Jejoo

Dans la même rubrique

RAZAKANAVALONA BAKOLY

21/08/2014

Reny maodely, mpandraharaha matihanina Anisan’ireo vehivavy mpandraharaha tena be herim-po Razakanavalona Bakoly, tompon’ny Poissonnerie Manda ( anaran-janany), orinasa iray mpikirakira ny resaka hazan-dranomasina eto amintsika. Ny taona 1995 no niaingany voalohany tamin’io sehatra io ary mbola iainany sy ivelomany mandraka androany. Anisan’ny nanampy azy betsaka tamin’izany ny mahazanaka mpanarato azy...

 Lire la suite...

Fenotiana 17 taona : mitantara ny fahafaham-barakany voalohany

26/04/2014

Tadidiko tsara, journée des écoles tamin’izay.

 Lire la suite...

Mikarakara tarehy ve ianao isan’andro?

20/08/2013

 Lire la suite...

Inona no mahasorena anao indrindra amin’ny toetran’ny vehivavy ?

08/02/2013

 Lire la suite...

Tokony hiera amin’ny lehilahy ve ny vehivavy raha hanova zavatra amin’ny vatany ?

01/02/2013

 Lire la suite...

Mitsena azy isan’andro any am-piasany, mety ve?

29/11/2011

 Lire la suite...

Face à face Efa nahavanon-doza noho ny fitiavana ve ianao ? Tantarao !

04/11/2011

 Lire la suite...

Face à face

« Gel douche intime », tena ilaina ve ?

11/03/2014

Faritra tena saro-pady eo amin’ny vehivavy ny fivaviana, ka tokony ho ara-dalàna ny hadiony. Mbola maro amintsika vehivavy anefa no misalasala amin’ny fomba fisasa tena mety. Inona marina no antony liana ireny “gel intime” ireny ?

 

In-2 isan’andro ihany

Ireo molotra be sy  kely, ny kitso, ary ireo mety hoditra  miforiporitra rehetra no sasana. Fadio mihitsy ny misikotra ny any anaty any. In-2, raha be indrindra no misasa ao anatin’ny iray andro. Azo ampiana 1 ihany anefa, raha toa ka tonga fotoana.

 

 

“Gels toilette intime”, ilaina raha…

Amin’ny ankapobeny, raha tsy misy olana eo anivon’ny fivaviana dia tsy tena ilaina loatra ireny « gel » ireny. Tanana sy rano madio fotsiny ihany dia ampy. Savony tsotra, “type Marseille”, tsy misy fofona, toy ireny “savony Nosy” ireny no ampiasaina handroana, saingy tsy sasana aminy ny fivaviana. Na izany aza, azo ampiasaina foana ny “gel intime”, indrindra ho an’ireo izay manana olana amin’ny fivaviana (“mycose”, hidihidy sns) satria :

 

·         Fampitoniana ny hidihidy sy ny vaivay vokatry ny “mycose”, ohatra, na koa raha mahatsiaro ho tena maloto na mahery fofona.

·         Mampangatsiatsiaka.

·         Manamandina ny hodi-mando amin’ny fivaviana.

 

Ho an’ireo vehivavy tena manana olana eo anivon’ny fivaviana anefa dia aleo manatona dokotera “gynécologue”, izay hany afaka manome fanafody tena manasitrana. Marihina manko fa fampitoniana ihany ireny “gel intime” ireny fa tsy manasitrana akory.

 

 

Santionany…

·         « Soin lavande doux Saforelle»: Manodidina ny 15.000Ar eny amin’ny farmasia.

·         « Lactacyd » : Manodidina ny 15.000Ar , eny amin’ny farmasia

·         Savony Nosy : 500Ar eny amin’ny mpivarotra mahazatra.

 

 

Nelly-Bri

 

 

.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo