Jejoo

Dans la même rubrique

RAZAKANAVALONA BAKOLY

21/08/2014

Reny maodely, mpandraharaha matihanina Anisan’ireo vehivavy mpandraharaha tena be herim-po Razakanavalona Bakoly, tompon’ny Poissonnerie Manda ( anaran-janany), orinasa iray mpikirakira ny resaka hazan-dranomasina eto amintsika. Ny taona 1995 no niaingany voalohany tamin’io sehatra io ary mbola iainany sy ivelomany mandraka androany. Anisan’ny nanampy azy betsaka tamin’izany ny mahazanaka mpanarato azy...

 Lire la suite...

Fenotiana 17 taona : mitantara ny fahafaham-barakany voalohany

26/04/2014

Tadidiko tsara, journée des écoles tamin’izay.

 Lire la suite...

« Gel douche intime », tena ilaina ve ?

11/03/2014

Faritra tena saro-pady eo amin’ny vehivavy ny fivaviana, ka tokony ho ara-dalàna ny hadiony. Mbola maro amintsika vehivavy anefa no misalasala amin’ny fomba fisasa tena mety. Inona marina no antony liana ireny “gel intime” ireny ?

 Lire la suite...

Mikarakara tarehy ve ianao isan’andro?

20/08/2013

 Lire la suite...

Inona no mahasorena anao indrindra amin’ny toetran’ny vehivavy ?

08/02/2013

 Lire la suite...

Tokony hiera amin’ny lehilahy ve ny vehivavy raha hanova zavatra amin’ny vatany ?

01/02/2013

 Lire la suite...

Mitsena azy isan’andro any am-piasany, mety ve?

29/11/2011

 Lire la suite...

Face à face

Tian’ny lehilahy kokoa ny vehivavy sarokenatra : Fa maninona?

28/04/2014

Tsy araky ny nieritreretina azy fa hay tsy kilema ho an’ny lehilahy ny vehivavy saro-kenatra fa tena mahasarika azy mihitsy. Araho anie ny tafatafa nataon’ny Jejoo tamin’ireto lehilahy ireto e!

 Mahefa 23 taona: “Ireny no mendrika alaina vady”

Mahasarika kokoa amiko, ny vehivavy saro-kenatra satria azo antoka fa mbola tsy nahavita fiainana be : madio e! (tsiky kely).  Ankafizin’ny lehilahy mantsy izany hoe sipa mbola tsy nisy nikitika izany sady reharehany amin’ny namany koa. Sady ireny koa anie tsy dia mandany vola be loatra ny miaraka aminy  (hehy).Ary ny farany dia mety ho hendry koa izy ireny no sady mendrika alaina vady mihitsy.

Niaina: 28 taona “Ireny no mora adalaina”

Araky ny resaky ny samy bandy aloha: Ny tena itiavan-dry zalahy an’ireny vehivavy sarokenatra ireny dia noho izy ireny mora adalaina kely sy mora milefitra ka afaka atoro tsara. Azo lazaina koa anefa hoe lehilahy tsy mahatoky tena loatra no tena voasarika amin’ireny.Mihevitra izy fa tsy hahazaka ireny vehivavy be resaka sy tia rendrarendra ireny dia aleony mirona kokoa amin’ireo saro-kenatra izay heveriny ho “simple” nefa azony antoka fa ho azony.

Zonirina, 32 taona: “Ireny no mety aminay saro-piaro”

Voalohany aloha dia  izaho tena lehilahy saro-piaro be mihitsy. Faharoa, vehivavy tsy dia mifanerasera be amin’ny olona ny ahy no tena tiako. Ny vehivavy sarokenatra amiko no mamaly ireo fitakiako ireo. Ireny rahateo koa tsy atahorana manao an’ilay kifosafosa ataon’ny vehivavy sasany sy hitantara ny fiainanay etsy sy eroa. Sady ireny namana ireny ihany anie no manita-kevitra amin’ny fampirafesana sy ny ditra avy eo e! Rehefa izy mihitsy no hendry ka tsy mifanerasera be dia efa ok! (hehy)Rehefa mahafeno ireo fepetra ireo  ny ahy ny vadiko dia hajaiko sady tiako, no ezahiko izay ahasambatra azy.

Fanamarihina: Nisafidy ny tsy aseho tarehy moa izy ireto mba hahafahana mamoaka izay tena heviny marina sy tsy hisian’ny olana amin’ny olo-tiany avy.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo