Archive du 05/11/2018
05/11/2018
Mitondra voka-tsoa ara-pahasalamana tsy ampoizina ny fihinanana akondro. Azo araraotina tsara rahateo ity voankazo ity, noho izy misy mandavan-taona ary tsy lafo loatra, raha mitaha amin’ny vidin’ny voankazo sasany.
05/11/2018
Rehefa misaraka ny mpifankatia dia misy ilay faniriana te hamaly faty ao anaty ao. Ny an’ireto olo-malaza ireto dia tsy nijanona ho faniriana fotsiny, fa tena notanterahin’izy ireo mihitsy izany ary nisy ny valifaty tena lasa lavitra…
05/11/2018
Fihetseham-po mahery vaika ny fitiavana ary tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina aza, matetika. Sarotra fehezina izy io, nefa dia iainan’ny olombelona rehetra, amin’ny ankapobeny. Manoloana izany ary, ahoana no atao mba tena hahay mitia tokoa ?
05/11/2018
Akora ilaina : · Ronono velona ½ l · Vaingana lagilasy 6 · Nutella (sôkôla fanosotra amin’ny mofo) 2 sf · Vovoka kakaô 1sk · Siramamy, araka izay fatra tiana
05/11/2018
dia efa samy manana izay heveriny fa ho fidiana ho filoham-pirenena aza ny tsirairay noho ny fitiavana manokana ny kandida iray na ny programan’asany na ny zava-bitany teo amin’ny sehatra samihafa, dia hita fa mampisongadina sy mahatonga ny lehilahy izay lasa filoham-pirenena ho maanana ny maha-izy azy ny vehivavy vadiny.
05/11/2018
vaovao ireo seza efa ela tao an-trano, raha toa ka efa somary mankaleo ny mahita azy. Mbola azo atao tsara mihitsy ny manome endrika hafa sy mahafinaritra azy ireny, sady tsy lafo akory ny manamboatra azy.
05/11/2018
Miantoka ny fahasalaman’ny hodi-tava ny fampiasana ny “démaquillant”, noho izy manadio sy miaro azy. Rehefa hifidy azy itony, araka izany, dia tsy azo atao kitoatoa mihitsy, sao hanimba hoditra indray. Fantaro àry ny sokajin-koditrao, dia atoronay anao ny “démaquillant” mety aminao !
05/11/2018
Efa ho 6 andro no tsy hita popoka sady tsy naharenesan’ny havany vaovao ity ramatoa iray 53 taona, tany Arizona Etazonia.
05/11/2018
Zazalahikely anglisy iray 5 taona no fanina rehefa avy nihinana vatomamy nangonina avy tamin’ireo mpiara-monina taminy.
05/11/2018
Nidina an-dalam-be ireo mpiasan’ilay tranon-kala “Google”, ny alakamisy lasa teo. Nahatratra an-tapitrisany izy ireo, maneran-tany, no nanatanteraka ity hetsika ity, taorian’ny nivoahan’ny lahatsoratra iray tao anatin’ny gazety New York Times, tamin’iny faran’ny volana oktobra iny.
05/11/2018
Mba hilaminana sy hitohizan’ny fiainana dia tena ilaina ny mamela heloka. Iaraha-mahalala anefa fa tsy vita mora izany. Ireto ary ny dingana tokony harahina raha hamela olona iray, mba hahamoramora kokoa ny fanaovana izany.
05/11/2018
Taorian’izay dia lasa narary valahana foana isan’andro nefa taloha tsy nanao izany. Marihiko fa 2 na 3 andro talohan’io ny ‘’14eme jour‘’-ko fa tsy nalefa tany akory ny tsirinaina.
05/11/2018
Mahery vaika ny fiasan’ity zava-pisotro iray ity ary mety hampihena hatrany amin’ny 5 kilao mihitsy, ao anatin’ny herinandro monja. Mitroka tavy mantsy izy ity. Araho ange e !