Jejoo

Dans la même rubrique

Tetikasa Vakana CEG Project : Hanabe ny adolantsento ny amin’ny lanjan’ny miralenta

20/02/2019

Tamin’ity volana febroary ity no natomboky ny avy ao amin’ny Teach For Madagascar ny tetikasa Vakana CEG Project.

 Lire la suite...

Andeha haka tahaka ny fiakanjon’i Violetta

03/08/2018

Isan’ny zatovo nanamarika iny taona 2014 iny ilay mpilalao sarimihetsika Martina Stoessel na « Violetta », izay vao 16 taona monja.

 Lire la suite...

Mandeha « boite de nuit »…mamotika fiainana ?

08/11/2017

Isan’ny safidian’ny olona ny « boite de nuit » rehefa te hiala voly sy hifaly hiaraka amin'ny namana. Ho an'ny sasany dia fanalana izay heverina ho vesatra na ara-tsaina na ara-batana no anton'ny andehanana « boite de nuit ». Mety ve anefa ny mandeha « boite de nuit » ?

 Lire la suite...

Tovovavy botabota mahay miakanjo

27/05/2015

Manana ireo mampiavaka manokana ny bikany ny tovovavy botabota. Azo aderadera sy omena lanja tsara izy ireny, satria tombony mampiavaka ny dongadonga amin’ireo mahitsihitsy bika.

 Lire la suite...

ZAVOKA AMIN’NY CREVETTES : ho an’ny cholestérol diso miakatra loatra

23/02/2015

Fikarakarana : Zaraina roa manaraka ny lavany ny zavoka. Esorina ny voany, tondrahana ranom-boasarimakirana ny nofony mbola ao anaty hodiny, mba tsy hivalomainty. Tsihifina tsara ny patsa be nandrahoina tamin’ny rano. Afangaro amin’ny maiônezy sy ny ketchup. Ahitsy ny sira sy ny dipoavatra raha ilaina. Tsara kokoa ny tsirony raha masiatsiaka. Zaraina amin’ireo antsasaka zavoka ny fangaro patsa be sy maiônezy teo. Haingoina oliva sy persily dia aroso mangatsiatsiaka.

 Lire la suite...

Salade de fruits au yaourt : « Gouter » misoroka ny hatavezan’ny adolantsento

18/02/2015

Akora ilaina ho an’olona 4 : - Frezy 200g - Papay 200g - Poara 150g - Tantely 4 sk

 Lire la suite...

Fety ny andro, ataovy mahafatifaty ny tongotra !

18/12/2014

Adinontsika indraindray ny mikolokolo ny tongotra. Rehefa manao kapa avo void-tongotra tsara tarehy anefa, miaraka amin'ny akanjo tohitena fohy mahafatifaty, dia mitopy any amin'ny tongotra ihany koa ny mason'ny olona. Amin'izao fety izao ary, dia aza adino ny mikarakara azy io. Na ao an-trano ihany aza dia efa mety ho vita izany.

 Lire la suite...

Ado

Vehivavy 14 taona ao. Nisaraka tamin’ny sipako aho nefa lasa malahelo be azy, tsy mety adinoko mihitsy izy. Mety ve ny mbola hiverenana amin’ny olon-tiana taloha ? Raha tsy mety, mba toroy hevitra aho hanadinoako azy fa mijaly be.

02/08/2016

Maharary foana rehefa ny olona mbola tiana no mandao. Na izany aza anefa, rehefa hita fa tsy mety intsony ny mifamerina, na tsy afaka ny hifamerina intsony, dia ilaina ny manadino.

 

Saingy tsy vita izany raha vao ianao mihitsy no tsy tena vonona ny hanadino akory. Ny fomba atao voalohany àry dia reseo lahatra aloha ny tenanao fa mahasoa anao kokoa ny manadino azy. Soraty an-taratasy mihitsy ireo antony tokony anadinoanao azy dia averimbereno vakiana mba hilentika tsara ao an-dohanao. Miaraka amin’izay, esory lavitra anao daholo izay zavatra rehetra mety mampahatsiahy azy : ny sariny, ny fanomezana avy any aminy… eny na dia ny nomeraon’ny findainy koa aza, ary esory tsy ho namanao ao anaty Facebook izy. Raha mitady ho lasa any aminy ny sainao dia mamorona zavatra atao : miaraka amin’ny namana, mamaky boky na mijery “film” tsy mamendrofendro, mianatra lesona… Farany, aza akana fahafinaretana ny mitadidy azy. Aza kolokoloina mihitsy ny alahelo fa atanjaho ny saina dia ho voafafan’ny fotoana tsikelikely ao am-ponao izy. Mety azo atao ihany ny miverina amin’ny olon-tiana taloha, raha toa ka samy mbola tia ianareo ary mbola mety ny hiarahana.

 

Vehivavy 21 taona aho , mbola tsy nanao firaisana ara-nofo mihitsy. Tsy maninona ve izany ? tsy mety mametraka olana ve ?

Tsy misy taonany voafaritra ny firosoana amin’ny firaisana ara-nofo. Miankina amin’ny fahavonanan’ny sainao, ny fonao sy ny vatanao io. Tsy misy tokony hanery anao amin’izany, na ny olon-tianao, na ny hevitry ny fiarahamonina, na ny namana… fa fanapahan-kevitrao samy irery izany. Aza mijery ny hafa, fa ny tenanao ihany henoina amin’io lafiny io, ka rehefa vonona ianao dia mirosoa, raha mbola tsy amin’izany ny fo amam-panahinao dia andraso ilay andro mahavonona anao sy ilay olona hitanao fa mendrika ny hamoizanao ny fahadiovanao.

Nisy mpiara-mianatra tamiko taloha izay, nilaza izy fa tia ahy. Izaho koa efa tia azy tamin’izany. Efa 10 volana anefa izahay no tsy nihaona ary hiahona indray ato ho ato. Matahotra be aho. Mba omeo toroevitra

Aza mihotakotaka am-boalohany fa mitonia aloha. Rehefa hihaona ianareo dia ataovy metimety ny endrikao ivelany mba ahafahanao mahazo aina tsara, amin’izay koa ianao matoky tena kokoa. Amboary ny saina mba tsy hitaintaina be loatra. Aza manantena loatra koa anefa hoe : mbola tsy miova ny fahitany anao sy ny fandraisany anao. Efa ela ihany manko izay folo volana izay ka tsy fantatra izay efa zava-nitranga teo anelanelany. Aza manao na inona na inona ,fa andraso izy no haneho ny fihetseham-pony, raha toa mbola misy izany. Raha tia anao izy dia tsy maintsy hiezaka hanao ny fomba rehetra hambaboana anao indray. Raha fehezina dia mijanona fotsiny amin’ny maha-ianao anao, aza miavonavona, aza manao hita be hoe : miandry hitoriana fitiavana, dia avelao handeha ho azy ny sisa.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo