Jejoo

Dans la même rubrique

Déodorant : Azo analana vernis, anadiovana solomaso …

01/08/2016

Misoroka ny fofona ratsy avy amin’ny hatsembohana ao ambany helika sy mampihena ny fivoahan’ny hatsembohana ny tena asan’ny « déodorant ». Azo ampiasaina amin-javatra hafa koa anefa izy ireny. Araho anie e!

 Lire la suite...

Lasopy miloko mavo : hiatrehina ny ririnina !

03/05/2016

Sady tsy mitondra tavy firy no ara-pahasalamana ary matsiro ireto lasopy atoro anao ireto. Efa akaiky rahateo ny ririnina, ka andao mba hanararaotra hanala ireo poizina ao anatin’ny vatantsika.

 Lire la suite...

Manadio fitoeran-dabozia « photophore »

30/03/2016

Tsy avy hatrany akory dia esorina, fa avela hangatsiaka indray, mandritry ny alina manontolo. Ho mora kokoa ny hisintona ireo tain-dabozia niverina nivaingana, fa efa nihataka tamin’ilay fitoeran-dabozia. Raha sanatria tsy mora miendaka ireo tain-dabozia, rehefa narotsaka ao ny rano, dia somary sokirina amin’ny sotrokely dieny mbola mafana ny rano.

 Lire la suite...

Chaussures et vêtements, les bonnes associations

19/12/2014

Vous avez sûrement votre préférence en matière de chaussure. Toutefois, vous ne pouvez pas associer n’importe quel vêtement avec n’importe quelle chaussure. Ainsi, en ces fêtes de fin d’année, il faut garder en tête certaines règles :

 Lire la suite...

Nilalao fitia tamin’i René

22/08/2011

Tantara efa mahazatra loatra izany ary naverimberiko matetika nolalaovina tao an-dohako.

 Lire la suite...

Tsy niafina intsony ny fitiavako an’i René

19/08/2011

Saika nahalala avokoa ny tao amin’ny fianakaviako fa raiki-pitia tamin’i René aho.

 Lire la suite...

Nandona fiaran’olona

20/07/2011

Tamin’ny fotoana nandraketana an-tsary ilay fandaharana dia nifamotoana tao amin’ny trano fisakafoana an’i Guysy i Dodo Morali indray izahay.

 Lire la suite...

Tantara mitohy

Randriambololona Célestine 25 taona namelomana ny ankohonany tamin’ny familiana taxi

26/02/2015

Anisan’ireo Renim-pianakaviana iray amin’ny vehivavy dimy mpamily fiara karetsaka eto an-drenivohitra Randriambololona Celestine na i Neny Rasoa. Efa 25 taona nanaovana io asa fivelomana iray io izy nentiny namelomana ny ankohonany. Mbola manohy izany asa izany hatrany izy mandraka ankehitriny na dia efa 63 taona aza.

 Antso manokana

 Raha araka ny fanazavan’ny Neny Rasoa dia efa antso manokana ho azy mihitsy ny familiana fiara karetsaka izay asan-dehilahy amin’ny ankapobeny. Vao 11 taona monja mantsy izy dia efa nampianarin-dRainy namily fiarakodia, ity farany izay mpamily ihany koa. Taorian’ny nahavitany ny fianarany ny taranja Malagasy teny amin’ny anjerimanontolo anefa dia nampianatra ny taranja Malagasy sy Frantsay ary Anglisy i Neny Rasoa saingy tsy tena nety taminy izany. Teo amin’ny faha-38 taonany izy vao nanomboka nanao io asany io, izany hoe : efa niteraka ny zanany lahimatoa, ary mbola hiainany sy tohizany mandraka androany.

 Sady mikaraka tokantrano

 Na izany aza nefa dia tsy manana mpanampy i Neny Rasoa ao an-trano. Izy avokoa no miantsoroka ny asa fikarakara ny tokantranony araka izany manomboka amin’ny fandrahoana ny sakafon’ireo vady aman-janany amin’ny atoandro ka hatramin’ny sasa lamba sy ny fambolena voninkazo. Amin’ny 04 ora maraina izy no mifoha isan’andro raha amin’ny 09 ora maraina no tsy maintsy mivoaka ny trano mandeha miasa. Amin’ny 05 ora hariva izy no tsy maintsy mamonjy fodiana miatrika ny fikarakarana maro samihafa ao an-trano indray.

 

Miavaka

 

Anisan’ireo vehivavy miavaka i Neny Rasoa amin’ny fiatrehana ny asany. Tsy maintsy manao costume na akanjo lava misy kisarisary voninkazo mantsy izy rehefa miasa ho mariky ny fanajany ireo mpandeha aminy. Ankoatra izay dia tsy maintsy manao manimanitra ihany koa i Neny Rasoa vao mivoaka ny trano, ankoatra ny lokomena midorehitra amin’ny molony. Farany izay tsy kely akory dia vehivavy manana fandavan-tena izy amin’ny fitadiavana client. Tena mitalaho mihitsy mantsy izy raha araka ny fitantarany ka anisan’ireny ny fanontaniana ireo olona eny amin’ny arabe…

 

 Vehivavy mihetsiketsika

 

Na izany aza dia anisan’ireo vehivavy mbola  mihetsiketsika  i Neny Rasoa. Tia mikoloko vatana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ihany koa izy. Ho an’ny fikarakarana hoho manokana ohatra dia tsy maintsy manao izany isan-kerinandro izy raha araka ny fitantarany. Toraka izany koa ny fanamboarana ny tarehy amin’ny alalan’ny fanaovana “gommage” sy ny “masque”. In-dray mandeha isan-kerinandro ihany koa no hanaovany izany. Tsy mampiasa ireo karazana akora hita eny rehetra eny anefa i Neny Rasoa fa ireo mba manana ny maha izy azy. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fanatanjahantena. Raha dihim-bazaha in-30 isa isan’andro mantsy no nitaizany vatana teo aloha dia efa  navadiny ho fikosehan-trano isan’andro vao maraina izany izao miampy ireo karazana fihetsika manatsara bika sy vatana isa-maraina raha tsy dia reraka loatra izy. Manampy ireo ny fanaovana baskety any am-piangonana.

 

Kristiana

 

Nomarihin’i Neny Rasoa moa fa Kristiana izy. Amin’ny ankapobeny dia ny andro Sabotsy sy Alahady no hatokany amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra  raha efa haompany amin’ny asa fitadiavana sy ny fikarakarana ny ankohonany kosa ny dimy andro ambiny. Tsy mitsahatra ny mitory ny filazantsara amin’ireo mpandeha entiny izy araka izany isan’andro, indrindra fa ny haratsian’ny toaka sy ny sigara amin’ny fihinanan’ny olombelona azy.

 

Tsy mety intsony

 

Tsara ny manamarika fa tsy mety intsony ny asana fiara karetsaka  amin’izao raha araka ny fanazavan’i Neny Rasoa. Zara raha mahita client miisa efatra mantsy ny mpamily iray ao anatin’ny andro iray  raha mahay misarika sy misintona olona. Mikasika ny fahasimban’ny fiara tampoka eny am-pandehanana moa dia nambaran’i Neny Rasoa fa efa za-draharaha amin’izany izy. Voavahany avokoa izay olana ara-teknika mety miseho  amin’ny ankapobeny ankoatra ireo goavam-be izay tsy maintsy hiantsoany olona.

 

Isaorana i Neny Rasoa nanaiky nitafatafa tamin’ny gazety Jejoo

 

Patty

Legende : Tahaka izao ny paozin’ny Neny Rasoa rehefa handeha hiasa ! (sary manao akanjo lava )

 

Neny Rasoa amin’izao fotoana mbola miasa hatrany !

Ity ny fiarany , ilay 2 CV kely nahafantarana azy hatramin’izay !

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo