Jejoo

Dans la même rubrique

Andeha haka tahaka ny fiakanjon’i Violetta

03/08/2018

Isan’ny zatovo nanamarika iny taona 2014 iny ilay mpilalao sarimihetsika Martina Stoessel na « Violetta », izay vao 16 taona monja.

 Lire la suite...

Mandeha « boite de nuit »…mamotika fiainana ?

08/11/2017

Isan’ny safidian’ny olona ny « boite de nuit » rehefa te hiala voly sy hifaly hiaraka amin'ny namana. Ho an'ny sasany dia fanalana izay heverina ho vesatra na ara-tsaina na ara-batana no anton'ny andehanana « boite de nuit ». Mety ve anefa ny mandeha « boite de nuit » ?

 Lire la suite...

Vehivavy 14 taona ao. Nisaraka tamin’ny sipako aho nefa lasa malahelo be azy, tsy mety adinoko mihitsy izy. Mety ve ny mbola hiverenana amin’ny olon-tiana taloha ? Raha tsy mety, mba toroy hevitra aho hanadinoako azy fa mijaly be.

02/08/2016

Maharary foana rehefa ny olona mbola tiana no mandao. Na izany aza anefa, rehefa hita fa tsy mety intsony ny mifamerina, na tsy afaka ny hifamerina intsony, dia ilaina ny manadino.

 Lire la suite...

ZAVOKA AMIN’NY CREVETTES : ho an’ny cholestérol diso miakatra loatra

23/02/2015

Fikarakarana : Zaraina roa manaraka ny lavany ny zavoka. Esorina ny voany, tondrahana ranom-boasarimakirana ny nofony mbola ao anaty hodiny, mba tsy hivalomainty. Tsihifina tsara ny patsa be nandrahoina tamin’ny rano. Afangaro amin’ny maiônezy sy ny ketchup. Ahitsy ny sira sy ny dipoavatra raha ilaina. Tsara kokoa ny tsirony raha masiatsiaka. Zaraina amin’ireo antsasaka zavoka ny fangaro patsa be sy maiônezy teo. Haingoina oliva sy persily dia aroso mangatsiatsiaka.

 Lire la suite...

Salade de fruits au yaourt : « Gouter » misoroka ny hatavezan’ny adolantsento

18/02/2015

Akora ilaina ho an’olona 4 : - Frezy 200g - Papay 200g - Poara 150g - Tantely 4 sk

 Lire la suite...

Fety ny andro, ataovy mahafatifaty ny tongotra !

18/12/2014

Adinontsika indraindray ny mikolokolo ny tongotra. Rehefa manao kapa avo void-tongotra tsara tarehy anefa, miaraka amin'ny akanjo tohitena fohy mahafatifaty, dia mitopy any amin'ny tongotra ihany koa ny mason'ny olona. Amin'izao fety izao ary, dia aza adino ny mikarakara azy io. Na ao an-trano ihany aza dia efa mety ho vita izany.

 Lire la suite...

Ny safosafon-dradoko…

09/10/2014

Tsy fantatro ny vehivavy hafa raha toa ahy, fa isaky ny miditra eo amin'ny faha-5 hatramin'ny faha-7 volana ny kiboko, rehefa bevohoka, dia tena mora « excitée » be mihitsy aho

 Lire la suite...

Ado

Tovovavy botabota mahay miakanjo

27/05/2015

Manana ireo mampiavaka manokana ny bikany ny tovovavy botabota. Azo aderadera sy omena lanja tsara izy ireny, satria tombony mampiavaka ny dongadonga amin’ireo mahitsihitsy bika.

« Décolleté V », ho an’ireo be tratra

Raha tiana asongadina ny tratra, dia safidio ny “décolleté V”, tsy atao lalina loatra, fa mampiseho kely ny nono fotsiny. Manome lanja ny tratra ihany koa ny “col rond”. Fa ny akanjo mididy “cache-coeur” no tena ideally indrindra.

 

Lalaovy ny loko

Ireo loko somary matroka no tsara indrindra hanafenana ny hatavezana : mainty, volon-tany... Mba tsy hanamaloka loatra ny fianjaika anefa, dia tsara kokoa raha manao loko somary marevaka, ka izay faritra tsy dia ngeza loatra amin’ny vatana no asiana izany loko marevaka izany.

http://teemix.aufeminin.com/shim.gif

Akanjo mifanaraka

Eo am-pisafidianana ny akanjo, dia adinoy ireo fohy na lava loatra. Tahaka izany koa ireo miraikitra amin’ny vatana, na malalaka loatra. Aza manao ireny ambonin’akanjo bory tanana, mba tsy hisehoan’ny haben’ny sandry. Torak’izany koa ny pataloha “taille basse” , izay mampiseho kibo.

Ny kalitaon’ny lamba

Misy tokoa ireo lamba vao mainka mampangeza ny vatana. Isan’ny izany ny lamba “velour”, “satin” ary ireo somary matevina. Ny “mousseline”, hasy na landy no tena tsara ho an’ny vatana somary nofosana.

Mampiasa “accessoires”

Fomba iray mandaitra izy ity mba tsy handinihan’ny olona loatra ny bika. Asio haingo iray miavaka manamarika ny fianjaika : “noeuds”, “col” miavaka,  “sautoir”, pôketra atao somary lehibebe ary kiraro izay tsara kokoa raha avo vodi-tongotra.

Nelly-Bri

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo