Ado
Fety ny andro, ataovy mahafatifaty ny tongotra !
18/12/2014
Adinontsika indraindray ny mikolokolo ny tongotra. Rehefa manao kapa avo void-tongotra tsara tarehy anefa, miaraka amin'ny akanjo tohitena fohy mahafatifaty, dia mitopy any amin'ny tongotra ihany koa ny mason'ny olona. Amin'izao fety izao ary, dia aza adino ny mikarakara azy io. Na ao an-trano ihany aza dia efa mety ho vita izany.
1- Manala havizanana
Rehefa madio ny tongotra, dia avelao hilona 10 hatramin'ny 20mn ao anaty rano mafana faran'izay zaka. Ampio vaingan-tsira kely izany rano izany, mba haha-afaka ny havizanana.
2- Manao “gommage”
Ao anaty rano mafana ao ihany dia asiana savony kely ny "pierre ponce". Kosehina moramora amin'izany ny faladian-tongotra rehetra, indrindra ny faritry ny vodi-tongotra sy ny fototry ny ankihibe. Raha tsy manana "pierre-ponce", dia misy ireny karazana “lime” fikikisana tongotra ireny, amidy eny amin'ny tranom-barotra lehibe sy eny amin'ny toerana fivarotana "produits de beauté". Fafana tsara kosa ny tongotra, mialohan'ny hampiasana ity farany.
3- Karakaraina ny hoho
Mafimafy ny hohon-tongotra, fa tsy tahaka ny hohon-tanana, ka azo atao tsara ny manapaka azy amin'ny "coupe-ongle". Omeo izay endrika hitiavanao azy izy, saingy ny somary boribory aloha no tsara indrindra sy ara-pahasalamana indrindra, tsy atahorana handratra sady omby kiraro. Arahina "lime" avy eo ,mba hitovy tantana tsara ny hoho. Tsiahivina fa tsy mety ny mampiasa "lime" asosa mandroso sy miverina. Zotra iray ihany no arahina, miankavia, na miankavanana, mba tsy hanimba ny hoho.
4- Atao mandina
Raha amin'ny alina ianao no manao ity "pédicure" ity, dia manam-potoana tsara mihitsy rehefa manamandina ny tongotra. Hosorana an'izay “produits” fanamandinana hoditra anananao izy ary fonosina ban-kiraro, entina matory, amin'izay dia voatrokan'ny hoditra tsara ilay akora. Raha tsy manam-potoana moa, dia hosory tahaka ny mahazatra fotsiny izany.
5- Asiana "vernis"
Aza zatra manao “vernis” mitovy amin'ny lokon'ny akanjo kosa, fa mba tokony hiavaka kely izany, nefa tsy mifangarika. Raha fotsy, ohatra ny akanjonao, dia atao "bleu électrique" ny "vernis". Lamaody be koa amin'izao ny lokon'ny “vernis” amin'ny tongotra sy tanana tsy ampitoviana. Izay ilay antsoina hoe : " dépareiller". Kendreo kosa mba hangirana tsara izay “vernis” ampiasainao. Dia vita !