nijery ihany sao mbola azo navotana ilay zaza, saingy efa tsy nisy aina intsony. Hatramin’izao dia mbola tsy fantatra mazava izay mety ho nahatonga ity zaza ity teo amin’io toerana io, na koa izay olona mety ho nivezivezy teo. Efa mandeha kosa anefa ny fanadihadiana lalina ary amin’ny alalan’ny fitiliana an’ilay razana no azo hitrandrahana ny zava-nisy.

Tetezan’i Bekiraro

Tsy vaovao amintsika aty Madagasikara koa ny tranga tahaka izany. Vao tamin’ny fiandohan’ity volana desambra ity izao no nahitana fatin-jazarano teny amin’ny tetezan’i Bekiraro. Tsy fantatra ihany koa izay nanao izany, fa raha ny tombantombana dia heverina fa nesorina tao an-kibo ilay zaza izay vao nariana teny an-toerana. Ho antsika aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana dia saika mipetrapetraka ho azy ny raharaha, rehefa vita ny fikarakarana ny razana, toy ireny fa tsy dia betsaka loatra ny tranga ahitana tohiny.

Mila mandray andraikitra

Amin’ny ankapobeny dia avy amin’ny vohoka tsy nirina avokoa no mitarika ireny fatin-jaza hita tetsy sy teroa, na zaza velona nisy nanary ireny. Rehefa sahiran-tsaina mikasika izay ho tohin’ny fiainany ilay reny mitondra vohoka, na tsy ampy fanohanana amin’ny manodidina azy dia mety hamoy fo tampoka, eny fa na dia efa ho tapitra izao aza ny vohoka ka madiva ho teraka ilay zaza. Manoloana izany dia aleo misoroka ny vohoka tsy nirina mba tsy hiafara amin’ny fanariana anaka na ny famonoana anaka tsy fidiny toy izany. Andraikitry ny ray aman-dreny manan-janaka vavy koa anefa ny manohana ny zanany mitondra vohoka tsy satry. Adidin’ny lehilahy ny  mandray ny andraikiny amin’ny maha-ray azy, fa tsy hiandry hoterena vao hanao izany. Ankoatra ireo dia efa marobe ireo ivon-toerana sy akany no mandray ny reny sahirana mitondra vohoka, na zaza vao teraka tsy manam-piahy, raha sendra tsy maintsy hisaraka amin’ny menaky ny aina.

 

Ando

 

 

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo