Jejoo

Dans la même rubrique

Lasopy miloko mavo : hiatrehina ny ririnina !

03/05/2016

Sady tsy mitondra tavy firy no ara-pahasalamana ary matsiro ireto lasopy atoro anao ireto. Efa akaiky rahateo ny ririnina, ka andao mba hanararaotra hanala ireo poizina ao anatin’ny vatantsika.

 Lire la suite...

Manadio fitoeran-dabozia « photophore »

30/03/2016

Tsy avy hatrany akory dia esorina, fa avela hangatsiaka indray, mandritry ny alina manontolo. Ho mora kokoa ny hisintona ireo tain-dabozia niverina nivaingana, fa efa nihataka tamin’ilay fitoeran-dabozia. Raha sanatria tsy mora miendaka ireo tain-dabozia, rehefa narotsaka ao ny rano, dia somary sokirina amin’ny sotrokely dieny mbola mafana ny rano.

 Lire la suite...

Randriambololona Célestine 25 taona namelomana ny ankohonany tamin’ny familiana taxi

26/02/2015

Anisan’ireo Renim-pianakaviana iray amin’ny vehivavy dimy mpamily fiara karetsaka eto an-drenivohitra Randriambololona Celestine na i Neny Rasoa. Efa 25 taona nanaovana io asa fivelomana iray io izy nentiny namelomana ny ankohonany. Mbola manohy izany asa izany hatrany izy mandraka ankehitriny na dia efa 63 taona aza.

 Lire la suite...

Chaussures et vêtements, les bonnes associations

19/12/2014

Vous avez sûrement votre préférence en matière de chaussure. Toutefois, vous ne pouvez pas associer n’importe quel vêtement avec n’importe quelle chaussure. Ainsi, en ces fêtes de fin d’année, il faut garder en tête certaines règles :

 Lire la suite...

Nilalao fitia tamin’i René

22/08/2011

Tantara efa mahazatra loatra izany ary naverimberiko matetika nolalaovina tao an-dohako.

 Lire la suite...

Tsy niafina intsony ny fitiavako an’i René

19/08/2011

Saika nahalala avokoa ny tao amin’ny fianakaviako fa raiki-pitia tamin’i René aho.

 Lire la suite...

Nandona fiaran’olona

20/07/2011

Tamin’ny fotoana nandraketana an-tsary ilay fandaharana dia nifamotoana tao amin’ny trano fisakafoana an’i Guysy i Dodo Morali indray izahay.

 Lire la suite...

Tantara mitohy

Déodorant : Azo analana vernis, anadiovana solomaso …

01/08/2016

Misoroka ny fofona ratsy avy amin’ny hatsembohana ao ambany helika sy mampihena ny fivoahan’ny hatsembohana ny tena asan’ny « déodorant ». Azo ampiasaina amin-javatra hafa koa anefa izy ireny. Araho anie e!


 

Mitsabo ny faritra nokaikerin’ny moka

Raha nokaikerin’ny moka dia ahosotra eo amin’ilay faritra voa ny « déodorant » miendrika « roll-on ». Hitony haingana ny mangidihidy sy mivoara-mena. Manamaina ny mony koa ny « déodorant » ary mampitony ny mivoara-mena rehefa avy niaratra amin’ny tongotra ohatra.

 

Misoroka ny hatsembohana amin’ny tati-nono

 Mba tsy ho tsapa loatra ny hatsembohana eo amin’ny faritry ny tatinono mipetaka mivantana amin’ny vatana dia asiana “deodorant”  kely ireo faritra ireo. Mety foana na ilay karazany ahosotra na ilay atsifitra.

Manala « vernis »

Raha tsy manana « dissolvant » intsony kanefa efa miepaka ny vernis dia izao atao : alona rano mamay aloha ny hohon-tanana dia asiana « déodorant » mitsifitra kely ny vovo. Io no hikosehina sy hanadiovana azy.

 

Manadio solomaso

Rehefa anaovana elaela ny solomaso dia mety hikorisa fotsiny manaraka ny orona, noho ny hatsembohana. Voatery akarina foana ilay solomaso. Mba hisorohana izany dia asiana “déodorant » kely eo amin’ny faritra mifanandrify ny orona, amin’ilay solomaso.  Hitazona azy ho maina ela kokoa izany.

 

Misoroka ny tanana tsembo-dava

Misy karazan’olona mora tsembo-tanana. Mahamenatra ery ny miarahaba olona amin’ny tanana mandomando tahaka izany. Tsy hanana izay olana izay intsony ianao raha toa ka manosotra “deodorant” kely amin’ny fela-tanana. Amainina tsara kosa ilay izy vantany vao voahosotra na voatsifitra.

 

Miss

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo