Jejoo

Dans la même rubrique

Fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena Haverina ireo tsipika eny amin’ny arabe

18/06/2020

Ho fiatrehana ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena, dia hisy ny asa famerenana ireo tsipika mandray ny faritra Carrefour Anosy,

 Lire la suite...

Vokatry ny savorovoro tao Toamasina : Nahemotra amin’ny 2 ora ny fara-fodiana !

05/06/2020

Raha tsiahivina dia nisy fisavorovorona nitranga tao Toamasina, ny alarobia hariva teo, rehefa nisy tovolahy iray voalaza fa maty, vokatry ny daroky ny mpitandro ny filaminana. Naneho ny heviny manoloana izany moa ny pôlisim-pirenena ary nametraka fepetra vaovao ny avy eo amin’ny fiadidian’ ny faritra Atsinanana.

 Lire la suite...

« Brigade anti-piratage » : Nahazo mpandrindra nasionaly vaovao

03/06/2020

Tontosa omaly maraina tetsy amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Anosy ny fifamindrana andraikitra teo amin’ny mpandrindra nasionalin’ny «Brigade anti-piratage » teo aloha, ny General de division MAKA Herman,

 Lire la suite...

Seha-pihariana Lany ny lalàna mifehy ny vokatra biolojika

16/05/2020

Nolanian’ireo solombavam-bahoaka ny talata 12 mai lasa teo teny amin’ny CCI Ivato ny volavolan-dalàna laharana faha-010/2019 tamin'ny 28 novambra 2019, izay mifehy ny famokarana biolojika eto Madagasikara.

 Lire la suite...

FANAFIHANA TAO FENERIVE-EST : Fianakaviana ihany no nanao azy

15/05/2020

Olona miisa 04 ahitana lehilahy 02 sy vehivavy 02 no voasambotry ny polisy miasa ao Analanjirofo izay isan'ny nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-piadiana niseho tao amin'ny fokontany Ambodihazinina kaominina Ambatoharanana Distrikan’i Fenerive-Est ny 05 May nifoha 06 May lasa teo.

 Lire la suite...

Tanjondava Talatamaty Nahazo EPP vaovao

07/05/2020

Anisan’ireo Fokontany 12 be olona sahirana indrindra ny Fokontany Tanjondava ao anatin’ ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

 Lire la suite...

Mpianatra hanala fanadinana Nampitoviana ny fandaharam-potoana isaky ny sokajy

24/04/2020

Nizotra araka ny tokony ho izy ny fampidirana ny mpianatra hanala fanadinana tany amin'ny Faritra toy ny tany Matsitra Ambony , Antsiranana, Diego,

 Lire la suite...

Ado

ZAVOKA AMIN’NY CREVETTES : ho an’ny cholestérol diso miakatra loatra

23/02/2015

Fikarakarana : Zaraina roa manaraka ny lavany ny zavoka. Esorina ny voany, tondrahana ranom-boasarimakirana ny nofony mbola ao anaty hodiny, mba tsy hivalomainty. Tsihifina tsara ny patsa be nandrahoina tamin’ny rano. Afangaro amin’ny maiônezy sy ny ketchup. Ahitsy ny sira sy ny dipoavatra raha ilaina. Tsara kokoa ny tsirony raha masiatsiaka. Zaraina amin’ireo antsasaka zavoka ny fangaro patsa be sy maiônezy teo. Haingoina oliva sy persily dia aroso mangatsiatsiaka.

Torohevitra :

Voankazo matavy ny zavoka. Ny tena mahatsara azy dia izy mampihena ny tahan’ny menaka ao anatin’ny rà, indrindra ny “cholesterol”. Ireo akora hafa toy ny persily, oliva, patsa be kosa no mitondra ny otrikaina sy vitamina. Feno fer ihany koa ity sakafo ity ary amorain’ny vitamina C ny fandraisan’ny vatana izany fer izany. Mampihena ny tahan’ny menaka ratsy (cholestérol sy triglycéride) ao anatin’ny rà, araka izany ity sakafo ity.

Isaorana Rakotohery Josette

Nutritionniste spécialiste en maladies métaboliques

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo