Jejoo

Dans la même rubrique

RAZAKANAVALONA BAKOLY

21/08/2014

Reny maodely, mpandraharaha matihanina Anisan’ireo vehivavy mpandraharaha tena be herim-po Razakanavalona Bakoly, tompon’ny Poissonnerie Manda ( anaran-janany), orinasa iray mpikirakira ny resaka hazan-dranomasina eto amintsika. Ny taona 1995 no niaingany voalohany tamin’io sehatra io ary mbola iainany sy ivelomany mandraka androany. Anisan’ny nanampy azy betsaka tamin’izany ny mahazanaka mpanarato azy...

 Lire la suite...

Fenotiana 17 taona : mitantara ny fahafaham-barakany voalohany

26/04/2014

Tadidiko tsara, journée des écoles tamin’izay.

 Lire la suite...

« Gel douche intime », tena ilaina ve ?

11/03/2014

Faritra tena saro-pady eo amin’ny vehivavy ny fivaviana, ka tokony ho ara-dalàna ny hadiony. Mbola maro amintsika vehivavy anefa no misalasala amin’ny fomba fisasa tena mety. Inona marina no antony liana ireny “gel intime” ireny ?

 Lire la suite...

Mikarakara tarehy ve ianao isan’andro?

20/08/2013

 Lire la suite...

Inona no mahasorena anao indrindra amin’ny toetran’ny vehivavy ?

08/02/2013

 Lire la suite...

Tokony hiera amin’ny lehilahy ve ny vehivavy raha hanova zavatra amin’ny vatany ?

01/02/2013

 Lire la suite...

Mitsena azy isan’andro any am-piasany, mety ve?

29/11/2011

 Lire la suite...

Face à face

Mirana : Nilalao fitiavana loatra, saika tsy nahita vady

13/05/2014

Nandalo sedra mafy sy kely nahita fiainana i Mirana. Mbola tanora mantsy izy dia efa nahalala fitiavana ary mbola tsy feno taona ihany koa no nisedra hadisoam-panantenana ara-pitiavana voalohany indrindra teo amin'ny fiainana…

 Nilalao fitiavana…

Tovovavy tsara endrika amam-bika, manam-pahaizana sy sahisahy i Mirana, ka toa nilalao ny hatanorany hatrany. Tao anatin'izay fotoana izay dia niovaova olon-tiana matetika izy. Mora foana taminy ny nanadino, na nisesisesy aza ny fisarahana tamin'ireo tovolahy maro niaraka taminy. Nony nandroso ny fotoana ka tsapany fa  lasa nanambady avokoa ireo zanaky ny havany, izay nitovitovy taona taminy, dia nanomboka taitra izy ary naniry fiarahana matotra amin'izay.  

 

Niova toetra, saingy…

Niova toetra i Mirana ary nanaraka fitondran-tena mendrika amin 'izay. Nikasa ny hiorina ara-pitiavana mansy izy ary naniry ny hanangana tokantrano.  Tao anatin'ireo telo taona  nahatonga saina azy anefa dia maty momoka avokoa ny fikasany ary ravarava  ho azy avokoa ireo fiarahana  sy tantaram-pitiavana  niainany. Tao ireo tovolahy nianteherany sy nanankinany mafy ny fony, nefa efa nanan-tompo tany an-kafa. Tao ihany koa ireo ninia niala taminy,  na koa tsy hita popoka, fa lasa tsy nampilaza. Fifandirana lava, hevitra tsy mitovy, na koa fitiavana feno fitaka no niainany tao anatin'ireo telo taona naniriany hanambady. Maro ihany koa ireo ninia nilalao ny fitiavany. 

Lany zara…

Nandeha ihany koa ny resa-be mahakasika ny fitondran-tenany ary tao mihitsy ireo nilaza fa  lany zara noho ny ditra i Mirana, ka tsy hahita mangirana amin'ny resa-pitiavana intsony. Rah any vavan’ny mpitazana dia tsy  ho vehivavy mendrika hisy hampakatra ho vady na oviana na oviana intsony izy. Lahatsoratra an-gazety kosa no nahitany ny laharan-taribin'i Mme Noellah, ilay vehivavy mpitsabo amin'ny alalan'ny herin'ny rano sy ny vavaka, mandrava ireo olana sarotra rehetra tsy antenaina hivaha intsony. Ireo laharan-tariby hitany tao anatin'ilay lahatsoratra an-gazety mirakitra fijoroana vavolombelona avy hatrany no nantsoiny  ( 033 13  090 13/  034 61 328 62 / 032 60  479 94), ka teo noho eo ihany izy dia nanatona ny  birao fandraisan'i Mme Noellah eny 67 ha atsimo, ampitan'ny CECAM. 

 

Nahita ny anjarany ihany

Nitaratra ny fiainan'i Mirana i Mme Noellah, ka teo no nahitany fa manana ny anjarany i Mirana eo amin'ny resaka fitiavana, saingy misy kosa ny olana misakana azy amin'izany, noho ny lasany. Tsy niraharaha vatana  sy nanao izay saim-pantany rehetra tokoa mantsy ny tovovavy, ka nietry tao anatin'ireo fitondran-tena tsy mendrika ny hasina maha-olona azy sy ny vintany. Niroso tamin’ny vavaka sy fanadiovana ary fanarenana i Mme Noellah, ka telo andro taorian'izay monja dia tojo tovolahy mahafinaritra sy efa mahaleo tena i Mirana. Hotontosaina amin'ity herinandro ity ny fisehoana sy ny vodiondrin'ny tovovavy. Anisan'ny ananaran'i Mme Noellah ny tovovavy malagasy kosa ny resaka fitondran-tena  tsy hanafintohina na hampitafy henatra ireo nahitana masoandro, fa indrindra tsy hanimba ny vatana, hanetry ny vintana, ka handoto ny fanahy maha-olona izay avy amin'Andriamanitra.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo