Jejoo

En vente actuellement 25/10/2018


Archive du 25/10/2018

A la une

Hoditra akondro, azo itsaboana volo simba …

25/10/2018

Ny otrikaina ao anatin’ny akondro dia manatsara ny volo. Ny singa ao anaty hoditra akondro kosa indray, dia manamafy ny volo ary mahamandina sy mampangirana azy. Raha simba ny volonao dia ampiasao ity maska vita amin’ny hoditra akondro ity mba hitsabo ny volonao sy hampangirana azy indray.

 Lire la suite...

Santé

Miha-matavy rehefa mafana ny andro : Sao fiandronan-drano ?

25/10/2018

Mora mahazo aina ny vehivavy, raha vao mafana ny andro. Mety ho isan’ny mahatonga izany ny « rétention d’eau », na ny fiandronan’ny rano ao anatin’ny vatana. Ara-dalàna ihany izy io, saingy mila fitandremana.

Lire la suite...

People

Fomba fihaingoan’ireo vadina filoham-pirenena… samy manana ny hanitra ho azy

25/10/2018

Noho ny toerana misy azy dia tsy manan-jo hanao ambanin-javatra ny fomba fitafiny mihitsy ireo « première dame ».

Lire la suite...

Sakafo

“Mange tout” atao salady amin’ny nofon-kena, na frezy

25/10/2018

Maro karazana ny fomba azo hikarakarana sy handrosoana ny “mange tout”. Mitondra otrikaina betsaka ho an’ny vatana rahateo izy ireny.

Lire la suite...

Beauté

Ny atao, raha tsy te hisy mony intsony !

25/10/2018

Ny sokajin-tarehy be menaka no tena tian’ny mony. Tsy midika anefa izany fa tsy maintsy hisy mony mandrakizay ny olona manana io sokajin-koditra io. Azo atao tsara ny manafoana ny fipoiran’ny mony. Amin’ny alalan’ny fanovana ny fahazarana sy ny fahaizana mikarakara ilay hoditra no tena fototr’izany.Tsy izay ihany, fa mila arahi-maso tsara koa ny sakafo hanina sy ampidirina ao anaty vatana. Raha voahajanao ireo, dia hanao veloma ny mony ianao ….

Lire la suite...

Manerantany

Vehivavy voan’ny homiadan’ny nono, fantatra noho ny fihetsiky ny saka

25/10/2018

Vehivavy tera-tany anglisy, miompy saka ao an-trano no nanamafy fa ity biby ity no nanavotra azy. Tsy dia tia manatona olona loatra mantsy ilay sakany, izay antsoiny hoe Missy.

Lire la suite...

Tsy maintsy hiditra hampitovy ny karaman’ny lehilahy sy ny vehivavy ny frantsay

25/10/2018

3 volana no omena ireo orinasa frantsay mampiasa olona mihoatra ny 50 mba handravonana sy hampitoviana ny karaman’ny lehilahy amin’ny an’ny vehivavy manao asa mitovy.

Lire la suite...

Lehilahy nitelina fantsika 120

25/10/2018

Fantsika miisa 120 no nesorina tao anatin’ny vavon’ity lehilahy tera-tany etiopiana iray. Araka ny fantatra dia nirefy eo amin’ny 10sm teo ho eo ny halavan’ny iray amin’ireo fantsika ireo.

Lire la suite...

Conseils

Nisy lehilahy iray izay, efa niaraka tamiko taloha ary efa nisaraka izahay. Mbola te hiverina aminy aho, nefa izy maditra sady manao sipa be.

25/10/2018

Raha olona efa fantatra toetra fa tsy matotra sy tia vehivavy toy izany, inona no mbola mahatonga anao te hiaraka aminy ihany ?

Lire la suite...

Citation

La véritable amitié ne gèle pas en hiver (proverbe allemand)

25/10/2018

Araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana momba ny fifandraisan’ny olombelona, dia tsy mitovy ny fomba finamanana eo amin’ny lehilahy samy lehilahy sy ny vehivavy samy vehivavy. Ny an’ny lehilahy dia mahitsy, tsy misy ambadika ary mazava.

Lire la suite...

Regime

Sakafo iray karazana = 3 andro …voadio ny taova, mitsonika ny tavy

25/10/2018

Mety hahatonga ny tavy hiandrona ao anaty ny fahalotoan’ny taova. Avy amin’izany no nahatonga ny manampahaizana nihevitra fa manampy amin’ny fampihenam-batana ny fanadiovana ny taova ao anaty na “detox”. Vahaolana amin’izany ny fanaovana “monodiète” na ilay karazana fampihenam-batana amin’ny alalan’ny fihinanana sakafo tokana.

Lire la suite...

Star

Ari Nao Namoaka hira vaovao “Vazah’Gasy” koa

25/10/2018

Vao roa taona monja i Ari Liarinandrasana na Ari Nao dia efa niala teto an-tanindrazana. Tsy mandalo matetika aty Madagasikara izy ary fotoana fohy fotsiny no hijanonany rehefa tonga eto ny tenany. Na izany aza, miampita sy efa ren’ny maro kosa ny sangan’asany, any anaty tambazotra sosialy sy aterineto any.

Lire la suite...

Taiza vatana

Tambavy amin’ny « cumin » : Manala tavy haingana be

25/10/2018

Hanitra manala ny menaka ratsy sy ny tavy amin’ny vatana ny “cumin”. Indro ny fikarakarana izany, ho tohin’ilay fandaharana “Taiza Vatana”, tao amin’ny Top Radio omaly.

Lire la suite...

Copyright 2009 Jejoo