Jejoo

Dans la m麥e rubrique

Fenotiana 17 taona : mitantara ny fahafaham-barakany voalohany

26/04/2014

Tadidiko tsara, journ馥 des 馗oles tamin段zay.

 Lire la suite...

ォ Gel douche intime サ, tena ilaina ve ?

11/03/2014

Faritra tena saro-pady eo amin地y vehivavy ny fivaviana, ka tokony ho ara-dal瀟a ny hadiony. Mbola maro amintsika vehivavy anefa no misalasala amin地y fomba fisasa tena mety. Inona marina no antony liana ireny 堵el intime ireny ?

 Lire la suite...

Mikarakara tarehy ve ianao isan誕ndro?

20/08/2013

 Lire la suite...

Inona no mahasorena anao indrindra amin地y toetran地y vehivavy ?

08/02/2013

 Lire la suite...

Tokony hiera amin地y lehilahy ve ny vehivavy raha hanova zavatra amin地y vatany ?

01/02/2013

 Lire la suite...

Mitsena azy isan誕ndro any am-piasany, mety ve?

29/11/2011

 Lire la suite...

Face face Efa nahavanon-doza noho ny fitiavana ve ianao ? Tantarao !

04/11/2011

 Lire la suite...

Face face

RAZAKANAVALONA BAKOLY

21/08/2014

Reny maodely, mpandraharaha matihanina Anisan段reo vehivavy mpandraharaha tena be herim-po Razakanavalona Bakoly, tompon地y Poissonnerie Manda ( anaran-janany), orinasa iray mpikirakira ny resaka hazan-dranomasina eto amintsika. Ny taona 1995 no niaingany voalohany tamin段o sehatra io ary mbola iainany sy ivelomany mandraka androany. Anisan地y nanampy azy betsaka tamin段zany ny mahazanaka mpanarato azy...

 Vavitokan’ny Ray aman-dReniny

Vavitokan-dRay aman-dReniny Razakanavalona Bakoly. Avy any Fianarantsoa no fiaviany. Zanaka mpanarato izy ary tsy nijanona tao Fianarantsoa izany asa nosahanin-dRay aman-dReniny izany, fa nitohy hatrany amin’iny Faritra avaratry ny Nosy iny. Efa tao anatin’ity Renim-pianakaviana ity, araka izany ny resaka trondro, asa nosahininy nanomboka ny taona 1995,  noho ny fahasahiranany tamin’ny fandrindrana ny asany  tany am-piasana sy ny fitaizany ireo zanany. Anisan’ireo vehivavy tia mametraka fifaninana rahateo izy teo amin’ny fiainany no sady tsy be namana. Teo no nanombohany ny nofonofiny voalohany.

Niainga tamin’ny congelateur iray

Niainga tamina congelateur iray izy mivady kely, araka ny fitantarany. Taorian’ny asa nosahaniny tao amina orinasa iray mantsy, fotoana nijanonany tamin’ ny fianarany teny amin’ny Anjerimanontolo, dia tapa-kevitra ny hanao asa tenany izy. Bevohoka ny zanany lahimatoa izy tamin’izany fotoana. Mpamily “bus” kosa no asan’ny vadiny. Na izany aza anefa, araka ny fitantarany ihany, dia tena nandeha tsara io asa nosahaniny io. Anisan’ny nanampy azy tamin’izany rahateo ny faneken’ny andefimandriny azy ho lasa lohany tao an-tokantrano, antony tena nampivoatra be ny fiainan’izy ireo.

Vehivavy sahy

Mila fahasahiana, raha te-hivoatra amin’ny fiainana, hoy Razakanavalona Bakoly. Antony tsy mahatafavoaka ny tanora amin’izao fotoana mantsy, hoy izy, ny tahotra sy ny tsy fananana fahasahiana. Tsy nisy natahorany anefa ny zavatra rehetra nitranga teo amin’ny fiainany, eny fa na dia ny fampiantsoana tampoka ataon’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny aza. Mbola antony nandrombahan-dRazakanavalona Bakoly ny mahampandraharaha mendrika azy tamin’ny taona 2013 izany toy ny “Tecoma award 2013”, amin’ny mpandraharaha mendrika azy sy ny “Trophée Cap Export 2013” niampy ny finiavana sy ny fitiavana tao anatiny.

Ny Reniny

Anisan’ny tena nanampy betsaka an-dRazakanavalona Bakoly ihany koa, nandritra izany, ny fisian’ny Reniny teo akaiky. Nanomboka teo amin’ny faha-26 ka hatramin’ny faha-36 taona mantsy ity Renim-pianakaviana ity no niteraka ireo zanany efatra mianadahy, saingy tsy nisakana ny andraikitra goavana nosahaniny izany. Ny andro sabotsy sy alahady no tena tsy maintsy atokany ho an’ireo ankohonany.

Tia mampiana-janaka

Zanak’olona sahirana ara-pivelomana Razakanavalona Bakoly, tamin’ny fotoan’andro. Na izany aza dia tena nilofo fatratra ireo Ray aman-dReniny nampianatra azy. Mbola lesona entiny mamakivaky ny fiainany miaraka amin’ireo zanany mandraka androany izany. Tena tia mampiana-janaka tokoa mantsy izy, araka ny fitantarany. I Meizah, mpanankato tsy zoviana amintsika intsony, ohatra, izay zanany vavimatoa, dia sady mbola mianatra no mirotsaka amin’io sehatry ny kanto io. Toraka izany koa ireo iray tam-po aminy miisa telo.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo