11/09/2020
Niakatra fitsarana ny herinandro lasa teo tao Angletera ary voasazy higadra mandrapahafaty azy ny lehilahy iray, fantatra amin’ny anarana hoe Zahidy Younis rehefa voasaringotra tamin’ny resaka famonoana ho faty vehivavy roa samy hafa.
06/04/2020
Nitokona fanindroany nidina an-dalam-be indray ireo mpitondra “tuc tuc” miisa 1911 ao Toamasina ny Sabotsy teo. Noho ny mbola tsy nahazoan’izy ireo feno ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana no anton’izany. Mahatsiaro reraka izahay hoy ireo mpitondra tuc tuc satria tsy avela miasa.
21/02/2019
Ho fiatrehana ny ririnina dia mikarakara hetsika fanangonana fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana SOS Zazagasy. Fikambanana iray miahy ireo ankizy tsy manan-kialofana moa ity fikambanana ity.
21/02/2019
Niova anarana ary nivadika ho Foodwise, ilay tetikasa « Manzer Partazer » izay miompana amin’ny fanangonana ireo sakafo tsy lany eny amin’ny tsena lehibe sy ny hotely, ary zaraina amin’ny ankizy sahirana.
21/02/2019
Zaza very, nanaovana antso avo tato anatin’ny tambajotra Facebook ny talata alina teo, i Fanojo, ankizilahikely vao hanala BEPC amin’ity taona ity.
21/02/2019
Ny 8,5%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, araka ny antontan’isan’ny biraom-paritry ny fanjariantsakafo any an-toerana, tamin’ny taona 2017.
12/01/2018
Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.