Jejoo

Dans la même rubrique

Andeha haka tahaka ny fiakanjon’i Violetta

03/08/2018

Isan’ny zatovo nanamarika iny taona 2014 iny ilay mpilalao sarimihetsika Martina Stoessel na « Violetta », izay vao 16 taona monja.

 Lire la suite...

Mandeha « boite de nuit »…mamotika fiainana ?

08/11/2017

Isan’ny safidian’ny olona ny « boite de nuit » rehefa te hiala voly sy hifaly hiaraka amin'ny namana. Ho an'ny sasany dia fanalana izay heverina ho vesatra na ara-tsaina na ara-batana no anton'ny andehanana « boite de nuit ». Mety ve anefa ny mandeha « boite de nuit » ?

 Lire la suite...

Vehivavy 14 taona ao. Nisaraka tamin’ny sipako aho nefa lasa malahelo be azy, tsy mety adinoko mihitsy izy. Mety ve ny mbola hiverenana amin’ny olon-tiana taloha ? Raha tsy mety, mba toroy hevitra aho hanadinoako azy fa mijaly be.

02/08/2016

Maharary foana rehefa ny olona mbola tiana no mandao. Na izany aza anefa, rehefa hita fa tsy mety intsony ny mifamerina, na tsy afaka ny hifamerina intsony, dia ilaina ny manadino.

 Lire la suite...

Tovovavy botabota mahay miakanjo

27/05/2015

Manana ireo mampiavaka manokana ny bikany ny tovovavy botabota. Azo aderadera sy omena lanja tsara izy ireny, satria tombony mampiavaka ny dongadonga amin’ireo mahitsihitsy bika.

 Lire la suite...

ZAVOKA AMIN’NY CREVETTES : ho an’ny cholestérol diso miakatra loatra

23/02/2015

Fikarakarana : Zaraina roa manaraka ny lavany ny zavoka. Esorina ny voany, tondrahana ranom-boasarimakirana ny nofony mbola ao anaty hodiny, mba tsy hivalomainty. Tsihifina tsara ny patsa be nandrahoina tamin’ny rano. Afangaro amin’ny maiônezy sy ny ketchup. Ahitsy ny sira sy ny dipoavatra raha ilaina. Tsara kokoa ny tsirony raha masiatsiaka. Zaraina amin’ireo antsasaka zavoka ny fangaro patsa be sy maiônezy teo. Haingoina oliva sy persily dia aroso mangatsiatsiaka.

 Lire la suite...

Salade de fruits au yaourt : « Gouter » misoroka ny hatavezan’ny adolantsento

18/02/2015

Akora ilaina ho an’olona 4 : - Frezy 200g - Papay 200g - Poara 150g - Tantely 4 sk

 Lire la suite...

Fety ny andro, ataovy mahafatifaty ny tongotra !

18/12/2014

Adinontsika indraindray ny mikolokolo ny tongotra. Rehefa manao kapa avo void-tongotra tsara tarehy anefa, miaraka amin'ny akanjo tohitena fohy mahafatifaty, dia mitopy any amin'ny tongotra ihany koa ny mason'ny olona. Amin'izao fety izao ary, dia aza adino ny mikarakara azy io. Na ao an-trano ihany aza dia efa mety ho vita izany.

 Lire la suite...

Ado

Ny safosafon-dradoko…

09/10/2014

Tsy fantatro ny vehivavy hafa raha toa ahy, fa isaky ny miditra eo amin'ny faha-5 hatramin'ny faha-7 volana ny kiboko, rehefa bevohoka, dia tena mora « excitée » be mihitsy aho

Telo izao ny zanako, fa toy izany foana ny zava-miseho. Tamin'izaho bevohoka ny zanako fahatelo, dia nandeha “mission” tany amin'ny faritany ny vadiko. Izaho anefa amin'io amin'ilay mientana amin'ny zavatra tsisy dikany. Nandeha nisafo aho, teo amin'ilay faha-enina volana iny. Somary nanana olana kely aho, satria marary be foana ny takibako. Nasain'ilay “gynécologue”, izay marihiko fa lehilahy, naboridana ny tapany ambany, fa tsy maintsy ho –“toucher”-na, sao misy olana amin'ny vozon'ny tranon-jaza. Vao nanokatra ny taovam-pananahako anefa ilay dokotera, dia efa nahatsiaro hafanana niakatra be aho tao anaty kiboko tao. Rehefa nanofoka ny tanany tany amin'ny lalan-jaza izy, dia nihamando hatrany aho. Rehefa niala avy tao ny tanany, dia nahasafo tsy nahy ny “clitoris”. Nikiaka tampoka aho, taitra ilay dokotera ary nanontany izay mahazo ahy. Nivoara-mena fotsiny aho, fa tsy nahavaly. Izy kosa, nitsiky somary naneso kely. Rehefa hody aho, dia nilaza izy hoe : “tsy mahamenatra izany, fa tsy ianao irery no vehivavy efa tratran'izany”. Fantany izany fa nanainga mafy ny filàko ilay kitika tsy nahy nataony. Vao mainka aho nivoara-mena...

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo