Jejoo

Dans la même rubrique

Déodorant : Azo analana vernis, anadiovana solomaso …

01/08/2016

Misoroka ny fofona ratsy avy amin’ny hatsembohana ao ambany helika sy mampihena ny fivoahan’ny hatsembohana ny tena asan’ny « déodorant ». Azo ampiasaina amin-javatra hafa koa anefa izy ireny. Araho anie e!

 Lire la suite...

Manadio fitoeran-dabozia « photophore »

30/03/2016

Tsy avy hatrany akory dia esorina, fa avela hangatsiaka indray, mandritry ny alina manontolo. Ho mora kokoa ny hisintona ireo tain-dabozia niverina nivaingana, fa efa nihataka tamin’ilay fitoeran-dabozia. Raha sanatria tsy mora miendaka ireo tain-dabozia, rehefa narotsaka ao ny rano, dia somary sokirina amin’ny sotrokely dieny mbola mafana ny rano.

 Lire la suite...

Randriambololona Célestine 25 taona namelomana ny ankohonany tamin’ny familiana taxi

26/02/2015

Anisan’ireo Renim-pianakaviana iray amin’ny vehivavy dimy mpamily fiara karetsaka eto an-drenivohitra Randriambololona Celestine na i Neny Rasoa. Efa 25 taona nanaovana io asa fivelomana iray io izy nentiny namelomana ny ankohonany. Mbola manohy izany asa izany hatrany izy mandraka ankehitriny na dia efa 63 taona aza.

 Lire la suite...

Chaussures et vêtements, les bonnes associations

19/12/2014

Vous avez sûrement votre préférence en matière de chaussure. Toutefois, vous ne pouvez pas associer n’importe quel vêtement avec n’importe quelle chaussure. Ainsi, en ces fêtes de fin d’année, il faut garder en tête certaines règles :

 Lire la suite...

Nilalao fitia tamin’i René

22/08/2011

Tantara efa mahazatra loatra izany ary naverimberiko matetika nolalaovina tao an-dohako.

 Lire la suite...

Tsy niafina intsony ny fitiavako an’i René

19/08/2011

Saika nahalala avokoa ny tao amin’ny fianakaviako fa raiki-pitia tamin’i René aho.

 Lire la suite...

Nandona fiaran’olona

20/07/2011

Tamin’ny fotoana nandraketana an-tsary ilay fandaharana dia nifamotoana tao amin’ny trano fisakafoana an’i Guysy i Dodo Morali indray izahay.

 Lire la suite...

Tantara mitohy

Lasopy miloko mavo : hiatrehina ny ririnina !

03/05/2016

Sady tsy mitondra tavy firy no ara-pahasalamana ary matsiro ireto lasopy atoro anao ireto. Efa akaiky rahateo ny ririnina, ka andao mba hanararaotra hanala ireo poizina ao anatin’ny vatantsika.



Lasopy “Chou fleur” sy karaoty

Mampihena ny tahan’ny siramamy ny “chou fleur”. Manankarena sira minelaly izy, antony mahatonga azy ho tafiditra ao anatin’ny sokajin’ireo legioma manatsara ny tatavia. Ny karaoty kosa dia mandoro ny tavy.

Mila : “chou fleur” 1 + karaoty 400 g + tongolo be 1 + cumin 1 sotrokely + Kioba fanome tsiro hanitra legioma 1 + sira + dipoavatra

Fikarakarana :

Diovina tsara ny “chou fleur”. Diovina toy izany koa ny karaoty ary voasana sy tetehina ho boribory manify. Voasana ny tongolo be ary zaraina 4. Araraka ao anaty vilany ny rano 1,5 litatra ary arotsaka ao ny tongolo be sy ny kioba. Avelao hangotraka. Raha efa izay dia arotsaka ny legioma voatetika sy ny “cumin”. Ahena ny afo saingy andrasana 20 minitra vao bataina eo ambony fatana ny nahandro. Potsehina ao anaty “mixer” izy rehetra. Asiana sira sy dipoavatra. Aroso mafana tsara.

Lasopy voatavo sy menaka oliva

Ivon-toeran’ny sira mineraly fa indrindra ny potasiôma sy ny vitamina A ny voatavo. Noho izy somary mahavoky dia tsy ahatsiarovana hanoanana mihitsy, aorian’ny fihinana azy.

Mila : Voatavo antsasany + Karaoty 2 + Tongolo be 1 + Menaka oliva 1 sotro fihinanana + Kioba fanome tsiro hanitra legioma 1 + Sira sy dipoavatra.

Fikarakarana :

Rehefa voavaofy sy voadio tsara ny voatavo dia tetehina madinidinika. Tetehina  boribory ihany koa ny karaoty voavaofy sy voadio. Voasana ary tetehina manify ny tongolo be. Etsy an-daniny, afanaina ao anaty kaserôly ny menaka oliva ka endandasina ao ny tongolo. Raha efa izay dia arotsaka indray ny legioma, rarahana rano mandifotra azy sy ilay kioba hanitra legioma dia avelao hangotraka. Rehefa mivadibadika izany dia ahena ny afo ary ketrehina mandritra ny 20 minitra. Dila ny fotoana dia potsehina ao anaty “mixer” miaraka amin’ny ranony. Asiana sira sy dipoavatra dia aroso mafana tsara.  

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo