Jejoo

Dans la même rubrique

Mandeha « boite de nuit »…mamotika fiainana ?

08/11/2017

Isan’ny safidian’ny olona ny « boite de nuit » rehefa te hiala voly sy hifaly hiaraka amin'ny namana. Ho an'ny sasany dia fanalana izay heverina ho vesatra na ara-tsaina na ara-batana no anton'ny andehanana « boite de nuit ». Mety ve anefa ny mandeha « boite de nuit » ?

 Lire la suite...

Vehivavy 14 taona ao. Nisaraka tamin’ny sipako aho nefa lasa malahelo be azy, tsy mety adinoko mihitsy izy. Mety ve ny mbola hiverenana amin’ny olon-tiana taloha ? Raha tsy mety, mba toroy hevitra aho hanadinoako azy fa mijaly be.

02/08/2016

Maharary foana rehefa ny olona mbola tiana no mandao. Na izany aza anefa, rehefa hita fa tsy mety intsony ny mifamerina, na tsy afaka ny hifamerina intsony, dia ilaina ny manadino.

 Lire la suite...

Tovovavy botabota mahay miakanjo

27/05/2015

Manana ireo mampiavaka manokana ny bikany ny tovovavy botabota. Azo aderadera sy omena lanja tsara izy ireny, satria tombony mampiavaka ny dongadonga amin’ireo mahitsihitsy bika.

 Lire la suite...

Salade de fruits au yaourt : « Gouter » misoroka ny hatavezan’ny adolantsento

18/02/2015

Akora ilaina ho an’olona 4 : - Frezy 200g - Papay 200g - Poara 150g - Tantely 4 sk

 Lire la suite...

Fety ny andro, ataovy mahafatifaty ny tongotra !

18/12/2014

Adinontsika indraindray ny mikolokolo ny tongotra. Rehefa manao kapa avo void-tongotra tsara tarehy anefa, miaraka amin'ny akanjo tohitena fohy mahafatifaty, dia mitopy any amin'ny tongotra ihany koa ny mason'ny olona. Amin'izao fety izao ary, dia aza adino ny mikarakara azy io. Na ao an-trano ihany aza dia efa mety ho vita izany.

 Lire la suite...

Ny safosafon-dradoko…

09/10/2014

Tsy fantatro ny vehivavy hafa raha toa ahy, fa isaky ny miditra eo amin'ny faha-5 hatramin'ny faha-7 volana ny kiboko, rehefa bevohoka, dia tena mora « excitée » be mihitsy aho

 Lire la suite...

Manaingo efitra : lamaody ny style “Londres” !

02/09/2014

Tsy vitsy amintsika Malagasy no tsy manana afa-tsy efitra iray hionenana, tsy tokony ho hipetraka olana anefa izany satria mahate-honina sy mafinaritra foana rehefa hay ny manaingo azy. Ity atolotra anao ity izao dia toerana fandraisam-bahiny nampagalana ny sisin-trano sy nohaingoana tamin’ny lohahevitra “angletera”. Jereo anie zato izy fa lafatra éry e! Tsotra ny fanaovana azy …

 Lire la suite...

Ado

ZAVOKA AMIN’NY CREVETTES : ho an’ny cholestérol diso miakatra loatra

23/02/2015

Fikarakarana : Zaraina roa manaraka ny lavany ny zavoka. Esorina ny voany, tondrahana ranom-boasarimakirana ny nofony mbola ao anaty hodiny, mba tsy hivalomainty. Tsihifina tsara ny patsa be nandrahoina tamin’ny rano. Afangaro amin’ny maiônezy sy ny ketchup. Ahitsy ny sira sy ny dipoavatra raha ilaina. Tsara kokoa ny tsirony raha masiatsiaka. Zaraina amin’ireo antsasaka zavoka ny fangaro patsa be sy maiônezy teo. Haingoina oliva sy persily dia aroso mangatsiatsiaka.

Torohevitra :

Voankazo matavy ny zavoka. Ny tena mahatsara azy dia izy mampihena ny tahan’ny menaka ao anatin’ny rà, indrindra ny “cholesterol”. Ireo akora hafa toy ny persily, oliva, patsa be kosa no mitondra ny otrikaina sy vitamina. Feno fer ihany koa ity sakafo ity ary amorain’ny vitamina C ny fandraisan’ny vatana izany fer izany. Mampihena ny tahan’ny menaka ratsy (cholestérol sy triglycéride) ao anatin’ny rà, araka izany ity sakafo ity.

Isaorana Rakotohery Josette

Nutritionniste spécialiste en maladies métaboliques

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo