Jejoo

Dans la même rubrique

Tetikasa Vakana CEG Project : Hanabe ny adolantsento ny amin’ny lanjan’ny miralenta

20/02/2019

Tamin’ity volana febroary ity no natomboky ny avy ao amin’ny Teach For Madagascar ny tetikasa Vakana CEG Project.

 Lire la suite...

Andeha haka tahaka ny fiakanjon’i Violetta

03/08/2018

Isan’ny zatovo nanamarika iny taona 2014 iny ilay mpilalao sarimihetsika Martina Stoessel na « Violetta », izay vao 16 taona monja.

 Lire la suite...

Vehivavy 14 taona ao. Nisaraka tamin’ny sipako aho nefa lasa malahelo be azy, tsy mety adinoko mihitsy izy. Mety ve ny mbola hiverenana amin’ny olon-tiana taloha ? Raha tsy mety, mba toroy hevitra aho hanadinoako azy fa mijaly be.

02/08/2016

Maharary foana rehefa ny olona mbola tiana no mandao. Na izany aza anefa, rehefa hita fa tsy mety intsony ny mifamerina, na tsy afaka ny hifamerina intsony, dia ilaina ny manadino.

 Lire la suite...

Tovovavy botabota mahay miakanjo

27/05/2015

Manana ireo mampiavaka manokana ny bikany ny tovovavy botabota. Azo aderadera sy omena lanja tsara izy ireny, satria tombony mampiavaka ny dongadonga amin’ireo mahitsihitsy bika.

 Lire la suite...

ZAVOKA AMIN’NY CREVETTES : ho an’ny cholestérol diso miakatra loatra

23/02/2015

Fikarakarana : Zaraina roa manaraka ny lavany ny zavoka. Esorina ny voany, tondrahana ranom-boasarimakirana ny nofony mbola ao anaty hodiny, mba tsy hivalomainty. Tsihifina tsara ny patsa be nandrahoina tamin’ny rano. Afangaro amin’ny maiônezy sy ny ketchup. Ahitsy ny sira sy ny dipoavatra raha ilaina. Tsara kokoa ny tsirony raha masiatsiaka. Zaraina amin’ireo antsasaka zavoka ny fangaro patsa be sy maiônezy teo. Haingoina oliva sy persily dia aroso mangatsiatsiaka.

 Lire la suite...

Salade de fruits au yaourt : « Gouter » misoroka ny hatavezan’ny adolantsento

18/02/2015

Akora ilaina ho an’olona 4 : - Frezy 200g - Papay 200g - Poara 150g - Tantely 4 sk

 Lire la suite...

Fety ny andro, ataovy mahafatifaty ny tongotra !

18/12/2014

Adinontsika indraindray ny mikolokolo ny tongotra. Rehefa manao kapa avo void-tongotra tsara tarehy anefa, miaraka amin'ny akanjo tohitena fohy mahafatifaty, dia mitopy any amin'ny tongotra ihany koa ny mason'ny olona. Amin'izao fety izao ary, dia aza adino ny mikarakara azy io. Na ao an-trano ihany aza dia efa mety ho vita izany.

 Lire la suite...

Ado

Mandeha « boite de nuit »…mamotika fiainana ?

08/11/2017

Isan’ny safidian’ny olona ny « boite de nuit » rehefa te hiala voly sy hifaly hiaraka amin'ny namana. Ho an'ny sasany dia fanalana izay heverina ho vesatra na ara-tsaina na ara-batana no anton'ny andehanana « boite de nuit ». Mety ve anefa ny mandeha « boite de nuit » ?

-          Tsara ny manindry fa raha ny sitrapon'Andriamanitra no jerena dia toerana anisan'ny ampiasain'ny satana fatratra ny « boite de nuit » satria ao no iandohan'ny faharatsiana rehetra toy ny fijejojejoana, fitsiriritana, fimamoana, fijangajangana sy ny filalaovan-dratsy rehetra (Gal 5:19).

-          Amin'ny maha-fitaka azy dia toa ohatran'ny seho tsara ivelany no isintonana ny olona hiditra ao, ary satria malemy ny nofo dia mora mitolefika izy manoloana ny fakam-panahy maro mitranga ao.

-          Anisan'ny antony mahapotika fiainan'ny olona maro ny fandehanana amin'ireny « boite de nuit » ireny satria sady misy fiaitraikany ratsy amin'ny fahasalamana toy ny  tsy fahampian’ny torimaso, marary vavony noho ny fifohana sy fisotroana toaka ary koa ny ara-bola satria dia tsy itsitsiana tokoa ny fandaniana rehefa ao.

-          Tokony ho sarotiny ny ray aman-dreny manana zanaka tanora mba hanoro azy ireo ny lala-marina hananan'izy ireo ho avy vanona.

-          Tsy misy lala-marina afa-tsy ao amin'i Jesosy Kristy irery ihany, mbola hafa ery izany tanora hita mandany andro manompo sy midera an'Andriamanitra izany noho ny mandany andro any amin'ny « boite de nuit » izay sady mandrava no manapotika ny ho avy tanteraka...tsy mbola nisy olona nahita soa maharitra izany tamin'ny fandehanana « boite de nuit”.

-          Hoy ny voasoratra ao amin’ny Gal 6: 8 fa izay mamafy ho an'ny nofo dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo ary izay mamafy ho an'ny fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.

 

Isaorana Ndrantomahenina, Mpitandrina nanolotra ny toro-hevitra

 

Nangonin’i Tian’Onja

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo