Jejoo

Dans la même rubrique

Tetikasa Vakana CEG Project : Hanabe ny adolantsento ny amin’ny lanjan’ny miralenta

20/02/2019

Tamin’ity volana febroary ity no natomboky ny avy ao amin’ny Teach For Madagascar ny tetikasa Vakana CEG Project.

 Lire la suite...

Andeha haka tahaka ny fiakanjon’i Violetta

03/08/2018

Isan’ny zatovo nanamarika iny taona 2014 iny ilay mpilalao sarimihetsika Martina Stoessel na « Violetta », izay vao 16 taona monja.

 Lire la suite...

Mandeha « boite de nuit »…mamotika fiainana ?

08/11/2017

Isan’ny safidian’ny olona ny « boite de nuit » rehefa te hiala voly sy hifaly hiaraka amin'ny namana. Ho an'ny sasany dia fanalana izay heverina ho vesatra na ara-tsaina na ara-batana no anton'ny andehanana « boite de nuit ». Mety ve anefa ny mandeha « boite de nuit » ?

 Lire la suite...

Vehivavy 14 taona ao. Nisaraka tamin’ny sipako aho nefa lasa malahelo be azy, tsy mety adinoko mihitsy izy. Mety ve ny mbola hiverenana amin’ny olon-tiana taloha ? Raha tsy mety, mba toroy hevitra aho hanadinoako azy fa mijaly be.

02/08/2016

Maharary foana rehefa ny olona mbola tiana no mandao. Na izany aza anefa, rehefa hita fa tsy mety intsony ny mifamerina, na tsy afaka ny hifamerina intsony, dia ilaina ny manadino.

 Lire la suite...

Tovovavy botabota mahay miakanjo

27/05/2015

Manana ireo mampiavaka manokana ny bikany ny tovovavy botabota. Azo aderadera sy omena lanja tsara izy ireny, satria tombony mampiavaka ny dongadonga amin’ireo mahitsihitsy bika.

 Lire la suite...

ZAVOKA AMIN’NY CREVETTES : ho an’ny cholestérol diso miakatra loatra

23/02/2015

Fikarakarana : Zaraina roa manaraka ny lavany ny zavoka. Esorina ny voany, tondrahana ranom-boasarimakirana ny nofony mbola ao anaty hodiny, mba tsy hivalomainty. Tsihifina tsara ny patsa be nandrahoina tamin’ny rano. Afangaro amin’ny maiônezy sy ny ketchup. Ahitsy ny sira sy ny dipoavatra raha ilaina. Tsara kokoa ny tsirony raha masiatsiaka. Zaraina amin’ireo antsasaka zavoka ny fangaro patsa be sy maiônezy teo. Haingoina oliva sy persily dia aroso mangatsiatsiaka.

 Lire la suite...

Fety ny andro, ataovy mahafatifaty ny tongotra !

18/12/2014

Adinontsika indraindray ny mikolokolo ny tongotra. Rehefa manao kapa avo void-tongotra tsara tarehy anefa, miaraka amin'ny akanjo tohitena fohy mahafatifaty, dia mitopy any amin'ny tongotra ihany koa ny mason'ny olona. Amin'izao fety izao ary, dia aza adino ny mikarakara azy io. Na ao an-trano ihany aza dia efa mety ho vita izany.

 Lire la suite...

Ado

Salade de fruits au yaourt : « Gouter » misoroka ny hatavezan’ny adolantsento

18/02/2015

Akora ilaina ho an’olona 4 : - Frezy 200g - Papay 200g - Poara 150g - Tantely 4 sk


Fikarakarana :

Sasana tsara ny voankazo dia tetehina efamira. Tondrahana amin’ny tantely avy eo. Afangaro ao ny yaourt dia atao ao anaty lovia jobo. Apetraka ao anaty vata fampangatsiahana.

 

Torohevitra :

Sakafo mitondra antioxydants, proteina ary kalsioma ity “salade de fruits” ity. Tena zava-dehibe ho an’ny fitomboan’ny adolantsento ny vitamina entiny sady mampantanjaka azy rahateo. Tsara kokoa raha toy izao no omena azy toy izay hamburger sy ny « frites ». Fantaro ihany koa fa mety hitarika ny ankizy ho amin’ny hatavezana diso tafahoatra ny fihinana “goûter” be loatra. Lafatra, raha ody am-bavafo tsy dia be menaka sy tsy mamy be loatra 1, na roa isan’andro, no omena azy ireo.

 

Isaorana Rakotohery Josette

Nutritionniste, spécialiste en maladies métaboliques

 

Ity indrya ny vf oo  Trop de gouter peuvent conduire au surpoids. Un ou 2 gouters moins gras et moins sucré par jour conviennent aux adolescents. ATTENTION AU SURPOIDS DES ADOLESCENTS 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo